Jordana : Mpanao gazety dimy nampiridina am-ponja

Mpanao gazety dimy avy ao Jordana no iharan'ny sazy telo volana am-ponja noho antony roa samihafa nandika ny lalana ao amin'ny fireneny. Manangam-peo ny mpitoraka blaogy avy ao an-toetrana hanoherana ity raharaha manohitra ny fahalalahan'ny fanehoan-kevitra ity.

Araka nolazain'ny International Freedom of Expression Exchange dia gazety lehibe roa ao Jordana, “Ad-Dustour” sy “Al Arab Al Yawm” no niatrika fitsarana noho ny namoahany vaovao mikasika ny fitoriana nataon'ny Jordanianina iray mikAsika fanampaha-kevitry ny mpitsara nanala ny maha-olom-pirenena azy ny iray ; ny iray kosa namoaka lahatsoratra mikasika ny filazan'ny fitsarana fa manoso-potaka ny Higher Media Counsil.

Nametra-panontaniana i Naseem Tarawnah tamin'ny nanoratany tao amin'ny the Black Iris of Jordan :

When HM King Abdullah said some time ago that “the sky is the limit” when it comes to press freedoms, I don’t think this is what he had in mind.

What more can I say?

Nothing.

Tsy mino aho hoe izao no tao an-tsain’ i HM King Abdullah tamin'izy nilaza fa ny “lanitra no fetran'ny” fahalalahan'ny mpanao gazety.Inona no azoko ambara ankoatra izay ? Tsy misy.

Isan'ny tohina tamin'ity raharaha ity i Mental Mayhem, ary nanoratra hoe :

I lost hope in freedom of the press in Jordan a long time ago. I can't remember exactly when but I think it goes back to my early twenties when I first joined the ranks of repressed Jordanian journalists. I have written about violations of press freedom on this blog many times, then I got tired of it. Until when, really? Things seem to be going from bad to worse.

Efa ela aho no tsy nanantena intsony ny fahalalahan'ny fanaovan-gazety eto Jordana. Tsy tadidiko intsony hoe oviana, fa tamin'izaho roampolo taona tany ho any, fony izaho niditra voalohany tao ho isan'ireo mpanao gazety voatohitohina avy eto Jordana. Nanoratra betsaka mikasika ny fanohitohinana ny fahalalahan'ny fanaovan-gazety aho teto amin'ny blaogy, fa reraka aho avy eo. Mandra-pahoviana ? Toa miharatsy hatrany mantsy ny raharaha.

Nanampy moa izy hoe :

Since when is reporting on a court case a crime in Jordan? I'm baffled.

Nanomboka oviana no heloka bevava ny fampitana ny vaovao mikasika ny fitsarana eto Jordana ? Kivy aho.

Izao kosa ny fanontaniana napetrak'i Lina Ejeilat :

So it's against the law for the press to debate court rulings. But I'm a bit confused as to what this exactly entails. Don’t we criticize reduced sentences in so-called honor crimes all the time? Is that against the law?

Of course, we all want to be living in a country where no one is above the law, but that doesn’t mean the law is perfect the way it is and cannot be scrutinized. Commenting on the law or criticizing it, and abiding by it are not mutually exclusive.

Hay mandika lalana izany ny mpanao gazety rehefa miresaka ny fitsarana. Fa tsy azoko hoe amin'iza io no tena mihatra. Fa tsy mitsikera ny fitsarana foana ve isika amin'ny fanalefahana ny sazy rehefa misy “honor crime” ? Mandika lalana ve izany ?Marina fa te hiaina amin'ny firenena tsy misy mihoatra ny lalana daholo isika, fa tsy midika akory izany fa tonga lafatra io lalana amin'izao io ary tsy azo kianina intsony.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.