· Desambra, 2012

Below are posts about citizen media in English. Don't miss Global Voices, where Global Voices posts are translated into English! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Desambra, 2012

Bangladesh: Tolotra Finday Ikarakarana Ny Fahasalaman'ny Ho Renim-pianakaviana Sy Ny Tera-bao

  30 Desambra 2012

Samy nilatsaka ny taha-pahafatesan'ny Reny sy ny zanaka any Bangladesh. Amin'ny andaniny dia manakaiky ny 66% ny fidiran'ny finday ary maro amin'ireo mpampiasa azy no vehivavy. Aponjon, tolotra fitandroana ny fahasalaman'ny reny izay mmampiasa ny finday dia natomboka vao haingana hikendrena ireo ho renim-pianakaviana sy ireo tera-bao any Bangladesh mba hampihenana ny aretina sy ny fahafatesan'ny reny sy ny zaza menavava.

Etazonia: Mitsangana Hanarina Ny Faharavana Ny Occupy Sandy

  30 Desambra 2012

Iray volana izay no nisian'ilay tafio-drivotra Sandy nandravarava tao Avaratra-Atsinanan'i Etazonia; na dia izany aza, mbola mitohy foana ny ezaka famonjena taorian'ity loza voajanahary ity. Raha nitady famonjena ho an'ireo fianakaviana an-jato an'arivony ny fanampiana federaly sy ny kaonseritra tahaka ny 12.12.12 nokarakarain'i Bruce Springsteen, nirotsaka an-tsehatra ihany koa ny hetsika tahaka...

Aza Manasaritaka Ny Vehivavy Ejipsiana!

Maryanne Gabbani, Kanadiana nivoaka an-tanindrazana sady bilaogera, namoaka lahatsoratra bilaogy vaovao nitondra ny lohateny hoe “Aza Manasaritaka ny Vehivavy Ejipsiana” hanaovany fanamarihana tantara roa henony vao haingana, izay nitranga tao amin'ny tanàna kely onenany. Nanomboka ny tantarany tamin'ny fijeriny ny vehivavy tao an-tanàna izy: Feno fanajàna ny vehivavy eto amin'ny...

Miteraka Fitakian-dRariny any Nepal ny Trangam-Panolanana tany Delhi

  30 Desambra 2012

Tsy nanerana an'i India ihany no niteraka fahatezerana ny tranga-na fanolanana iarahan'ny maro natao fa niteraka fanafintohinana ihany koa tamin'ny firenena manodidina azy tahaka an'i Nepal. Tsy dia misy fahasamihafany amin'ny fiaraha-monina ao Nepal loatra ny fanjakazakan'ny lehilahy any India sy any amin'ny firenena atsimon'i Azia maro raha eo amin'ny resaka...

Zanakavavin'ilay Mpanao Didy Jadona taloha no voafidy ho Filoham-Pirenena ao Korea Atsimo

  29 Desambra 2012

Tamin'ny 19 Desambra 2012, Park Geun-hye dia voafidy ho Filoham-pirenena manaraka indray ao Korea Atsimo. Izy dia avy amin'ilay antoko ila havanana Saenuri party sady zanakavavin'ilay mpanao didy jadona taloha Park Chung-hee. Na dia teo aza ireo zava-bitan'i Park amin'izao izy vehivavy voalohany voafidy ho Filoham-pirenena ao anaty fiaraha-monina izay ny lehilahy no Loholona izao, ireo tanora liam-pandrosoana sy tia fihetsiketsehana dia manohitra mafy an'i Park.

Bengladesy: Voakiana ny Haino Aman-Jery Noho ny Tsy Famonjena ireo Tra-Doza

  29 Desambra 2012

Tamin'ny 9 Desambra 2012, novonoin-ko faty tamin'ny fomba feno habibiana i Biswajit Das 24 taona, nandritra ny fotoana fanakanan-dalana adiny 8 nataon'ny mpanohitra, teo anatrehan'ny besinimaro ary koa mpanao gazety maro avy amin'ny haino aman-jery maro izay sahirana naka sary sy nandrakitra lahatsary ity loza niseho ary tsy nanao na inona na inona mba hiezaka hamonjy ity tanora amin'ity fiafarana mahatsiravina. Tohina sy alahelo no mipololotra avy amin'ny haino aman-jerim-bahoaka.

Ireo pejinay momba an i Anglisy

en