Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Aogositra, 2012
Québec : Fifidianana Solombavambahoaka Mafampàna Taorian'ny Lohataona “québécois”
Hatao amin'ny 4 Septambra 2012 izao ny fifidianana solombavam-bahoaka 2012 any Quebec. Hifidianana ireo solombavambahoaka andiany faha-40 ho ao amin'ny Antenimieram-pirenen'i Québec izy io. Ireo fitsapan-kevitra farany dia maneho fa ireo mpitaky fizakan-tena avy amin'ny antoko Parti Québécois (PQ) no mitarika. Ny adin'ny mpirahalahy eo amin'ny federalista sy ny mpitaky fizakan-tena no nandrafitra hatry ny fiainana ara-politikan'i Québec. Maneho hevitra momba ilay fitsapan-kevitra, herinandro vitsy mialoha ny fifidianana Ireo mpikirakira aterineto ao Québec.
Kyrgyzstan: Tafiditra Anelanelan'ireo Nasionalista, Manasazy Mpanao Gazety Ny Fitsarana
Mikasika ny raharaha iray niteraka adihevitra be, nosazian'ny fitsarana iray ao Kyrgyzstan tamin'ny fandoavana honitra i Vladimir Farafonov, mpanao gazety teratany Rosiana, nohon'ny famoahana lahatsoratra izay mandrisika ny fisian'ny fifankahalan'ny vahoaka iray firenena. Nizara roa ny mponina amin'ny aterineto teo amin'ny fanehoan-kevitra mikasika ny didim-pitsarana. Raha maro ireo izay mihevitra fa tokony nomena sazy somary henjankenjana ilay mpanao gazety, ny hafa kosa dia manambara fa miteraka voka-dratsy eo amin'ny fitsarana io didim-pitsarana io.
Vonjeo Ireo Toerana Lova Tandindonin-doza Ao Syria
Etsy ankilan'ny fitomboan'isan'ny maty, misy famonoana iray atao an'ireo lova ao Syria koa izao. Kely no mba resaka atao mikasika io olana io, na any anaty fampahalalam-baovao mahazatra na anatin'ireo media sosialy hoy i Thalia Rahme.
Tanzania, Etiopia: Meles Zenawi ‘Mibitsika’ Avy Any Am-Pasana
"@zittokabwe Azafady meteza ho tsaratsara kokoa noho izaho fahiny. Tsy fahafinaretana ny eto Eo am-piomanana ny handoa ny sarany amin'ny sasany amin'io aho izao." Bitsika taorian'ny fahafatesan'ny Praiministra Etopiana Meles Zenawi ho an'i Zitto Kbawe Mpikambana ao amin'ny Parlemanatera Tanzaniana nahatonga sahotaka.
Syria: Henatra Ho An'ny Fanovàna Ianao
Misy famantarana fito ho an'ireo "henatra ho an'ny fanovàna" - na fanovàna inona izany na inona. Ao amin'ny Twitter, manome ny lisitr'ireo famantarana ireo ilay Syriana @NMSyria.
Frantsa, Libanona, Syria : Ny Dia Tsy Mampinon'ny Sidina Parisy-Beyrouth
Niala tamin'ny mahazatra ny sidina Air France Paris-Beyrouth tamin'ny 15 aogositra 2012 : izay nahitàna ny masoivohon'i Frantsa ao Libanona, sy olona ambony mpanohitra an'i Bachar al Assad tao anatin'ireo mpandeha taminy, navily nankany Damas mba hameno solika ! Hiverenantsika kely ity dia feno zava-tsy nampoizina nifamahofaho ity, izay niteraka onja ara-politika vitsivitsy.
Rosia: Adim-bavy Ara-politika Manoloana Ny Pussy Riot
Niteraka adi-hevitra tsy kely eo amin'ny olona fanta-bahoaka Rosiana ny fitsarana ireo Pussy Riot, , ka tafiditra amin'izany ny gidragidra mampihomehy nisy teo amin'ny olona roa fanta-daza indrindra teo amin'ny firenena.
Hong Kong: Olompirenena Manaisotra Ireo Kanetim-Plastika Nitondraka Nandritra Ny Rivodoza
Mihoatra ny 150 taonina ny kanetim-plastika novokarin'ny SINOPEC no nitondraka tany an-dranomasina rehefa niditra tao Hong Kong ny rivodoza (Typhoon) Vicente tamin'ny 23 Jolay 2012. Saingy sady tsy nilaza ny toe-draharaha tamin'ny olona ny fitondrana ao Hong Kong no tsy nandray ny andraikitra hanao ny fanadiovana mandra-pahitan'ny olo-tsotra ny kanetim-plastika nanemotra ny tora-pasika...
Zambia: Ravan'ny Polisy Mialoha Ny Fanafihana Fankahalana Vahiny Saika Natao Tamin'ireo Kongole Mpivarotra
Nanakana izay azo lazaina ho valifaty mety nitarika fahafatesana maro sy fanafihana noho ny fankahalana teratany vahiny saiky natao an'ireo teratany avy amin'ny mpiray vodirindrina aminy, Repoblika Demokratikan'i Kongo, monina any Zambia, taorian'ny fandoran-ko faty ny mpamily Zambiana iray tany amin'ny tanàna Kongole any amin'ny sisintany any Kasumbalesa, izay nahatafiditra azy taminà loza iray nahafatesana olona roa, ny sampana mpampihatra ny lalàna Zambiana teo anelanelan'ny 7 - 10 Jolay.
Afrika: Hialàna Amin'ny Ozon'ny Harena An-kibon'ny Tany
Maninona ireo firenena Afrikana feno harena an-kibon'ny tany tahaka ny Repoblika Demokratikan'i Kongô, Nizeria na Madagasikara raha tsy hilaza afa-tsy vitsivitsy, no tratran'ny fahantrana tsy fahita any ankoatra ihany koa? Izany no hevitr'ilay ozon'ny harena an-kibon'ny tany, izay nanimba firenena maro tany Afrika ambanin'i Sahara.