Tantara mikasika ny Shinoa tamin'ny Mey, 2012
Shina, Filipina: Mihenjana Ny Tadin-dokanga Momba Ny Fiandriananm-pirenena Ao Scarborough Shoal
Niakatra ny maripàna eo amin'ny fifanolanan'i Shina sy Filipina momba ny fifandroritana ny fari-dranon'i Scarborough Shoal na ny Nosy Huangyan, miaraka amin'ny filazan'ny fampahalalam-baovao eo ambany fitantanan'ny fanjakàna Shinoa izay niteny fa tsy afaka ny handefitra intsony i Shina amin'ny fisian'ireo sambo mpiady avy any Filipina ao amin'ny fari-dranomasina atsimon'i Shina.
Shina: Voasambotra Ilay Vehivavy Mahery Fo Tao Ambadik'ilay Fitsoahan'i Chen Guangcheng
Voasambotra i He Peirong, Shinoa iray mafana fo nanampy an'ilay jamba mafana fo amin'ny zon'olombelona sady mpisolovava, Chen Guangcheng hitsoaka ny fanaraha-maso akaiky azy.
Hong Kong: Ampangain'ny Evanjelisitra Ho Mamery Ny Tanora i Lady Gaga
Mitety an'i Azia mitondra ny antontan-kira ‘Born this Way Ball’ amin'izao fotoana izao ilay mpanoratra hira sy mpihira Amerikana Lady Gaga. Efa voapetraka ho amin'ny 2 mey sy 7 mey 2012 ny fampisehoana hotontosaina any Hong Kong. Nametraka adihevitra tao amin'ny fiarahamonina tao an-toerana ny vondrona evanjelisitra iray manohitra ny fahatongavany...