Oganda : Bilaogera nikopak’elatra noho ny tahotra

Efa nosoratana teto amin’ny Global Voices ny hevitra feno fihantsiana nataon’ny bilaogera sy mpanolotra fandaharana amin’ny onjam-peo Ogandey Dennis Matanda momba ny kolontsaina afrikana, ny (filoha) Idi Amin ary ny momba ny fiverenana hisian'ny fanjanahantany indray izay efa nosoratana teto amin’ny Global Voices. Dia mbola niteraka resabe ihany ny fanaony tamin’ny volana lasa raha nitoraka bilaogy hoe « ahoana ny fomba atao hahafaty ? ». Niteraka savorovoro, fandrahonana ary fandrobana ny fandaharana naka hevitra tamin’io lahatsoratra io ka nahatery an’Atoa Dennis Matanda hitsoaka an’i Onganda. Nampisara-tsaina ny tontolon’ny bilaogy Ogandey io fanapaha-kevitra io, nisy ireo nanohana, nisy ny nananihany ary nisy ireo nihifikifi-doha.

Raha nanoratra ny tontolom-piainany i Tumwujike dia nitantara tamin’ny mpamaky azy hoe,  « raha te-hamaky tantara mampalahelo tena nitranga ianao dia hahaliana anao ny bilaogin’i Dennis Matanda ». Nanoratra ho an’i Dennis ihany koa i Tandra nandritra ny Ora mahafinaritry ny bilaogera Ogandey tamin’ny volana septambra hoe « Indrisy moa fa tsy afa-nihaona isika noho ireo tsy ampy fahalalana lasa adala ka nanatery anao hiafinafina. » saingy niakatrakatra noho ny rehetra kosa izay nosoratan’i Degstar :

We had this discussion eons ago — in your old car, the one that had a toy Beretta in the glove compartment? — where I pointed out that for your being less than reserved about your feelings on things of national import, you could, should, expect to pay a price. And you, in that — some would say arrogant — devil-may-care way of yours said, “f— that. I mean really!!” me, I just said “kale.” Indeed you went on to say exactly what you wanted when and where you wanted. Then as it turns out — if I’m getting this right — your views on other people’s sexual preferences were what finally broke the camel’s back and resulted in the late night visit to your house.

Chief, what did you expect? A formal protest note delivered to your lawyer? A picket of your Nakasero hill office? A boycott of your radio talk show? Public burning of your newspaper articles? Or perhaps an invite to the Media Centre to share your divergent views in a bid to “reach a consensus and chart a common way forward?” dude please, I think not.

Efa niady hevitra mihitsy isika fotoana ela izay – tao anatin’ny fiaranao kadraoka nisy kilalao Beratta iny tao anatin’ny fitoerana fonontanana (vatasarihana eo anoloan’izay mipetraka eo anilan’ny saofera) iny ? Tamin’izay aho no efa nampitandrina fa hanody anao io tsy fiheverana loatra ny vokatr’izay eritreritra sy fihetseham-po ataonao manohina ny maro nefa zava-dehibe loatra eo amin’ny sehatry ny firenena. Dia novalianao tamim-pianjonanjonana, hoy ny sasany, moa hoe tsy raharahako izany. Gina tsy nahateny afa-tsy « Kay le » aho tamin’izay. Dia notohizanao ihany izay tianao atao sady tsy nifidy toerana no tsy nifidy fotoana. Ary raha ny fahazoako azy dia ny hevitrao momba ny safidim-pitiavan’ny olona hafa no singam-bolo nandavo ny vositra ka namangian’ny sasany andro alina ny tranonao.Fa inona moa no nandrasanao sefo ô ? Taratasim-panoherana nalefa tany amin’ny mpisolovava anao ? Fitokonana teo anoloan’ny biraonao ao antendrombohitry Nakasero ? Tsy fihainoana intsony ny fandaharanao ao amin’ny onjam-peo ? Fandoroana ny lahatsoratrao an-gazety ? Sa fanasana anao hamelabelaranao ny hevitrao mba hahatongavana amin’ny marimaritra iraisana ka hametrahana ny lalan-kizorana manaraka ? Tsy mino izany aho rahalahy.

Efa mipetraka any Etazonia moa i Dennis ankehitriny ary eo ampiketrehana ny tantara foronina iray mitondra ny lohateny hoe : Master of the Sagging Cheeks (Ilay Kalaza amin’ny takolaka miroraka), izay heveriny hitondra fiovam-pijerin’izao tontolo izao miatrika ny mpitondra afrikana. Nanaiky hitondra ny tantarany eto amin’ny Global Voices izy :

F : Azonao hazavaina ve ny toe-draharaha nanosika anao hiala an’i Oganda ?

V : Zavatra telo no nanosika ahy hiala an’i Oganda. Voalohany dia mahazo antso avy amin’olo-tsy fantatra matetika aho momba ny fandaharana ataoko amin’ny onjam-peo isan-kerinandro. Nihaloza ny antso taorian’ny fandaharana momba ny homosexualité [tsy fantatro na mety eto ny teny hoe toetra mahapelaka eto na tsia] tamin’ny 24 aogositra teo. Tsy nitovy tamin’ny pasitera sy ny mpiaramiasa ny hevitro amin’io lohahevitra io. Niteny aho tamin’izay fa tsy tafiditra mora foana tany amin’ny tany Tandrefana ny homosexualité ary noho izany dia tsy mananjo isika hiteny fa naondrana tany Oganda ny homosexualité. Vao niverina avy naka rivotra tany Etazonia sy Angletera moa aho tamin’izay ka nandray antso aho ny alin’iny nanao hoe raha mbola te-hahita masoandro ianao dia miverena any amin’izay nihavianao.

Faharoa, tsy fantatro loatra hoe iza ireo olona miantsoantso lava ireo sady tsy fantatro rahateo na irahin’ny fanjakana izy ireo na tsia. Niresaka ny tranga momba ny fanorisorenana aho tamin’ny mpiara-miasa mba ahafahako mahalala vaovao misimisy kokoa izay mety ho ao ambadiky ny fampitahorana ahy ity saingy tsy voatery hilaza amin-dry zareo ny fisian’ireo antso maromaro ireo. Ny azoko notovozina moa dia hoe maro loatra ireo olona mifaninana mba hahazo sitraka amin’ny filoham-pirenena sy hahazo sombim-pahefana ka tsy fantatra intsony hoe iza amin’ireo no maniraka ny mpiantso amin’ny finday.

Hany ka tsy fantatro raha afa-mitady fiarovana any amin’ny polisy, izay efa nataoko mandrakariva, aho nefa efa fantatra fa tsy miraharaha izay miteny olona manohitra ny governemanta ry zareo.

F : Malaza ho mpanao fihantsiana ianao – Niteraka adi-hevitra mafana ny lahatsoratrao mikasika ny fanjanahantany sy ny mpitondra Afrikana. Inona ny eritreretinao ho teny nataonao ampahibemaso niteraka fanoherana indrindra ?

V : Mino aho fa ny antso hiverenan’ny fanjanahantany no tsy nankasitrahana indrindra. Mahatadidy koa aho fa efa nisy taratasy azoko avy amin’ny Olobe iray ato amin’ny governemanta niangavy ahy hanajanona ny lahatsoratro sasany satria misahana lohahevitra saropady mikasika ny fomba fitarihana sy ny filoha Museveni. Nanoratra izy fa na marina sy manandanja aza izay lazaiko dia tsy raharahan’izay mitondra ny firenena izany fa potehiny avokoa izay manakatsakana ny lalany. Rehefa nandositra ny tanandehibe aho dia niantso azy ary novaliany fa noho ireny lahatsoratro ireny no nikendrena ahy, indrindra moa fa niely nanerana an’i Afrika sy tany ivelany aza ny adi-hevitra.

F : Mino ve ianao fa misy ifandraisany amin’ny fanoratanao bilaogy na amin’ny hevitra mivoaka amin’ny onjam-peo ny fanafihana ny fonenanao ?

V : Tena tsy haiko izay holazaina. Tsy fantatro manko hoe iza nymanjohy ahy – ary izay no tena mampatahotra.

F : Ahoana no hamalianao ny fiampangan’i Degstar fa « nandositra » ianao ?

V : Ka mazava ilay fiampangan’i Degstar koa. Nandositra toe-javatra tokony hifanandrinako aho ka nijoro ho lehilahy. Mino aho fa diso fanantenana tanteraka izy rehefa nandositra aho nefa efa nahita ahy nifanazava tamina Olobe izy tamin’izaho nitantana ny vondronaTERP [Orinasa Ogandey misahana ny fifandraisana], izay an’ny vinanton’ny filoham-pirenena. Ny tsy fantany dia tiako ho hita na farafaharatsiny fantatra izay fahavalo atrehina. Nandositra aho satria tsy fantatro mihitsy izay miandry kendritohina ahy. Mety ho lasa aloha loatra aho saingy aleoko manavo-tena toy izay manenina rehefa avy eo.

F : Ahoana ny hevitrao mikasika ny haino aman-jeryOgandey fahita mahazatra ?Mino ve ianao fa afaka ny  fampahalalam-baovao ao Oganda ?

V : Amin’izao fotoana izao aloha dia mbola tsy voakitikitika ny fampahalalam-baovao…hatramin’ny fivorian’ny lehiben’ny governemanta mpikambana amin’ny Commonwealth amin’ny Novambra farafahakeliny. Fa misy lesoka manomboka mipoitra ihany : Ny fandefasan’onjam-peo any amin’ny faritra Toro any andrefan’i Oganda izao dia misy manorisory amin-javatra be dia be.

Ny singa faharoa mahatonga ny fampahalalam-baovao manana filaminana dia tsy misy sampan-draharaha iray afaka mifehy ny fipariahana haingana dia haingan’ny haino aman-jery azo maimai-poana. Ny Ivotoeran’ny haino aman-jery tokony hisahana izany moa efa tsy itokisana ary efa fantatra tamin’ny fanapahan-kevitra nisy kiantranoantrano kosa Vaomieran’ny Fandefasan’onjam-peo Ogandey (ao anatin’izany ny nandroahana an’i Gaetano ao amin’ny Capital Radio noho ny fanehoan-kevitra mikasika ny pelaka izay tsy izy akory no nilaza azy ; ary eo ihany koa moa ny nandroahana an'i Blake Lambert raha ny an’ny ivotoeran’ny haino aman-jery no resahina).

Ary ny tena mampilamina indrindra dia rehefa tsy mahita sombim-baovao ny Filoha dia misy ny vintana tsy hahazoan’ny haino aman-jery famaizana. Manampy izany ihany koa dia tsy mankasitraka ny ataon’ny filoham-pirenena loatra ny ankamaroan’ny vondrom-pampahalalam-baovao. Dimy volana lasa teo ho eo izay dia nampiantso ny tompon-gazety sy ny mpitantana ambony amin’ireny haino aman-jery ireny ny filoha, ary rehefa nampiandrasana 7 ora mahery be izao ny olona dia izy indray no mbola be maoraly amin’ny fanaovana ny asam-pampahalalam-baovao. Tsy nifankahazo moa ny resaka hany ka raha mpiaramiasa no notadiavin’ny filoha dia mpioko no noforoniny.

Ny governemanta koa moa, tahaka ny lehibeny koa, nanimbazimba loatra ny vondrom-pampahalalam-baovao ka tsy voatery hanohana ny governemanta raha misafidy. Eo no eritreretiko hoe malalaka ny fampahalalam-baovao ao Oganda. Omena zavatra be dia be tsiriritin’ny firenen-kafa maro ry zareo. Fa, ary ity no mampanahy indrindra, efa mihamiova izany izao ka ho avy ny fiantraikany goavana sy ho henjana dia henjana.

F : Inona moa ny heverinao fa anjara asan’ny blaogy amin’io toe-draharaha io?

V : Nandritra ny fifidianana ho filoham-pirenena tamin’ny 2006 dia natao ho fakan-tahaka ny kamarady faha-27 (27th Comrade) sy Ernest Bazanye. Nisalotra ny anjara asany vaovao izy ireo ary lasa mpitari-kevitra vaovao. Niitatra lavitra ny ambaindain’ny mpamaky blaogy noho ny hatsikana, ny esoesonteny, ny fanehoan-kevitra masiaka tahaka ny an’Ivan. Lasa toy ny safira [taratasy sarobidy] na toy ny rongony tsy ara-dalàna nefa tadiavina fatratra ireny ny blaogy amin’izao fotoana izao.

Q : Mieritreritra ny hiverina any Oganda ve ianao ?

V : Mazava loatra. Mbola manana ny eriteritra ny ho filohan’i Oganda aho ! Fa alohan’izany aloha dia mbola hamita boky tantara foronina roa aho, mbola haka doctorat, Mbola hanangana ivotoerana hiantsoroka fahasalamana sy fanabeazana haseho amin’ny tantsaha Ogandey, ary hanangana lobby [na herimpanohanana miafina matanjaka] any Washington. Efa eto moa aho ka farafaharatsiny vitako aloha ny Master of the Sagging Cheeks (Ilay Kalaza amin’ny takolaka miroraka). Mbola misy toko 15 vitaina, noho izany dia hanoratra hatrany aho mandritra ny enimbolana ho avy.

Dennis, misaotra anao amin’ny tafatafa nomenao.

Rebekah Heacock

2 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.