Tanora ary mamoy fo, vonona hiondrana

Misy orinasa mpitady mpiasa ahiana ho sandoka nentina eo anatrehan'ny lalana any Madagasikara. Gateway Global Consultants, tarihin'izany Steve Turmel izany, milaza fa mpanolo saina maneran-tany, dia nahazo fandrarana hialana an'i Madagasikara , fa nampanantena Malagasy ana arivony asa any Bahamas ao amin'ny « West Palm Textiles and Garnments», raha mameno fombafomba sasantsasany : maka vaksiny miady amin'ny hepatite B, tazo mavo, maka pasipaoro ary mandoa ny vola fehin-draharaha 240 000 Ar (eo amin'ny $93 eo ho eo, vola be amin'ny tany izay ny habetsahan'ny mponina dia miaina amin'ny $1 isan'andro).

Nihoatra ny 3000 ny nirotsaka te handeha, rehefa avy nanamidy izay entana nananany (radio, TVs, tanimbary) mba handoavana io vola io. Ny sasany moa latsaka an-ketra, ny sasany niala tamin'ny asany. Gateway Global Consultants nandray ny taratasin'ireo te handeha tao anatin'ny birao vonjimaika tanaty tranon-tsekoly. Ankehitriny efa mihidy io birao io. Nanontanian'ny fitondrana malagasy ny fitondrana tany Bahamas ka nilaza fa tsy misy an'izany « West Palm Textiles and Garnments» izany. Ny Gateway Global Consultants company koa moa tsy mahalala an'i Steve Turmel. Kanefa mbola maro ireo te handeha no mbola manantena hiainga amin'ny elanelan'ny volana Septambra.

Harinjaka miantso antsika mijery ity toe-javatra ity manisy rohy amin'ny Tribune Madagascar, takelaka gazety malagasy.

Jentilisa manontany tena hoe izao ve no porofon'ny finoanoam-poanan'ny Malagasy mamoy fo te hahazo asa sy mihevitra fa ny fiainana any andafy no tsara kokoa, na anatin'ny fomba fiaina hafahafa ratsy indrindra ary.

“Nahoana tokoa moa no aty amin’ny analiny kilaometatra (Salay arivony) no itadiavana mpiasa nefa ny kaontinanta lehibe eo akaiky eo aza be no tsy manana asa ? Ankehitriny vao betsaka no nahasahy niteny fa teo aloha mbola nangina sao voampanga ho mpanatsatso eo.”

“Hany ka na dia nivoaka tsikelikely aza nmarina mbola nisy ny nahasahy niteny fa aleony mijaly any an-tanin’olona fa tsy izy intsony ny fiainana eto.”

“Eo no nampanontany tena hoe raha samy hijaly ihany ; mijaly eto an-tanindrazana no azo ihafiana kokoa sa ny mijaly any an-tanin’olona ? Nisy manko ireo nasiaka mihitsy hoe tena fadiranovana loatra ny malagasy eto an-tanindrazana ka izany no mampibabababa azy hitady lalana hivoaka. Moa ny fitaizana natao teto amintsika mihitsy no nampanao paradisa ny any ivelany hany ka be loatra ny manofinofy ny hivoaka na dia ireo tsy mahay teny vahiny akory aza.”

2 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.