· Jolay, 2012

Below are posts about citizen media in French. Don't miss Global Voices en Français, where Global Voices posts are translated into French! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Frantsay tamin'ny Jolay, 2012

Fanjakan'i Baroa ve i Tonizia?

Mafana tanteraka ny adihevitra nanomboka tamin'ny 19 Jolay raha nosokajian’ i Mahmoud Baroudi, mpikambana ao amin'ny Antenimieram-panorenana (NAC) ho “Filohan'ny Repoblikan’ akondro [Fanjakan'i Baroa] ny filoha vonjimaika Moncef Marzouki. Niteraka savorovoro tanteraka tao anatin'ny Antenimiera izany fanambarana izany. Nangataka tamin'i Baroudi ireo depiote mpikambana ao amin'ny antoko telon'ny firaisan'ny governemanta mba  hitsipaka ny fanambarany....

Repoblika Demaokratikan'i Congo : Voampanga Any Avaratr'i Kivu i Rwanda

  26 Jolay 2012

Hatramin'ny volana Aprly, ny M23, ivondronan'ireo mpiady tranainy tao amin'ny mpihoko tutsi Kongoley avy amin'ny Congrès national pour la défense du peuple CNDP dia manakorontana ny faritany Avaratr'i Kivu any Atsinanan'ny Repoblika Demaokratikan'i Congo. Ankoatry ny zavatra hafa dia takian'ireny miaramila ireny ny hanajàna ny fifanarahana tamin'ny 2009 izay, araka ny hevitr'izy ireo, dia tsy hajain'ny governemanta kongoley Mihevitra ny sasany fa tsy noho ny tsy fanajàna ireny fifanarahana ireny ihany no anton'ireny fitsoahana an-daharana ireny fa misy ihany koa finiavana hizarazara ny firenena. Mitohy miteraka fahafatesan'olona marobe sy fifindra-monina faoben'ny vahoka ny hetsika M23.

Madagasikara : Tsoa-kevitra Tamin'Ilay Fiokoana Farany Teo

  25 Jolay 2012

Tamin'ny Alahady 22 Jolay lasa teo, roa maty, 4 naratra nandritra ny fifandonana teo amin'ny miaramila tao amin'ny toby iray ao Ivato, Madagasikara, anisan'ny namoy ny ainy tamin'izany ny kaporaly Koto Mainty, mpiambina taloha an'ny minisitry ny fiarovana, Jeneraly Noël Rakotonandrasana. Tahaka ireo fifandonana efa nisy teo aloha, miseho ny...

Tonizia: Tambazotra An-tserasera Hanarahana Maso Ny Fanararaotana Diso Tafahoatra Ataon'ny Mpitandro Filaminana

Ny Yezzi dia tambajotra an-tserasera ahafahana maneho firaisan-kina eo amin'ny filazana vaovao na fanaovana tatitra mikasika ny fanararaotan'ny mpitandro filaminana sy ny fanaovan'izy ireo fomba ratsy. Nandritry ny taona maro, tsy nisy nahatsikaritra - ary tsy voasazy ny kolikoly aton'ny mpitandro filaminana ao Tonizia. Miresaka momba izany fomba ratsy izany ny vahoaka, nefa vitsy ireo sahy miresaka izany ampahibemaso, na koa mampahafantatra izany amin'ny Fitsarana. I Yezzi dia nanome fahafahana ireo izay efa sendra izany fanararaotan'ny mpitandro filaminana izany hanao tatitra ireny trangan-javatra ireny, ary afaka tsy mitonona anarana izy ireo raha tiany izany.

Madagasikara: Mankafy ny Fiadiana Tompon-dakan'i Afrika 2012 ho an'ny baolina lavalava

  16 Jolay 2012

Madagasikara no mampiantrano ny Fiadiana Tompon-daka nokarakarain'ny Konfederasiona Afrikana ho an'ny Baolina Lavalava (CAR), fifaninanan'ny Vondrona 1B nanomboka ny 4 Jolay hatramin'ny 11 Jolay lasa teo. Ireo firenena hafa tao amin'ny vondrona dia i Maraoka, Namibia ary Senegaly. Raha sahirana tamin'ny olana ara-toekarena sy ara-politika ny firenena nanomboka tamin'ny fanonganam-panjakàna tamin'ny 2009, miezaka ny miala amin'ny adin-tsainy isanandro ny vahoaka Malagasy amin'ny alalan'ny ekipa Nasionaly Malagasy amin'ny baolina lavalava, fantatra amin'ny anarana hoe "Makis de Madagascar" (Ny Maki an'i Madagasikara)

Madagasikara : Vita Hatreo Ve Ny Air Madagascar Rehefa Avy Nividy Airbus Tamin'ny Air France?

  15 Jolay 2012

Voarara tsy mahazo mandia ny faritr'habakabaka eoropeana tamin'ny 2011 ny zotram-pitaterana an'habakabaka Air Madagascar noho ny tsy fanarahany ny fitsipi-piarovana mihatra. Nankalazain'ny fitondrana tetezamita malagasy nanetriketrika tokoa ny fividianana Airbus A340 roa an'ny Air France. Saingy, maro ny fanontaniana nipoitra amin'ny hoe sahaza antsika ve, manao ahoana ny fanomezam-bola sy ny fombafomba nividianana azy sy ny vokatra lavitr'ezaka sy ny faharetany eo amin'ny orinasa.

Repoblika Demaokratikan'i Congo : Thomas Lubanga, Sazy Maha-be Resaka

  14 Jolay 2012

Ny 10 jolay lasa teo, ny Fitsarana ambaratonga voalohany tao amin'ny "Cour pénale internationale (CPI)" dia nanameloka ilay Kongole Thomas Lubanga Dyilo higadra 14 taona an-tranomaizina. Izy dia voampanga ho tompon'antoka taminà heloka an'ady tamin'ny fitsimponana sy fandraisana ireo ankizy latsaky ny 15 taona ary nampandray anjara mavitrika azy ireny taminà habibiana ny 1 Septambra 2002 hatramin'ny 13 Aogsitra 2003 tany Ituri, Repoblika Demaokratikan'i Congo (RDC). Tahaka ny maivana ihany ilay sazy raha ny hevitr'ireo mpiondana aterineto marobe.

Ireo pejinay momba an i Frantsay

fr