Tantara mikasika ny Arabo tamin'ny Febroary, 2014
Mpanao Sariitatra Alzeriana Miatrika 18 Volana An-tranomaizina Satria Voalaza Fa Nanimbazimba Ny Filoha
Miatrika sazy 18 volana an-tranomaizaina i Ghanem noho ny sariitatra iray mbola tsy navoaka misy ny sarin'ny filoha Alzeriana, Abdelaziz Bouteflika ary nolazain'ny manampahefana fa manaraby azy.
Tonizia: Mpiserasera Facebook Nigadra Nahazo Famindra-Po, Famotsorana Tsy Voamarina
Nomena famindram-po noho ny famoahana sariitatry ny mpaminany Muhammad i Jabeur Mejri, hoy ny fanambaran'ny fiadidiana ny filohan'ny repoblika tamin'ny alarobia 19 febroary 2014.
Miverina Amin'ny Fahitalavitra Indray Ilay Ejipsiana Mpananihany Bassem Youssef
Miverina ao amin'ny MBC Masr ny sehom-pananihanin'ilay Ejipsiana Bassem Youssef, rehefa naato tao amin'ny CBC tamin'ny herintaona.
Fanentanana Fitakiana Fitovian-jom-pirenena Eo Amin'ny Lahy sy sy Vavy Saodiana
Eo an-dalana ny fanentanana izay mikendry ny hahafahan'ireo ankizy natera-behivavy Saodiana hahazo zom-pirenena Saodiana
Sakanan'ny Sazy Amerikana Ny Fianarana Antserasera “Coursera” Ao Syria, Iran ary Kiobà (Vaovao Farany)
Niharan'ny sazy Amerikana, tsy afaka niditra tao amin'ny Coursera, sehatra fianarana antserasera intsony ireo mpianatra avy ao Syria, Sodàna, Iran ary Kiobà
Mampihataka Ireo Vondrom-pivavahana Ho Ivelan'ny Lalàna Ny Mpanjaka Saodiana
Namoaka didi-hitsivolana izay manery sazy an-tranomaizina hoan'ireo Saodiana miady ivelan'ny firenena sy hoan'ireo "mpikambana amin'ny vondrom-pivavahana sy mahery fihetsika" ny mpanjakan'i Arabia Saodita Abdallah. Niteraka fanehoan-kevitra isan-karazany tao amin'ny tambajotra fampahalalam-baovao an'olo-tsotra izany didim-panjakana izany
Ireo Ankizy Mpanakanto Ao Amin'ny Tobim-pialokalofana “Colors from the Zaatari”
Nampiseho ny maha-mpanakanto azy ireo ankizy Syriana ao amin'ny tobim-pialokalofana any Zaatari any amin'ny sisin-tany iraisan'i Syria sy Jordania, hoy ny Syria Untold.
Ataon'ny Lalàna Manohitra Ny Fampihorohoroana Ao Ejipta Lasibatra Ny Aterineto
Ho arahi-maso akaiky ny Facebook, ankoatra ny tranonkala hafa, rehefa mihatra ny tolo-dalàna "manohitra ny fampihorohoroana".