Tantara mikasika ny Espaniola tamin'ny Novambra, 2012
“La Calle Loíza”, Làlana Manan-tantara Nanita-dàlana Tao Amin'ny Aterineto
Manana fiatoana vaovao ny fitsangatsanganana any amin'ny làlana mikintaontaona indrindra any amin'ny renivohitr'i Porto Rico,San Juan, ka amin'ny aterineto izany. Calle Loíza, any afovoan-tanàna manan-tantara any Santurce, dia fifangaroana trano miloko Karibeana maro maha-te honina sy ny manara-damaody.
Espaina: Mihantona Ny Fandroahana Hiala Amin'ny Trano Noho Ny Fanerena Ara-tsosialy
Anisan'ny fitantarana manokana ataonay momba ny Krizy ao Eoropa ity lahatsoratra ity. Fikambanana sy sehatra miady amin'ny fandroahana olona hiala amin'ny trano fonenany no nahomby tamin'ny fahazoan'ny Asociación Española de Banca (Fikambanan'ny Banky Espaniola) hampiato ny fandroahana taorian'ny roa taona nitolomana. Nambara fa mandritra ny roa taona izany didim-pitsarana fampiatoana izany, ary...
Hitsidika An'i Pero, Arzantina ary Shily Ny Hazakazaka Dakar 2013
Nandritra ny dimy taona nifanesy, ny Fikambanana Dakar dia nisafidy ny faritra Amerika Atsimo ho ao anatin'ny fifaninanany ivelan'ny làlam-be iraisana. Hamakivaky firenena telo ny làlan'ny 2013 : Pero, Arzantina ary Shily.
Mankalaza Ny Andro Iraisam-pirenena Hiadiana Amin'ny Herisetra Atao Amin'ny Tsy Mitovy Amin'ny Tena i Ekoatora
Taminà hetsika ara-kolontsaina maro samihafa no nankalazan'i Ekoatora ny Andro iraisampirenena ho Fanafoanana ny Herisetra atao amin'ny vehivavy. Naneho hevitra mikasika izany koa ireo Ekoatoriana mpisera amin'ny aterineto ka isan'ireny ireo vehivavy marobe manerana ny firenena.
Maneho An-Tsarintany Ny Fandotoana Ny Ranon'ny Vazimba Teratany Peroviana
Tao amin'ny The Engine Room no nalefa voalohany ity lahatsoratra ity. Niroborobo ny toekarena tao Però noho ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany nahazoana dolara amina miliara. Raha nanomboka tetikasa vaovao ireo mpitrandraka sy mpandavaka, inona ny fiantraikan'izany amin'ireo vahoaka izay monina akaikin'izy ireo? Ny olana iray ohatra dia ny loharano voaloto izay mitarika aretina sy fahafatesana....
Manohitra Ny Kolikoly Ny Tanora Ao Amerika Latina
Mizara lahatsary iray i Andrea Arzaba izay hanadihadiany ireo tetikasa tarihan’ireo tanoran’i Amerika Latina ho amin’ny mangarahara sy ny fandraisana andraikitra. Nandray anjara tamin’ilay Sehatra Fiadian-kevitry ny Tanora Eran-tany Manohitra Ny Kolikoly Andiany Fahatelo,nokarakarain’ny Tambajotran’ny Tanora Eran-tany Manohitra Ny Kolikoly (GYAC) any Brasilia, Brezila ny 5 sy 6 Novambra teo.
Espaina: Tsy Ampy Taona Nodarohan'ny Polisin'ny Katalonia, Antso Hialàn'ny Minisitra
Ny fampiasana hery nataon'ny vondron-kery polisin'i Katalonia antsoina hoe Els Mossos d’Esquadra [ca], nandritra ny fitokonambe [ca] tamin'ny 14 Novambra 2012 (#14N [ca]) no niteraka onjam-panamelohana an-tserasera. Niteraka fametrahana fanangona-tsonia [ca] ho fialan'ny minisitry ny atitanin'i Katalonia, Felip Puig, avy amin'ny antoko politika rezionaly efatra ity toe-draharaha nitranga tao antenantenan'ny fampielezan-kevitra manantantara ity.
Espaina: Fifidianana Katalana – “Garcia Avokoa Izahay Rehetra”
Mitodi-doha mankany amin'ny biraom-pifidianana indray androany alahady, 25 Novambra 2012 ny any Katalonia izay ao raha mitokozihitra ny eo amin'ny toekarena ary mavaivay ny adihevitra momba ny fisintahana amin'i Espaina. Nanomboka tamin'ny alalan'ny lahatsary mampiady hevitra nivoaka tao amin'ny fantsona Youtube an'ny Antokom-Bahoakan'ny Katalana [es] (Partit Popular de Catalunya na PPC) izay mpitàna ny firaisampirenena ny fampielezan-kevitra, izay nifantoka indrindra tamin'ny adihevitra momba ny fahaleovantena [fr] tamin'ny herinandro lasa teo.
Hackathon Ho an'ny Daholobe: Ahoana ny Fanomanana Hackathon?
Amin'ity lahatsoratra manaraka ity, ny vahiny, J.J. Merelo, Dokotera amin'ny Fizika sady Profesora ao amin'ny Anjerimanontolon'i Granada, Espaina, no miresaka amintsika ny zavaniainany tamin'ny fanomanana hackathon ara-panabeazana ho fanazavana ny Hackathon rezionaly Fampandrosoana an'i Amerika Latina 2012 [en] izay hotontosaina amin'ny volana ambony amin'ny Desambra
Mapa76 : Asa Fanavaon-gazety Angona Mampiseho Ny Fanararaotam-pahefan'ny Jadona Tao Arzantina
Mitàna andraikitra fototra amin'ny asam-panadihadiana fanaon'ny gazety ao Arzantina hanadihadiana ny lasa sy ny ankehitrinin'ny firenena ny fanaovan-gazety angona [journalisme de données]. Paula Gonzalo ao amin'ny Periodismo Ciudadano [amin'ny teny espaniola] nanipika ny asan'ilay mpanao gazety Sandra Crucianelli mikasika izany ary nampahafantatra ny tetikasa Mapa 76, sarintany ahafahana mamantatra toerana sy manangom-baovao mikasika...