· Janoary, 2012

Below are posts about citizen media in Malagasy. Don't miss Global Voices teny Malagasy, where Global Voices posts are translated into Malagasy! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Malagasy tamin'ny Janoary, 2012

Karaiba: Misaotra anao ry Dr. King

  31 Janoary 2012

Anio faha 16 Janoary 2012 izay andron'i Martin Luther King Jr no ankalazan'i Etazonia ny fitsingerenan'ny taona nahaterahan'ny lehiben'ny vondrona mpitandro ny zon'olombelona. Nandray anjara tamin'izany ny mpitoraka blaogy avy any Karaiba any an-tanindrazana sy any am-pielezana...

Shina: Tsy Mahataitra Ny Fanapahan-kevitry Ny Twitter Hanivan-tena

  30 Janoary 2012

Nanambra ny Twitter tamin'ity herinandro ity fa, ho fitsinjovana ny tombotsoan'ny daholobe, nanapa-kevita ny hanomboka hanivana ireo fampahalalana voarara any amin'ireo fivarotana samihafa izay ananan'ny orinasa mpampiasa azy izy. Any Shina anefa, izay efa voasakana efa mihoatra ny roa taona ny Twitter, mbola maro ireo mpampiasa no mbola mitsidika io vohikala io, milaza ny vondrona mpampiasa Twitter goavana iray fa mety tsy ho olana be loatra io fanapahan-kevitra io.

Afrika : Valisoa sy Hadisoam-panantenana Amin'ny CAN2012

  29 Janoary 2012

Any Afrika ary hatrany an-toeran-kafa mihitsy, angonin'ny baolina kitra hanodidina ny ekipam-pirenena iray ny olona. Ao anatin'ny fientanentana manodidina ny CAN2012, misy teboka roa mahasarika ny sain'ireo bilaogera. Ny voalohany, dia ny tsy fisian'ireo firenena vaventy mahazatra amin'ny resaka baolina kitra afrikana..

Gresy: Fomban-drazana Sy Fomba Amam-panao Amin'ny “Andron'ny Hazavana”

  29 Janoary 2012

Ny "Epiphany" na "Theophany" dia ny fotoana ankalazan'ny Kristiana Tatsinana ny nanaovam-batisa an'i Jesosy tao amin'ny Ony Jordana, noraisina ho ny fotoana nisehoan'ny maha-Zanak'Andriamanitra azy teto amin'izao tontolo izao. Ao Gresy, ny 6 Janoary no andro nolovaina tamin'ny razany, ary fantatra amin'ny hoe Phota ("hazavana"). Ndeha hiaraka aminay hanao fitsidihana an-tsary sy an'eritreritra ireo tantara malaza fahiny eran'ireo nosy sy tanana Grika.

Lahatsary: Taona Iray Tontolo Iray Ary Tantara 52 Samy Hafa

  29 Janoary 2012

Hitsidika firenena irery mandritra ny herintaona ilay mpanao gazety amin'ny alàlan'ny Lahatsary Maggie Padlewska, hitety firenena iray isan-kerinandro ary mitontaly 52 ireo firenena hotsidihany amin'izany. Mandritra ny fitsidihany dia haka ary hamokatra lahatsarin'ny fifandraisany amin'ireo vondrom-piarahamonina, fikambanana ary olona zara raha voaresaky ny mpampita vaovao izy, ary hamoaka izany ao amin'ny aterineto izy.

Ireo pejinay momba an i Malagasy

mg