Tantara mikasika ny Espaniola tamin'ny Septambra, 2009
Kôlômbia: Aiza no ahitana ny Buñuelo tsara indrindra
Ny buñuelo dia sakafo tena Kolombiana izay mahanoana na maheno ny anarany fotsiny aza. Izay no nitranga tamina vondrona Kolombiana mpampiasa twitter, izay nisafidy ny hiresaka momba ny toerana tiany fividianan-dry zareo ny buñuelo, toy ireo sakafo mampiavaka an-dry zareo manokana. Nanosika ny maro hiazakazaka hivoaka hividy ilay sakafo ihany koa izy ity.
Porto Rico: Adihevitra momba ny sivana
Ny Ministeran'ny Fampianaran'ny governemantan'i Porto Rico dia nanala boky dimy amin'ny fandaharam-pianaran'ny taona faha-11 ao amin'ny rafi-pampianaran'ny sekolim-panjakana. Maro ireo mpanoratra sy mpanakanto any Porto Rico no naneho ankarihary ny olany ary nandray ny fihetsiky ny governemanta ho sivana. Mihetsika noho izany fifanoheran-kevitra izany ny tontolon'ny blaogy ao Porto Rico.
Repoblika Dominikana : Halatra tariby sy vy
Tariby sy vy maro no misy mangalatra eny an-dàlambe, amin'ireo vakoka sasantsasany, sy ireo tranobe manerana ny Repoblika Dominikana mba hamidy sy haondrana ka mahasanganehana ny maro.
Etazonia, Meksika: Mi-tweet avy eny an'habakabaka ilay mpanamory sambondanitra José Hernández
Eo am-piodinana manodidina ny tany izao ilay mpanamory sambondanitra José Hernández ao anatin''ilay iraka ataon'ny sambondanitra ho eny amin'ny Toby an'habakabaka iraisampirenena, ary mi-tweet izy mandritra ity iraka ataony ity..