Tantara mikasika ny Paortigey tamin'ny Desambra, 2011
Mozambika : Ilay Bilaogera Tsy Voafehy Ao Amin'ny Facebook
Mozambika dia firenena vitsy bilaogera ngezalahy ary ankoatra izay dia kely amin'ny fitantaràna ny resaka fanehoan-kevitra mazava ao anaty aterineto malalaka. Miaraka amin'ny firoboroboan'ny Facebook (amin'ny alalan'ny finday), olona iray be herim- po no nivoaka avy tao amin'ity tontolo fotsy voahodidina manga ity.. Miaraka amin'ny fanadihadiany ara-politika mivantambatana sy ny tsikerany"Apóstolo da Desgraça" dia lasa loharanom-baovao, ary naharay fandrahonana
Brezila: Sarin'ny Filoha Dilma Rousseff Tamin'izy 22Taona
Mpanao gazety breziliana Marco Antônio Araújo nitsikera ny adihevitra politika maivana, nitohy tamin'ny famoahana ny sarin'ny Filoha Dilma Rousseff tamin'ny fahatanorany izany ny ampitson'iny. Mampiseho ny sarin'i Dilma Rousseff nandritra ny fitondrana jadona izany sary izany, 22 taona izy tamin'izay, nandritra ny fanadihadiana nataon'ny miaramila izay mikasa hanafina ny endriny. “Mahamenatra?”, hoy...
Timor Atsinanana: Manangana Firenena Iray Avy Amina Fiteny Maro
Samy nosafidiana ho fiteny ofisialy avokoa na ny Tetum na ny fiteny Portigey ho an'i Timor Atsinanana izay firenena vao teraka raha nahazo ny fahaleovantenany izy tamin'ny taona 2002. Na izany aza, maherin'ny 16 ny isan'ny fiteny nasionaly, ary roambinifolo mahery ny isan'ireo tenim-paritra hafa ampiasain'ireo mponina Timorezy amin'ny andavanandro.
Brezila : Onitra Faratampony Taorian'ny Fahanginana Momba Ilay Fiparitahan-tsolika An-dranomasina An'ny Chevron
Ny 7 Novambra, ilay "plateforme" fitrandrahan-tsolika Frade, izay an'ny orinasa Amerikana mpandavaka Chevron-Texaco, dia nanomboka namery solitany mbola tsy voahodina. Roa volana taty aoriana dia inoana fa efa voafehy ilay fiparitahana solitany ary i Chevron dia nosaziana handoa ny onitra ambony indrindra izay nofaritan'ny Manampahefana Breziliana momba ny tontolo iainana. Kanefa tsy mazava tanteraka ny mikasika ny fahasarotana sy ny momba ny loza aterak'io amin'ny tontolo iainana.