Lingua Rosiana: ahoana no nanombohany ?

(Lahatsoratra tamin'ny volana Oktobra 2014)

Latsa-pitia tamin'ny Global Voices aho efa ho 5 taona mahery izay. Koa satria mahatalanjona avokoa ny zava-drehetra eto amin'ity fiainana ity dia tampoka-kisendrasendra ny nitrangan'izany. Tsy nanana traikefa tamin'ny fandikan-teny aho, saingy nazoto hampihatra ny fahaizako teny Anglisy, hihaona amin'ny olona vaovao ary haharaka andro. Noho izany, nisy namako iray izay lasa vadiko tatỳ aoriana, nanoro ahy hijery ny globalvoicesonline.org. Tiako ny hevitry ny vondrom-piarahamonina ary nifandray tamin'i Ivan, Solana (lehiben'ny toniandahatsoratra teo aloha raha tadidinao ) sy Leonard (izay efa talen'ny Lingua tamin'izany fotoana izany) aho. Nandray ahy tamin-kafanana izy ireo ka vao mainka tiako avy hatrany ny GV. Na dia manana dikanteny Rosiana aza ny GV, dia tsy mavitrika tamin'ny fananana dikanteny maro fotsiny.

Nanomboka tamin'ny lahatsoratra fohy aho momba ny filoha Iraniana teo aloha Mohammad Khatami namaly ny fanontanian'ireo bilaogera. Rehefa afaka ny iray volana , tsapako fa tena ilaina ny hananana Lingua Rosiana ao amin'ireo tranonkala mavitrika ary nanomboka nandika lahatsoratra bebe kokoa aho. Nahafaly ahy ny nahita ny GV Rosiana nanana votoaty bebe kokoa, saingy tsy mbola ampy izany. Soa ihany, niditra nanampy ahy ny mpilatsaka an-tsitrapo iray hafa, Lyudmila Isakova ary niara-nanohy nampivoatra ny Lingua Rosiana izahay. Noforoninay ny kaonty Twitter sy Facebook, nanomboka nihevitra momba ny fiaraha-miasa amin'ny fampahalalam-baovao, ary nandray mpilatsaka an-tsitrapo vaovao izahay.

Efa nanana mpilatsaka an-tsitrapo maro izahay tamin'ny fotoana nandaozan'i Lyudmila ny vondrom-piarahamonina. Manana maromaro kokoa izahay ankehitriny: ny sasany mandika lahatsoratra maromaro mandritra ny fotoana fohy ary lasa avy eo, ny hafa tsy dia mavitrika loatra, saingy niaraka taminay elaela kokoa. Tonga ary lasa ireo mpilatsaka an-tsitrapo, saingy samy nanolotra ny fandraisany anjara sarobidy tamin'ny Lingua Rosiana avokoa ny tsirairay tamin'ireo olona ireo ary faly mandrakariva aho mandre fa ny Global Voices dia nanome azy ireo ny fahafahana tsy hahay mifehy ny fahaizan'izy ireo amin'ny fandikan-teny fotsiny ihany fa nahalalany olona vaovao sy nianarany zava-baovao maro ihany koa.

Ankoatra izay, nanomboka hatramin'ny volana Septambra tamin'io taona 2014 io izahay dia nahazo toniandahatsoratra mpanampy Anna Shetnikova, izay tena mavitrika, malalan-tsaina ary mitondra hevi-baovao ho an'ny Lingua Rosiana.
Tsapako ny hafaliako manana namana maro manerana izao tontolo izao. Misaotra anao, Global Voices, noho izany!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.