Tantara mikasika ny Shinoa tamin'ny Jolay, 2010
Taiwan: Tanimbary goavana teo ivelan'ny trano fiasàn'ny Filoha
Ny faha 18 Jolay, ho fanoherana ny Lalàna famerenana ny tany amin'ny fanjakana dia navadik'ireo tantsaha Taiwanese ho toy ny tanimbary midadasika ny lalambe migodana manoloana ny trano fiasàn'ny Filoha, fa tsy hoe hanao zaridainan'ny tanàna.
Hong Kong: Mifanentana hiaro ny moron-dranomasin'i Tai Long Wan ny mponina
Olona maro no mihevitra fa ala-tsimenitra no mandrafitra an'i Hong Kong noho ireo tranobe mijoalajoala ao aminy. Saigy ny zava-misy dia faritra tsy misy fivoarana ny 75 % n'ny velarantany amin'io tanàna io amin'ny ankapobeny. Endrika navelan'ny tantaran'ny fanjanahan-tany tsy niniana natao io, rehefa niezaka hampaharitra ny famatsiana rano tao an-tanàna...
Sina : Hividy ny petra-bolan'ny BP ? Azony atao
Any Beijing androany ny sekretera vahiny Britanika William Hague, ary mitatitra ireo haino aman-jery Sinoa amin'ny aterineto fa hivarotra ireo fananan'i BP amin'ni Sina no tanjon'ny diany avy amin'ireo fitantanana Amerikana latina. Ratsy ireo fanakianana amin'ireo tolo-kevitr'ireo mponina amin'ny aterineto mba hanampiana ny fifanarahana amin'ireo resaka amin'ny fifanakalozana.
Sina: Nanaisotra ny blaogin'ireo be mpanaraka tamin'ny aterineto ny Sohu.com
Nanala mpitoraka blaogy mihoatra ny zato tao amin'ny fanaovany tolotra hitorahan'ny olona blaoginy ny 14 Jolay 2010 lasa teo ny Sohu.com, iray amin'ireo vavahadin'ny tranonkala malaza any Sina . Maro tamin'izy ireo no manana ny lanjany amin'ny fahaizany mandresy lahatra ny olona, ireo mpanao politika tsy mitovy hevitra ary ireo mafana...
Sina: Mandranitra ireo olom-pirenena any Guangzhou ny soso-kevitra hampiasàna bebe kokoa ny teny Mandariny amin'ireo fandaharan'ny fahitalavitra
Nisy soso-kevitra vao haingana amin'ny hampiasàna indray ny teny Mandariny fa tsy Kantone intsony any amin'ireo fandaharam-baovao amin'ny fahitalavitra any Guangzhou, renivohitry ny faritany Sinoa Guangdong, dia nolavin'ireo mponina ao an-toerana mafy.
Sina: Firenena matanjaka, mponina mahantra
Nanambara ny fampielezam-peom-panjakana CCTV tamin'ny faha 28 Jona fa manantena ny hahazo hatramin'ny 8 arivo lavitrisa yuan ($1.18 arivo lavitrisa) i Sina hatramin'ny faran'ny taona 2010. Izany tarehimarika izany dia hampiakatra azy ho laharana faharoa amin'ny firenena lehibe indrindra aorian'i Etazonia raha ny vola miditra no jerena. Toa hita fa...
Sina: Maninona no dia osa ny baolina kitra Sinoa?
Teo aloha kely teo ny New York Times dia nametra-panontaniana mikasika ny hoe ” maninona i Sina no any amin'ny laharana farany raha ny baolina kitra no jerena, raha tena misetrasetra kosa izy amin'ny fanatanjahan-tena Olympika maro hafa? ” ary manasa manampahaizana maro izy ireo hamaly izany. Fanontaniana maro sy...