· Desambra, 2012

Below are posts about citizen media in Malagasy. Don't miss Global Voices teny Malagasy, where Global Voices posts are translated into Malagasy! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Malagasy tamin'ny Desambra, 2012

Bengladesy: Voakiana ny Haino Aman-Jery Noho ny Tsy Famonjena ireo Tra-Doza

  29 Desambra 2012

Tamin'ny 9 Desambra 2012, novonoin-ko faty tamin'ny fomba feno habibiana i Biswajit Das 24 taona, nandritra ny fotoana fanakanan-dalana adiny 8 nataon'ny mpanohitra, teo anatrehan'ny besinimaro ary koa mpanao gazety maro avy amin'ny haino aman-jery maro izay sahirana naka sary sy nandrakitra lahatsary ity loza niseho ary tsy nanao na inona na inona mba hiezaka hamonjy ity tanora amin'ity fiafarana mahatsiravina. Tohina sy alahelo no mipololotra avy amin'ny haino aman-jerim-bahoaka.

Goiana: Mitady Ny Rariny Ho An'ilay Vao 17 Taona Monja Tra-doza Noho ny TIfitra Nataon'ny Polisy

  29 Desambra 2012

Androany [18 Septambra, 2012] no manamarika ny herinandro hatramin'ny nahafatesan'i Sahquille "Georgie" Grant, 17 taona, noho ny tifitra nataon'ny polisy teo amin'ny alokaloky ny Third Street, Agricola. Nanamafy ny polisy fa nisy nitifitra ka dia namaly tifitra tsotra fotsiny ry zareo - nefa ity fanambarana mikasika ny zava-nisy ity dia notoherin'ny vavolombelona iray tsy mitonona anarana.

Vehivavy Sodanezy Mpanao Gazety Nampijaliana, Manao Antso Avo

  28 Desambra 2012

Sumaya Ismail Hundosa, 34 taona, dia nisy naka an-keriny tao an-tranony tamin'ny 29 Oktobra, ary hita taty aoriana nisy nanipy tany anaty fotaka tany amin'ny faritra somary lavidavitra any Khartoum tamin'ny 2 Novambra, dimy andro taorian'ny fakàna azy an-keriny. Satria tsy nosokafana ny andinindininy mikasika ny fampijaliana an'i Hundosa teo aloha, dia novalian'ny Sodanezy mponin'ny aterineto tamin'ny alahelo sy hatezerana izany, maneho ny fiaraha-miory sy ny firaisan-kina amin'ilay mpanao gazety, araka ny nosoratan'i Usamah Mohamed

MENA: Bilaogy Mpampitohy Ny Firenena Maghreb Sy Ny Golfa Arabo

Nifandray tànana ilay mpitoraka bilaogy Maraokana Amerikana Samia Errazzouki sy ilay mpitoraka bilaogy tsy manana firenena fiaviana avy any Koety, i Mona Kareem mba hanomboka bilaogy vaovao izay miresaka mikasika fitsaratsaram-poana eo amin'i Maghreb (Afrika Avaratra) sy i Golfa. Ny tanjona moa dia ny hanombohana ny resaka mba ho famonoana ny elanelan'ny tsy fitoviana eo amin'izy ireo.

Meksika: Sary Indray Mijery Mikasika Ny Fampiterahana Eran'Izao Tontolo Izao

  20 Desambra 2012

Ny fifandraisana ara-kolotsain'ny mpampiteraka no lohahevitr'ity sary am-bilaogin'ny Offbeat Mama mivahiny ato ity, nakarin'ilay mpakasary Alice Proujansky mipetraka any Brooklyn. Nitety faritra izy fony mbola dimy volana ny kibony ary naka sary ny fifanakalozam-pahalalana ara-kolotsaina tany Quintana Roo, toerana izay nalehan'ireo mpianatra manaraka ilay hany fandaharam-pampianarana nankatoavin'ny governemanta mikasika ny fampiterahana hianatra ny fampiterahana ara-pomba nentim-paharazana Mayana avy amin'ny faritra ambanivohitra.

Ireo pejinay momba an i Malagasy

mg