Tantara mikasika ny Rosiana tamin'ny Jona, 2011
Horonantsary: Fankalazana ny Fisarahan-taona
Arendrina, dihy, voninkazo ary afondasy no fitaovana sasantsasany ampiasaina amin'ny fankalazana manerana izao tontolo izao ny Fisarahan-taona Lohataona sy Ririnina. Andeha hitety izao tontolo izao hijery ireo karazam-pankalazana niseho: Fisarahan-taona ao Stonehenge, Afondasin'ny Fetin'ny Masindahy Joany ao Espaina, Inti Raymi ao Pero, we tripantu ao Chile ary Andron'ny Kupala ao...
Ukraine: Fahatsiarovana sy sarin'i Chernobyl tamin'ny volana Aogositra 1986
Nigadona tany amin'ny Orinasa Famokarana Angovo nokleary any Chernobyl ny mpampiasa LJ av-strannik , i Aleksandr Strannik , monina any Mosko, tamin'ny tapaky ny volana Aogositra 1986, efa-bolana teo ho eo taorian'ny fipoahan'ny fitaovana fampandehanana #4 ny 26 Aprily, hanatrika ny ezaka fanadiovana amin'ny maha injeniora amin'ny fitsofana azy. Dimy amby roapolo taona taty aoriana, mizara ireo fahatsiarovany sy ny sary tamin'izany fotoana izany izy
Belarosia: Famoretan'ny Mpitandro Filaminana Ny Androm-Panoherana Tao Minsk
Ny famoriam-bahoaka am-pahatoniana tao Minsk, izay nokarakaraina tamin'ny alalan'ny tambajotra sosialy, niafara tamin'ny fisamborana olona mihoatra ny 450. Ireo fisamborana, fampiakarana fitsarana sy fihazonana am-ponja faobe, na izany aza, dia toa tsy manakivy ireo mpanao fihetsiketsehana akory.
Rosia: Mampiseho ny ratra lalina navelan'ny adin'i Tsetsenia ny namonoana an'i Yuri Budanov
Namerina indray ny fifampihenjanana ara-poko na an-tserasera na ivelan'ny serasera ny namonoan'ny sasany an'i Yuri Budanov kolonely taloha tamin'ny tafika Rosiana izay noampangaina ho namona vehivavy Tsetsenina 18 taona nandritra ny Ady Tsetsenina Faharoa tamin'ny 10 jona 2011, ary nanamafy ny fahadisoam-panantenana satria mbola manjaka ny tsy fanarahan-dalàna ao amin'ny firenena
Kazakhstan: Sisintany an-tserasera iniana atsangana
Nahita zavatra hafahafa ny mpisera Kazakhstani tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity. Hita manko vao haingana izay fa mivadika ho azy mankany amin'ny Google.com miaty teny Kazakh ny tokotaniny ny Google.kz.
Okraina: Manivana Facebook?
Tetyana Bohdanova no mitatitra ny raharahan'i Mykola Sukhomlyn, mpamaham-bolongana Okrainian sady iray amin'ny mpisera Facebook malaza, izay nofaranana tamin'ny voalohany volana jona 2011 ny kaontiny.