· Janoary, 2013

Below are posts about citizen media in Spanish. Don't miss Global Voices en Español, where Global Voices posts are translated into Spanish! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Espaniola tamin'ny Janoary, 2013

Meksika: Florence Cassez, Meloka Amin'ny Fakàna An-keriny Sa Nizaka Fanamboamboaran-javatra?

  26 Janoary 2013

Sahotaka be no nitranga tao amin'ny habaky ny cyber taorian'ny namotsoran'ny fonja Meksikana an'ilay teratany frantsay Florence Cassez izay nisy azy nandritra ny fito taona, voaheloka noho ny fakàna an-keriny, fitànana fitaovam-piadiana tsy nahazoana alàlana ary fanaovana heloka bevava nomanina. Mifamahofaho ny fanehoan-kevitra, izy rehetra ireny dia samy maneho ny naha-sarobahàna ilay raharaha.

Espaina: Seranam-piaramanidina Tsy Misy Voromby?

  25 Janoary 2013

Tsy dia fandre mahazatra amin'ny vaovao misongadina ny resaka seranam-piaramanidina, raha tsy resahina ny loza an-habakabaka na misy ny fitokonana ataon'ny mpiasa ka mivadika ho afo fandiovana ho an'ny mpandeha izany. Na dia izany aza, manana seranam-piaramanidina iray malaza i Espaina, izay nivoaka tamin'ny gazety sy tamin'ireo lohatenim-baovao antserasera hatramin'ny...

Ekoatera: Ny Raharaha ireo 10 avy any Luluncoto

  24 Janoary 2013

Fadua Tapia, Cristina Campaña, Abigaíl Heras, Royce Gómez, Pablo Castro, Santiago Gallegos, Víctor Vinueza, Luis Merchán, Héctor Estupiñán ary César Zambrano ireo olona 10 avy ao Luluncoto [es] izao notazonina tamin'ny 3 Marsa 2012 tao Sol Rojo [Mena Masoandro] [es]. Nampangaina ho mandrahona hanohintohina ny filaminam-pirenena sy ho mpikamban'ny Vondrom-Bahoaka Mpiady [es]...

Fahaiza-Mamorona Endrika Hetsi-Panoherana Amoahana Ny Tsy Fahafaliana Ao Espaina

  24 Janoary 2013

Miavaka amin'ny famoronana sy fananganana hetsika ny Fiaraha-mietana Manohitra ny krizy ao Espaina nanomboka tamin'ny 2011. Anisan'ireo fanta-daza ny fikambanana tahaka ny 15M (Hetsika 15 mey) tamin'ny “fibodoany” ny toerana an-kalamanjana, teo koa ny hetsi-panoherana nokarakarain'ireo vahoaka marobe solontena avy amin'ny sehatra maro samihafa voakasiky ny fampihenana tetibola (fampianarana, fahasalamana, fonenana, sns),...

Richard Blanco: Poeta Latina Voalohany Tamin'ny Fianianan'ny Filoha Amerikana

  23 Janoary 2013

[Amin'ny teny anglisy avokoa ny rohy amin'ity lahatsoratra ity] Nankinin’ny filohan'i Etazonia, Barack Obama tamin'ilay poeta Richard Blanco (@rblancopoet), zanaka lahinà kiobàna mpifindra monina ny fanoratana ny tononkalo tamin'ny fianianana nataony. Izy no poeta Latina, mpiteny espaniola ary “gay” (pelaka) voalohany nahazo izany voninahitra izany. Araka ny filazan'ny lahatsoratra tao amin'ny New York Times, mahatsiaro «...

“Ny fanjaitra” Tantara Iray Hafa Mikasika Ny Vondrom-piarahamonin'ireo Nanova Taovam-pananahana Any Porto Rikò

  23 Janoary 2013

Matetika amin'ny alina no mivenjivenjy manao ny asany eny amin'ny sisin-dalan'ny tanan-dehiben'i San Juan, ireo mpikambana avy amin'ny vondrompiarahamonin'ireo 'trans' (olona nanova taovam-pananahana) ao amin'ny faritr'i Santurce avy any Porto Riko.“Ny fanjaitra”, fanadihadiana iray vaovao tarihin'ilay mpamokatra horonantsary iray avy eo an-toerana antsoina hoe Carmen Oquendo-Villar, izay tsy miompana loatra amin'ny zava-mitranga eny an-dalana; fa mifantoka kosa amin'ny endrika ambadiky ny sehatra dia ny hatsaran'ny asa hita eny an-dalana izay ametrahan'ireo mpiasan'ny sisin-dalana fitokisana.

ONG Voasazy Noho Ny Fikaroham-Baovao Momba Ny Kolikoly Ao Espaina

  20 Janoary 2013

Taorian'ny dimy taona nanaovana ady teny amin'ny fitsaràna, voasazy handoa 3.000 euros [es] ny Access Info Europe, ONG iray iarahan'ny mpanoratra ity lahatsoratra ity miasa, taorian'ny namoahan'ny Fitsarana Ambony didy milaza fa tsy manana zo hahafantatra izay fomba ataon'i Espaina hiadiana amin'ny kolikoly izy.

Shily: Ny Zavatra Andrandraina Amin'ny Fahatongavan'ny Dakar Ao Santiago

  20 Janoary 2013

Androany, Sabotsy 19 Janoary 2013 no fiafaran'ilay “hazakazaka faran'izay mampidi-doza indrindra eto ambonin'ny tany”: ny Dakar, ao Santiago. Mientanentana momba ny tsipika famaranana ireo Shiliana mpisera anaty aterineto. Indrindra indrindra fa andrandrain-dry zareo ny hahita ilay mpiray tanindrazana aminy, Francisco "Chaleco" Lopez [es], mpitaingina moto, mety hanatsara ny toerana fahatelo azony tamin'ny andiany 2009 amin'ity andiany iray hifarana ao an-tanindrazany ity

Ireo pejinay momba an i Espaniola

es