Ahoana no nahafahan'ny olona 1500 nanakatona vonjimaika ny toby fitrandrahana ao Eoropa mpandoto amin'ny etona CO2 indrindra

Photographer: Ruben Neugebauer

Naka ny sary: Ruben Neugebauer

Ity lahatsoratra ity dia nalaina tamin'ny tantara nosoratan'i Melanie Mattauch ho an'ny 350.org, fikambanana manatontosa hetsika manerantany misahana ny toetr'andro, ary navoaka indray ato amin'ny Global Voices noho ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Olona manodidina ny 1500 no niainga vao maraimbe indray asabotsy tao amin'ny tobim-piarovana toetrandro ao amin'ny faritr'i Rhineland ao Alemaina mba hiezaka hitsofoka ao amin'ny banja an-kalamanjana fitrandrahana linita (arintan-javamaniry mbola niofo tsara) an'ny Garzweiler ary hanakana ireo fiara goavambe mpitrongy tany marobe.

Ny fitrandrahana linita sy ny tobin'herinaratra an'ny orinasa RWE ao Rhineland no mpamoaka gazy karbonika CO2 betsaka indrindra ao Eoropa. Miorina ao avokoa ny telo amin'ireo tobin'herinaratra dimy mpandoto tontolo iainana indrindra ao Eoropa.

Vao haingana ny fitondrana Alemàna no nitsoa-pahana tamin'ny tetikasa fametrahana hetra amin'ny etona CO2 vokarin'ireo toby mpitrandraka linita mpandoto tontolo iainana be indrindra. Ary ny nataony indray ary dia ny nandraisana ny fanapahan-kevitra natolotr'ireo mpandraharaha goavana amin'ny fitrandrahana linita avy ao amin'ny RWE sy ny Vattenfall hanao ny ‘tahirim-patra’  indray no nataony, izay mametraka indray ireo mpanjifa sy ny mpandoa hetra handoa vola amin'ireo mpandoto tontolo iainana amin'ny fampiatoana ny toby sasantsasany hampihenana araka ny nilaina ny famoahana etona.

Niainga avy any amin'ny toerana misy azy avy any ny olona manerana an'i Eoropa izay tsy vonona intsony hijery ireo mpanao politika tsy mahavita mandray fepetra momba ny fikorontanan'ny toetr'andro ka nirohotra tany Rhineland hanatevin-daharana ny hetsika tsy fankatoavan'ny sivily marobe milaza hoe ‘hatreto tsy mitohy intsony’ na ‘Ende Gelände’ .

Nizara isam-bondrona maromaro ireo mpikatroka nanatona ny toby avy amin'ny vazantany rehetra ahafahana mitsofoka ao. Tsy maintsy mandalo lalambe sy toerana isan-karazany misy polisy ny fidirana ao amin'ny toby fitrandrahana. Nahitana polisy 1.000 teny an-toerana, ankoatra ireo mpiambina manokan'ny RWE .

Photographer: Paul Wagner

Sary avy amin'i Paul Wagner

Photographer: Paul Wagner

Sary avy amin'i Paul Wagner

Tao an-toerana, tsy mifandanja tamin'ny nataon'ireo mpikatroka nivonona tsy hanao herisetra ny fihetsiky ny polisy, satria nampiasa tifitra ranon-dipoavatra sy vely kibay variraraka avy hatrany ny polisy. Nilamina anefa ireo mpikatroka ary nikasa mbola hiverina hiditra indray

Photographer: Tim Wagner

Sary: Tim Wagner

Mpihanika roa no nihantona tao amin'ny tetezana iray miampita lalambe iray mba hanakanana vonjimaika ny lalana ahafahan'ny vondrona farany tsy nila niezaka be mba hafahana miampita milamina.

Photo: Ende Gelände

Sary: Ende Gelände

Photographer: Paul Wagner

Sary: Paul Wagner

Olona manodidina ny 1.000 teo no tafiditra tao amin'ny toby fitrandrahana ary nanery ny RWE hampitsahatra ireo mpitrongy tany. 220 metatra ny halavan'ireo Bagger 228 mpitrongy tany ary anisan'ny fiara an-tanety goavana indrindra manerantany izany.

Photographer: Ruben Neugebauer

Sary: Ruben Neugebauer

Photographer: Paul Wagner

Sary: Paul Wagner

Nahavita nihanika tamin'ny iray tamin'ireo mpitrongy tany ireo ny vondrona iray, ny vondrona hafa kosa voahodidin'ny polisy ka nijanona tao nandritra ny ora maro miaraka amin'ireo mpitrongy tany tsy miasa manodidina azy ireo. Niato tanteraka niaraka tamin'ny fampanajanonana ireo milina mpanisaka tany ny asa tao amin'ny toby fitrandrahana. Noesorina teo amin'ny toerana ireo mpanao gazety .

Photographer: Tim Wagner

Sary: Tim Wagner

Photographer: Paul Wagner

Sary: Paul Wagner

Photographer: Ruben Neugebauer

Sary: Ruben Neugebauer

Amin'ireo solika fandrehitra milevina ambanin'ny tany dia ny linita no misy fiantraikany ratsy indrindra eo amin'ny toetrandro. Mahery ny fanoheran'ny mponina ao an-toerana ny fandotoana ny rano sy ny rivotra avy amin'ny fitrandrahana arintany, ny famindram-ponenana an-katerena nahazo ny fokonolona iray manontolo sy ny famotehana ny tontolo iainana. Nandritra ny telo taona farany, imbetsaka nibodo ny alan'i Hambach hampitsaharana ny fikapàna azy hanitarana ny toby fitrandrahana ireo mpikatroka eny ifotony.

Photographer: Ruben Neugebauer

Sary: Ruben Neugebauer

Nandany fotoana ela ny polisy tamin'ny fanesorana ireo mpikatroka. Niara-niasa tamin'ireo mpiambina manokana ny RWE izy ireo ary nampiasa ny fiaran'ny RWE izay afaka miditra ao amin'ny toby fitrandrahana. Ny tolakandro, olona 800 no nanatevin-daharana ny fihetsiketseham-piraisankina teo ivelan'ny toby fitrandrahana.

Nandao ny toerana na noesorina tao amin'ny toby fitrandrahana mialoha ny filentehan'ny masoandro ireo mpikatroka rehetra ary miisa 240 ireo nentina tany amin'ny biraon'ny polisy ao an-toerana. Navotsotra ny alina ihany ireo rehetra nandray anjara tamin'ny hetsika. Nanambara ny RWE fa mikasa hametraka fitoriana 797 noho ny fidirana antsokosoko tao aminy.

Photographer: Paul Wagner

Sary avy amin'i Paul Wagner

Photographer: Paul Wagner

Sary: Paul Wagner

Niverina tao amin'ny tobiny tamim-pifaliana ny olona na dia maro aza ireo naratra tamin'ny tifitra ranon-tsakay sy vely kibay. Sambany nandray anjara tamin'ny hetsika tsy fankatoavan'ny sivily ny maro tamin'ireo nanatevin-daharana ny hetsika. Mpandray anjara iray avy namonjy ny hetsika nilaza fa sambany teo amin'ny fiainany izao ary nahatsiaro ho mahazo hery tanteraka izy.

Photographer: Ruben Neugebauer

Sary: Ruben Neugebauer

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.