Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Septambra, 2013
‘Karamaina Ohatrinona Ianareo?’ Hoy Ireo Tanora Nizeriana Manontany Ny Mpikambana Ao Amin'ny Parlemantany
Fanontaniana henjana no apetraky ny tanora Nizeriana ety anaty sy ivelan'ny aterineto amin'ireo mpikambana ao amin'ny Antenimieran-dry zareo.
Mahazo Fanohanana Antserasera Ny Filoha Am-perinasa Tadjik
Enina herinandro latsaka alohan'ny fifidianana filoham-pirenena, nahazo fanohanana tsy nampoizina avy amin'ireo bilaogera sasantsasany ny filoha amperinasa ankehitriny ao Tajikistan.
Mandeha Ny Tsaho Fa Nanambady Fanindroany i Putin
Nisy ny tsaho niely fa mifankatia amin'ilay mpanao fanatanjahatena Alina Kabaeva i Putin. Mbola nipariaka indray izany tsaho izany taty aoriana, ka nampisy ahiahy fa natao mariazy mihitsy izy ireo.
Zotram-piaramanidina Thailandey Nanakona Ny Fangony Taorian'ny Loza
Ftsipika arahina izany araka ny filazan'ireo mpiasa ao amin'ny zotram-piaramanidina, saingy nanjary korontana teo amin'ny fifandraisana tamin'ny orinasa.
Mivadika Sehatra Fanaovana Ady Totohondry Ny Parlemantan'i Tanzania
Vao tsy ela izay, nifanandrina tamin'ireo mpiambina ny mpikambana iray ao amin'ny parlemanta. Tsy vao izao no niafara amin'ny fifandirana ny olana any amin'ny Parlemantan'i Tanzania.
SARY : Fanaparitahana Amin-Kerisetra Ireo Mpanohitra Ny Fifidianana Any Kambodza
Nomelohin'ny mpiaro ny zon'olombelona ny fanaovana herisetra nataon'ny mpitandro filaminana hanaparitahana ireo mpanohitra ny fifidianana any Kambodza. Nampiasa baomba mandatsa-dranomaso sy tena bala ihany koa ny mpitandro filaminana
Mibilaogy Ho An'ny Fahafahana Amin'ny Fetim-pirenen'i Arabia Saodita
Nanamarika ny fetim-pireneny i Arabia Saodia tamin'ny 23 Septambra. Nibilaogy ny fanantenanan'izy ireo hanana firenena manaja sy mifankatia amin'ny vahoaka ary koa ny fanirian'izy ireo ny bilaogera.
Loza Mananontanona Ny Kianjan'i Tokyo Ny Lalao Olaimpika Hazakazaka Vohy Làkana
Maminavina ny hanorina kianja fanaovana fifaninanana mitaingin-dàkana ho an'ny lalao Olaimpika Tokyo 2020 eo i Tokyo sy ny Kaomity Olaimpika Japoney, na teo aza ireo 25 tana nanaovan'ny Kianja Kasai Rinkai ezaka fifanantonana hamerenana indray ny fahasamihafàn'ny zava-miaina efa very tao noho ny fandrosoana sy ny fandotoana.
GV Face: Mampita Ny Siokan'ny Mpampihorohoro? Ilay Fanafihana Tao Westgate
Mivantana amin'izao fotoana izao Google Hangouts. Inona ny marina lazainy amintsika momba iny fanafihana mandravarava ny olom-pirenena Kenyana iny?
Arabia Saodita – Sady Voatifitra Ianao no Mbola Voasazy Vokatr'Izany
Voatifitra teo amin'ny ambavafony nandritra ny hetsi-panoherana iray tamin'ny taona lasa tao Qatif i Jalal Al-Qattan. Voasambotra izy nanomboka teo ary nohelohina higadra telo taona. Maneho hevitra ny mpisera anaty aterineto.