Olona Mitovy Taovam-pananahana: Fanambadiana Voalohany Nankalazaina Tao Puerto Rico

The US Supreme Court's ruling not only declared marriage equality in the United States, but also declared it for Puerto Rico, too. Image by José Madera, used with permission.

Tsy ao Etazonia irery no namoahan'ny Fitsarana Antampony Amerikana ny fitoviana manoloana ny resaka fanambadiana, fa ho an'i Puerto Rico ihany koa. Sary avy amin'i José Madera, nahazoana alàlana ny fampiasàna azy.

Ny 26 Jona, taorian'ny namoahan'ny Fitsarana Antampony ao Etazonia ny lalàna momba fitovian'ny rehetra amin'ny resaka fananganan-tokantrano manerana ny firenena,  nanambara ny governemanta ao Puerto Rico fa mety hanomboka ireo dingana ilaina ihany koa mba hanarahana izay fanapahankevitry ny fitsarana izay.

Ny Alahady 16 Aogositra no nivoahan'ny vokatra, rehefa nilaza ho fanta-poko fanta-pirenena ny fifanekeny ireo olona 60 mitovy taovam-pananahana nifanambady, nandritry ny mariazy miara-mizotra tao Old San Juan, tanaty orambe izay nirina rahateo ny hiaviany. Ireo mafàna fo, Ivonne Álvarez sy Ada Conde, izay nanao ny mariaziny tamin'io mariazy miara-mizotra natao ny Alahady io ihany, no nikarakara ilay hetsika.

Tsy nahasakana velively ny fanahin'ireo olona nifamory tao ny orana. Taorian'ny volana maro nisian'ny haintany, tsodrano aza no nandraisan'ny sasany azy iny nandritry ny lanonana fankalazàna:

Inona indray no ho fanomezana tsara indrindra avy amin'Andriamanitra ho an'ireo pelaka, afatsy ny vintana hitsinjaka anaty orana nandritry ny haintany.

Nizotra tsy nisy tomika ny raharaha, na teo aza ireo vondron'olona nanao hetsi-panoherana teo akaiky teo, izay ny maro dia avy amin'ny fikambanana ara-pinoana manohitra ny fanambadian'ireo mitovy taovam-pananahana. Tsy maintsy lazaina, na izany aza, fa nisy ihany koa ny solontena avy amin'ireo antokom-pinoana hafa sy ny Kristiana maro an'isa (raha tsy hilaza afatsy ny Pastafarians, izay “mino” ilay Flying Spaghetti Monster malaza) izay tsy hoe fotsiny nanohana ny fanorenan-tokantrano tamin'ny fanatrehany, fa koa nanome tsodrano ho an'ireo fiombonana tamin'ny alàlan'ny fitarihana ny fotoana ho an'ireo mariazy sasany.

For many, it was the first time they could express their feelings about each other so openly. Image by José Madera, used with permission.

For many, it was the first time they could express their feelings about each other so openly. Image by José Madera, used with permission.

Ho an'ireo nahatanteraka ny mariaziny tamin'izay andro izay, tena tsaroan'ny aina ho latsaka anaty tokoa ny zavatra niainana. Efa niaraka niaina nandritry ny taona maro ny sasany ary ny vitsivitsy dia efa niaraka nanangana zaza, zavabita nahazendana, raha jerena ny maha-fiarahamonina fatra-pifikitra amin'ny nentin-drazana ny ao Puerto Rico.

Mbola miraikitra be ao an-tsaina ny fihetsehampo nananan'ireo mpisolovava ny mariazin'ireo mitovy taovam-pananahana fony sambany nambaran'ny Fitsarana Antampony ilay didy — hafaliana tsy omby tratra no sady toa tsy nino ihany koa, toy izay ambaran'ity bitsika manaraka ity :

Tsy mampino ny hiaina mba hilaza azy ity : i Etazonia iray manontolo sy Puerto Rico samy manaiky ny fanambadiana ho an'ireo mitovy taovam-pananahana.

Tamin'izay fotoana izay, niantso ny olona hanohy hitolona ho an'ny fitoviana tanteraka i Amárilis Pagán (@AmarilisPagan), mpitondra teny mpiaro ny zon'ireo vavy tia vavy, ny pelaka ary ireo manana taova roa, ny nanova taova (LGBTQ) sady tale mpanatanteraky ny Proyecto Matria :

Tapitra! Ankehitriny ndeha isika hiatrika ny fandaharam-potoanan'ireo vavy tia vavy, ny pelaka sy ireo manana taova roa ary ny nanova taova (LGBTT) : fananganana zaza, fiainana tsy misy herisetra, fahafahana mahazo fitsaboana sy ny maro hafa.

Pedro Julio Serrano, mpisolovava mpiaro zon'olombelona, dia nankalaza ny fahafahan'ireo mitovy taovam-pananahana hifanambady ao Puerto Rico, nefa koa nampahatsiahy ny olona momba ireo hafa mpikambana ao anatin'ny vondrom-piarahamonin'ny LGBT izay tsy mbola nahazo fankatoavana ny zony araka ny lalàna :

…queda lograr, entre muchas otras luchas, que las personas transgéneros y transexuales puedan ir a este mismo Registro Demográfico, que hoy hace historia, para que puedan atemperar sus certificados de nacimiento con el género que les pertenece. Es lo justo, es lo correcto y es tan inevitable como el día que hoy vivimos.

…Mbola ilaintsika ny mahatontosa, ankoatra ny tolona hafa, hoe mba ho afaka mankany amin'ny Rejisitra Demaokratika mitovy amin'ny rehetra ireo nanova taovam-pananahana, izay manoratra ny tantara amin'ity anio ity, amin'izay koa izy ireny mba ho afaka hanitsy ny kopiam-pahaterahany hifanaraka amin'ny mahalahy na mahavavy azy. Rariny izany, zo ary zavatra tsy azo ialàna toy izao andro iainantsika ankehitriny izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.