Tantara mikasika ny Masedoniana
Ylli Morina: ilay 13 taona lalin-tsaina amin'ny matematika avy ao Skopje, mampianatra ireo mpianatry ny Anjerimanontolo
Satria tsy ampy ny kilasy sahaza sy ny boky fanabeazana tao amin'ny sekoly fanabeazana fototra nisy azy izay mifanaraka amin'ny filàny sy ny talentany, nanitatra ny fahalalany tamin'ny aterineto i Ylli, tamin'ny alalan'ny fihainoana an'ireo mpampianatra avy any ivelany.
Valanjavaboary nasiônaly vaovao ao Makedônia Avaratra, iharan-doza noho ireo tetikasam-pampandrosoana mitohy
Taona iray taorian'ny nanambaràn'ireo manampahefana fa hametrahany valanjavaboary vaovao ao Makedonia Avaratra, manao fahirano an'ilay toerana ireo mpamokatra herinaratra manosika hankamin'ny fanorenana foibe famokarana herinaratra ao anatin'ilay vala.
Ao Makedonia Avaratra, misy tanora sasantsasany nahavita nanangana orinasa mahomby nandritra ny valanaretina Covid-19
Tanora telo mpandraharaha avy ao Bitola, tanàna iray any atsimon'ny firenena, dia manome ohatra momba amin'ireo tanora niatrika ilay krizy COVID-19 tamin'ny fomba feno famoronana sy miabo.
Nanome rariny ireo mpanao gazety Makedoniana voaheloka noho ny fanalam-baraka ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon'olombelona
Tamin'ny taona 2014 sy 2015, tsy maintsy nandoa vola maherin'ny 9.000 euros ireo mpanao gazetin'ny Focus ho onitra ho an'ny talen'ny Fitantanana ny Fiarovana sy ny Fitsikilovana Mpitsikilo (Administration for Security and Counterintelligence - ASC) teo aloha Sašo Mijalkov noho ny fanalam-baraka sy fanevatevana
#StandWithUkraine: Miantso ny hamaranana ny ‘daroka rosiana’ ny mpanao fihetsiketsehana ao Makedonia Avaratra
Mihetsika manohitra ny fanafihana rosiana ao Okraina eo anoloan'ny masoivoho rosiana ny Okrainiana monina ao an-drenivohitra Makedoniana Avaratra ao Skopje sy ny olom-pirenena ao an-toerana tamin'ny 25 Febroary.
Rahonan'ny masoivoho Rosiana ao Skopje horaiketina ireo tsy mitovy hevitra amin'ny fironana ofisialy an'i Kremlin, lazaina ho ‘Russophobes (mankahala Rosia)’
Ny masoivoho Rosiana any Makedonia Avaratra no hany tany Balkana namoaka indray ny fampitandremana avy amin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Rosiana fa "voarakitra tsara an-tsoratra" ny tranga “Russophobia (fankahalana Rosiana)”.
Afobe mandravarava an'i Makedônia Avaratra, manimba ireo ala sisa tavela
Ho fiatrehana ireo firehetana any an'ala izay mandravarava ny avaratr'i MAkedônia, nambaran'ny governemanta ny fisian'ny hamehana
Hetsika manoloana ny masoivoho Tseky ao Makedonia Avaratra manohitra ny fanavakavaham-bolonkoditra atao amin'ny Roma sy ny herisetra ataon'ny polisy
Nampahatsiahy ny fahatsiarovana ny tranga iray teo an-toerana nahitana ny polisy nidaroka ny olom-pirenena foko Roma tamin'ny volana Septambra 2020 ihany koa ny hetsika.
Mihazakazaka mividy rakitra petatsary ‘Euro 2020′ an'ireo mpilalao baolina kitra ao an-toerana ny Makedoniana
Anisan'ny kolontsaina iraisana any Yogoslavia teo aloha ny fomban-drazana amin'ny fanangonana sy fifanakalozana karatra Panini afaka apetaka , saingy niteraka buzz manokana ny 'Euro 2020' tamin'ity taona ity.
Noterena hanova indray ny clip Eurovision i Makedonia Avaratra taorian'ny fahatezeran'ny nasionalista
Nanatontosa fampielezan-kevitra manohitra ilay mpihira Vasil Garvanliev noho ny "fanaparitahana fampielezan-kevitra Boligara ireo nasionalista ao Makedonia Avaratra.