· Janoary, 2013

Below are posts about citizen media in Portuguese. Don't miss Global Voices em Português, where Global Voices posts are translated into Portuguese! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Paortigey tamin'ny Janoary, 2013

Mpanao Gazety Gineana Nanjavona Tampoka Tany Angola

  31 Janoary 2013

Aiza i Milocas Pereira? Manako eran'ny tambajotra sosialy izany fanontaniana mikasika fanjavonana mpanao gazety sy mpampianatra amin'ny anjerimanontolon'ny tanànan'i Luanda, renivohitr'i Angola izany, toerana nipetrahany hatramin'ny 2004. Ety anaty aterineto, natomboka ny fanangonan-tsonia havantana ho amin'ny Kaomisiona Ambonin 'ny Firenena Mikambana misahana ny Zon'Olombelona.

Niteraka Adihevitra Tao Brezila Ny ‘Fandehanana Vakansy Miaraka Amin'ny Mpitaiza Zaza’

  22 Janoary 2013

Vanim-potoanan'ny fialan-tsasatra izao ao Brezila. Tsy mianatra ny mpianatra ary mitady fomba hampialàna voly azy ireo ny ray aman-dreny. Vao haingana, nandefa lahatsoratra mampahafantatra izay lazaina fa toro-hevitra tsotra ho an'ny fianakaviana mandeha vakansy miaraka amin'ireo mpitaiza zaza ny bilaogy [pt] iray  Viajando com Filhos (Mandeha vakansy miaraka amin'ny mpitaiza zaza). Nanjary...

Fanakianana Ny Pasipaoro Diplaomatika Ho An'Ireo Solontea Ara-pinoana Ao Brezila

  22 Janoary 2013

Vao haingana ny Minisitry ny Fifandraisana Amin'ny Any Ivelany no namoaka pasipaoro diplaomatika roa [pt] ho an'ireo pasitora mpitarika ny fiangonana evanjelika Igreja Mundial do Poder de Deus (Fiangonana Manerantanin'ny Fahefan'Andriamanitra), Valdemiro Santiago de Oliveira sy ny vadiny Franciléia de Castro Gomes de Oliveira, niteraka fifanakalozan-dresaka iray momba ny fahefan'ny andrim-panjakana sy ny fanitsakitsahana ny tena famaritana ny hoe tsy fironana amin'ny ara-pinoana (laika) voasoratra ao anatin'ny lalam-panorenana ao Brezila.

Ireo pejinay momba an i Paortigey

pt