Dia Miaraka Amin'ireo Mpitsoa-ponenana Mamakivaky An'i Hongria Ho Any Eoropa

Refugees crowd a road in Budapest, Hungary. September 4, 2015. Photo by International Federation of Red Cross and Red Crescent, CC 2.0.

Mpitsoa-ponenana mameno arabe ao Budapest, Hongria. 4 Septambra 2015. Sary an'ny Federasiona Iraisampirenenan'ny Vokovoko Mena sy Tsinambolana Mena, CC 2.0.

Matetika ireo mpitsoa-ponenana hiditra ny “Lapa Tsara Aro Eoropa” mamakivaky ny Balkàna no mandalo ao Hongria, toerana izay nandraisan'ny governemanta fepetra hanangana fefy hanakanana ireo mpifindra monina tsy niriana. Na tsy nisy aza ny fefy, efa nitondra zava-doza ho an'ilay faritra ny sakantsakana efa nisy  tamin'ny fiampitàna ho any amin'ny Fiombonambe Eoropeana, nisy 71 ireo mpitsoa-ponenana hita maty tao anaty fiarabe Hongroà iray tao Aotrisy tamin'ny faran'ny volana Aogositra.

Arakaraky ny nitomboan'ireo takelaka be fampielezankevitry ny governemanta hanoherany ny antsoiny hoe ‘mpifindra monina’ sy ny ady atao hanoherana ny mpitsoa-ponenana, nanomboka nifantoka bebe kokoa amin'ny olan'ny mpitsoa-ponenana tsy voafehy ao amin'ny firenena ireo media Hongroà mpamoaka vaovao. Nanomboka nitsofoka nifangaro tamin'ireo mpitsoa-ponenana ny mpanao gazety, hitondra endrika ho ao anatin'ny tantara iray izay nezahan'ny governemanta nofehezina ho toy ny firohotana faobe ataon'ireo olona tsy niriana, ireo mpifindra monina tsy ara-dalàna mikatsaka ny hisovoka ny asa tokony ho an'ireo olom-pirenena.

Ny 6 Aogositra, nandray ny diany avy any Gresy ho any Hongria i György Kakuk ary nitatitra tao amin'ny pejiny Facebook sy lahatsoratra anaty bilaogy izay rehetra niainany teny amin'ny làlana rehetra nolalovany. Ity no nosoratany rehefa namelabelatra ny diany izy :

Androany aho no nanomboka ny dia izay tsy mahazatra loatra hiverina ho any Hongria, avy any avaratr'i Gresy, nanaraka ny El Camino vaovao amin'ny taonjatontsika. Mandrakotra ny vaovao momba ny làlana izoran'ireo mpitsoa-ponenana mizotra ho any Eoropa aho. Ezahako ny mitatitra ny dian-dry zareo mamakivaky ny Balkàna. Hanakatra ny hoe iza marina izy ireo, inona avy no antenainy, ny tahotra ary ny nofinofin-dry zareo. Ao anatin'ity toe-draharaha politika sy filazam-baovao misamboaravoara ary manahirana ity, nisafidy ny ho iray amin'izy ireny aho ary misedra izay sedrainy isaky ny kilaometatra iray amin'ny dian-dry zareo. Miraria Karma tsara ho ahy!

Ity no tatitra voalohany nataon'ilay mpanao gazety mpanadihady, manoratra ho an'ny  Atlatszo.hu, izay niampita ny sisintany avy ao Serbia, talohan'ny nananganana ilay fefy tariby misy tsilo :

Natombokay tamin'ny fanarahana ny làlambe iray be mpampiasa indrindra tany amin'ny ilany Serba, izay toerana tena fametrahan'ireo fiara mpitatitra ny ankamaroan'ireo mpifindra monina sy amelàny azy ireo hanohy ny làlany. Miainga avy eo, tsy maintsy mitety ala ry zareo, matevina misy lobolobo, fiampitàna renirano mampidi-doza, hatraminà ampahan-dàlana izay misy hazo toa niniana nazera amin'ny làlana mba hanasarotra kokoa ny fiampitàna. Ho anay, ora enina be izao tsara mihitsy no lany tao anaty hafanàna efa hanakaiky ny 40 °C; tafavoaka niaraka taminà rangotra kely sy mangana izahay ary rakotra kaikitra moka.

Na ny  Kaomisarià Ambony Ao amin'ny Firenena Mikambana Misahana ny Mpitsoa-ponenana, na ilay fanangonan-tsonia malaza ho an'ny BBC, dia samy nanosika daholo ny hampiasàna ny teny hoe “mpitsoa-ponenana” fa tsy “mpifindra monina,” izay mitaky amin'ireo fanjakàna mandray ireny olona ireny ny fampiharana fandraisana andraikitra samihafa manoloana ny lalàna.

Tantarain’ i Kakuk ity tantara manaraka ity, izay tsy zava-baovao ho an'ireo olona mpitsoa-ponenana amin'izao fotoana miditra any Eoropa:

Tanora Hongroà mpivady, tao amin'ny Railjet ho any Alemaina. Mizotra hody ‘an-trano’ izy ireo, tapitra ny fialantsasatra.

- Mety ho tsara be izany saingy be loatra ireo mpifindra monina, – hoy ilay ramatoa.
– Mpitsoa-ponenana – hoy aho niteny moramora.
– ?
– Mpitsoa-ponenana ry zareo. Ny mpifindra monina dia ianao sy ny vadinao.
Nangiana daholo.


Raha te-hanaraka ny fiainan'ireo mpitsoa-ponenana ao Hongria ianao, ny Budapest Seen dia diarin-tsary iray ahitàna ireo mpitsoa-ponenana ao Budapest. Ny Migration Aid dia mpirotsaka an-tsitrapo manampy ireo mpitsoa-ponenana miaina amin'ireo toerana vonjimaika nametrahana azy. Ny Hungarian Helsinki Committee dia iray amin'ireo ONG manohana sy manaraka ireo mpitsoa-ponenana ao Hongria.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.