· Febroary, 2010

Below are posts about citizen media in Spanish. Don't miss Global Voices en Español, where Global Voices posts are translated into Spanish! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Espaniola tamin'ny Febroary, 2010

Chili : Tahotra Tsunami tany amin'ny nosin'i Paska

  28 Febroary 2010

Fanta-daza noho ireo sary sokitra Polyneziana izay manintona mpizahantany manerantany ny Nosin'ny Paska. Fantatra amin'ny anarana napetraky ny mponina ao ho Rapa Nui moa ity anatin'ny zaratanin'i Chili ity, izay any amin'ny 3500 km andrefan'ny kaontinantan'i Amerika atsimo ary manana mponina maharitra manakaiky ny  5000. Taorian'ny horohorontanin'ny 27 febroary moa...

Chili: Horohorontany tany Chili hitan'ny mason'ny olona

  28 Febroary 2010

Santiago taorian'ny horohorontany nopihan'i pviojo CC-By Koa satria moa efa hadiva hilentika ny masoandro dia nitombo isa ireo lahatsary mitantara ny horohoroontany nahatratra 8,8 izay nihatra tamin'i Chili tamin'ny 3:30 maraina. Koa satria moa tsy ny tanibe ihany no nisian'izany hetsiky ny tany izany dia niteraka onjan-dranomasina vaventy (tsunami) izay...

Chili : Horohorontany mahatratra 8,8 refy Richter

  28 Febroary 2010

Horohorontany manana herim-pihetsehana 8,8 amin'ny refy Richter no nandona ny faritr'i Maule tamin'ny 3:34 maraina tany an-toerana any Chili io. Heno hatrany an-drenivohitra Santiago izay 325km miala ny ivony ny hetsiky ny tany. Betsaka ny fahasimbana manerana ny firenena, ary mitombo isa araka izany ihany koa ny niharam-boina. Mbola re...

Cartagena: Lahatsary iray isan'andro avy any Kolombia

  25 Febroary 2010

Androany avy any Cartagena any Kolombia: Voalahatra ho ao anatin'ny Lovan-kolontsaina manerantanin'i UNESCO sy toerana be mpitsidika indrindra no itondranay anareo anareo hianoka amin'ny alalan'ny lahatsarin' ( video) izany tanàna izany izay amoahana iray isan'andro mandritra ity taona 2010 ity.

Però: Sekoly Ambony vaovao ho an'ny mpianatra tena sangany

  22 Febroary 2010

Tany amin'ny fanombohan'ny taona 2009 tany ny filoha Peroviana Alan García no nanambara ny fananganana ny Sekoly Ambony Filohan'i Però [es] aorina any Huampaní, tokony ho 25 km atsinanan'i Lima (renivohitra). Tetikasam-panabeazana (mitady voninahitra) hampidirana ny mpianatra 500 mahay indrindra avy amin'ny sekoly 47 tsara indrindra manerana ny firenena izy...

Costa Rica: Rantin-tsary nandritra ny fifidianana ho filoham-pirenena

  14 Febroary 2010

Nanokana rantin-tsary [es] momba ny fifidianana notontosaina tamin'ny 7 febroary 2010 teo ka nahalany an'i Laura Chinchilla ho vehivavy voalohany ho filoha teo ny vondrona mpaka sary Kostarikana antsoina hoe “Nomada Colectivo” (Vondrona Mpivezivezy). Nanaraka ny arabe ity vondrona ity hipika ny zava-nisy nandritra ny androm-pifidianana. Saripika avy amin'ny Vondrona...

Ireo pejinay momba an i Espaniola

es