Tantara mikasika ny Katalana tamin'ny Novambra, 2012
Espaina: Tsy Ampy Taona Nodarohan'ny Polisin'ny Katalonia, Antso Hialàn'ny Minisitra
Ny fampiasana hery nataon'ny vondron-kery polisin'i Katalonia antsoina hoe Els Mossos d’Esquadra [ca], nandritra ny fitokonambe [ca] tamin'ny 14 Novambra 2012 (#14N [ca]) no niteraka onjam-panamelohana an-tserasera. Niteraka fametrahana fanangona-tsonia [ca] ho fialan'ny minisitry ny atitanin'i Katalonia, Felip Puig, avy amin'ny antoko politika rezionaly efatra ity toe-draharaha nitranga tao antenantenan'ny fampielezan-kevitra manantantara ity.
Espaina: Fifidianana Katalana – “Garcia Avokoa Izahay Rehetra”
Mitodi-doha mankany amin'ny biraom-pifidianana indray androany alahady, 25 Novambra 2012 ny any Katalonia izay ao raha mitokozihitra ny eo amin'ny toekarena ary mavaivay ny adihevitra momba ny fisintahana amin'i Espaina. Nanomboka tamin'ny alalan'ny lahatsary mampiady hevitra nivoaka tao amin'ny fantsona Youtube an'ny Antokom-Bahoakan'ny Katalana [es] (Partit Popular de Catalunya na PPC) izay mpitàna ny firaisampirenena ny fampielezan-kevitra, izay nifantoka indrindra tamin'ny adihevitra momba ny fahaleovantena [fr] tamin'ny herinandro lasa teo.
Nosivanin'ny La Vanguardia Ny Bilaogy Iray Niresaka Momba Ny Fitokonana Tsy Hihinan-kanina Tao Amin'ny Telefónica
Ramatoa Katalana mpanao gazety i Lali Sandiumenge izay nanaisotra ny bilaoginy tao amin'ny La Vanguardia taorian'ny nanivànan'ilay gazety ny lahatsoratra iray niresahany ny fitokonana tsy hihinan-kanina ataon'ireo mpiasa ao amin'ny Telefónica ao Barcelone sy ny fampiasàn-dry zareo ireo tambajotra sosialy mba hampahafantarana ny fitakiany.
Espaina: Nandefa Lahatsary Mampiady Hevitra ny Antokon'ny Fampiraisam-Pirenena Katalana
Handeha handatsa-bato ny Katalana amin'ny 25 Novambra 2012 hoavy izao, izay fifidianana naroso alohan'ny fotoana. Taorian'ny 11 Septambra nisian'ny famoriam-bahoaka mpitaky ny fahaleovantena tao Barcelona, izay olona maherin'ny iray tapitrisa no tonga nidina an-dalambe hitaky ny fisarahan'i Katalonia amin'i Espaina, toa lasa karazana fankalazam-bahoaka hametrahana an'i Katalonia ho firenena (antenaina ho) mahaleotena...
Fandaharan'ny TV Katalana Momba Ny Fahaleovantenan'i Katalonia Hiala Amin'i Espaina Miteraka Adihevitra Be
Vao haingana izay no nandefa fandaharana fampahalalam-baovao manokana antsoina hoe "Independence, step by step" ilay fahitalavitra Katalana, TV3. Niteraka adihevitra mafonja be izany anatinà fotoana mafana raha ny mikasika ny politika Katalana, tsy ela alohan'ny fifidianana izay raisina ho fahalavorariana amin'ny fahaleovantenan'i Katalona avy any Espaina.