Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Jolay, 2013
Hahavonjy Ny Aterineto Rosiana Ve Ny Piraty?
Raha jerena tamin'ireo mpanatrika ny fihetsiketsehana farany teo dia tsy nahovoka ihany ireo mpanohana ny fahalalahan'ny aterineto rosiana namindra ny hetsika avy any amin'ny aterineto ho hitan'ny daholobe.
Brunei : Fandraràna Ny Tsy Miozolomana Hisakafo Andro Mazava Amina Hotely Miozolomana
Mihatra amin'ireo vahiny sy mpizaha-tany mandritra ny volana masina Ramadana ny fitsipika vaovao izay nahasanganehana ny maro.
Mandoro Trano sy Fiara ao Awwamiya Ny Mpitandro ny Filaminana Saodiana
Nosamborina tao Awwamiya androany i Abbas Al-Mazraa sy ny rahalahiny enina. Niafara tamin'ny fandoroana ny trano sy ny fiaran'ny fianakaviana [nosamborina] ny fisamborana.
Kairo: “Tsy Nitsahatra Mihitsy Ny Feon'ny Poa-basy”
Tao Rabaa Al Adawiya ilay bilaogera Ejipsiana Mosa'ab Elshamy izay nahitana olona 100 maty voatifitra sy naharatrana olona 1500 nandritra ny fifandonana nitranga tao amin'ny sit-in nataon'ny mpanohana an'i Morsi tao Kairo. Mizara ny hitany ao amin'ny Twitter izy.
Mpifankatia Lesbiana Nosamborina Fa Nifanambady An-tsokosoko Tao Bangladesh
Sokajiana ho fanambadiana voalohany eo amin'ny olon-droa mitovy taovam-panahanana ny fanambadian'ireto vehivavy roa ireto. Sazian'ny lalàna an-tranomaizina mandram-pahafaty anefa ny fiarahan'olon-droa mitovy taovam-pananahana ao Bangladesh.
VIDEO: Mpanolotra TV Pakistaney Manolotra Zaza Roa ho Valisoa Mandritra Ny Seho Ramadany
Ny fanaovana ny zazakely ho fanomezana ve no hirika hitadiavana laharana ambony, tahaka ny nataon'ilay Televangelisitra Dr. Amir L. Hussain nanolotra zaza roa ho fanomezana nandritra ny volana Ramadany?
Mampiseho Ny Disadisa Misy Eo Amin'Ireo Tanora Sy Ny Ray aman-dreny Ao Shina Ilay Horonantsary ‘Tiny Times’ Novokarin'ny Blockbuster
Kianin'ireo olon-dehibe ao Shina ilay 'Rendrarendran'ny' Tiny Times, tantaranà tovovavy efatra miaina anaty harena izay mikatsaka fatratra ny fitiavana sy ny fahombiazana.
Jamaikana Mpanao Atletisma Voalaza Ho Nihinam-panafody Fampatanjahana : Meloka sa Tsia ?
Taitra be ireo mpitia fanatanjahantena manerana an'i Karaiba tamin'ny fandrenesana ilay vaovao izay nilaza fa maro amin'ireo mpihazakazaka Jamaikana no hita tamin'ilay fizahana natao azy ho nandray fanafody voarara, isan'izany ilay tompon-daka erantany Asafa Powell .
Manivana Ny Marina Amin'ny Foronina Ao Amin'ny Tranonkala Miteny Frantsay
"Minia mamoaka vaovao diso ny olona sasany fantatra amin'ny fikatrohany ara-politika." Ao amin'ity lahatsoratra ity isika no hijery ny tetikasam-panamarinam-baovao amin'ny media miteny frantsay.
Nanakatsakana ny Parady Voalohany ao Montenegro Ny Mpankahala Pelaka
Tokotokony ho 500 ny olona nandalovan'ny diabem-pireharehana no miezaka ny hampitsahatra ilay hetsika manatantara, araka ny nolazain'ny polisy.