Tantara mikasika ny Bahasa tamin'ny Avrily, 2011
Indonezia: Môske-n'ny polisy nokendrena mpanapoaka tena
Nisy mpanapoaka ny tenany amin'ny baomba iray nanafika ny môskea Adz-Zikro izay ao anatina faritra marolafin'ny polisy ao an-tanànan'i Cirebon tany Indonezia tamin'ny Zoma 15 Aprily lasa teo. Indreto ny tora-pon'ny mpamaham-bolongana vitsivitsy.
Manohana Ilay ‘Mpitandro Filaminana Mandihy’ Ny Indoneziana Mpampiasa Aterineto
Ny lahatsarina mpitandro filaminana avy any amin'ny faritra, mandihy sy manaraka amin'ny molony ilay feon-kiran'ny hira Indiana any Bollywood dia fankasitrahana tanteraka ny aterineto sy media any Indonezia. Nanasazy ilay mpitandro filaminana ireo manam-pahefana tamin'ny nandraketany ny fihetsiny teo am-pantanterahana ny asany nefa ireo mpampiasa aterineto dia naneho ny fanohanan'izy ireo ilay 'mpitandro filaminana mandihy'.
Indonezia: Nanome baiko ny Minisitra ny hamindrana ny sarivongan'i Bouddha ao Indonezia
Lasa nampametra-panontaniana ny finiavan'i Indonezia hampiroborobo ny fifandeferana raha nanome baiko ny minisitry ny Raharaham-bahiny handrava ny sarivongana lehibe bodhista an'ny fiangonana bodhista « Tri Ratna » ao an-tanànan'i Tanjungbalai [@ teny anglisy] andrefan'i Sumatra, satria nitaraina tamin'ny fahatongavany ireo fondamentalista ao an-toerana. Volana maromaro izay, ireo mpitarika finoana sy...