Rajako Japoney “Tsara Tarehy”: Fihetseham-pon'ny Media Sosialy

Lasa ventin-dresaka iraisam-pirenena teny anaty fifanankalozan-kevitra ì Shabani, “Ikemen Rajako”-n'i Nagoy !

Miaraka amin'ny fijery sy fipetraka manaitra toy ny an'ny lasibika ary ireo maso milaza zavatra, Shabani no antony mampidoboka miaraka ny fon'ireo ankizivavy ao Japana.

Saingy tsy mpilalao sarimihetsika vao misandratra na lasibika miaka-tsehatra akory i Shabani.

Mponina ao amin'ny Valan-javaboahary sy Zaridaina Botanika  Higashiyama ao Nagoya nanomboka ny taona 2007, rajako Ostraliana iray i Shabani izay nanjary nampihetsi-po noho ireo masony manaitra sy bikany toy ny lasibika tsara tarehy

Ny anaram-bositr'i Shabani ve? Rajako “ikemen” no ahalalàna azy any Japana. Ny teny “ikemen” dia midika “bandy mahataratara” any Japana

 

Tsara jerena sy tsotra be no sady eo am-pihinanana tongolo ihany

Ankoatra ny fisarihana tsy tapaka andian-tanora tovovavy mpitsidika babon'ny hatsaran-tarehin'i Shabani sy ny firodorodoana hisarika ny sainy, lasa niparitaka be tao amin'ny media sosialy i Shabani.

Nizara sary isankarazany ireo mpampiasa aterineto, amin'ny fanehoankevitra momba ny hatsaran-tarehiny.

Tsara tarehy ny lamosiny toa volafotsy!

Niampita ny sisintanin'i Japana ny fahalianana amin'i Shabani ankehitriny. Na izany aza,  mifamahofaho ny fanehoan-kevitra avy any Andrefana momba ilay rajako .

Raha mino ireo sasany mpampiasa Twitter fa afaka hanjaka amin'ny sehatra manerantany i Shabani raha tiany…..

manaitaitra kokoa noho ny ankamaroan'ireo tovolahy sakaizako fahiny ity rajako ity.

…ireo hafa mpampiasa Twitter avy any ivelan'i Japana nanoratra ity sombin-tantara iray hafa ity: “Japana Hafahafa”

Oh noho ny resa-body, MARINA ve, Japana? Izany no mahatonga izao tontolo izao ho  hafahafa aminao. Ajanony izany!

Ankoatra izany, misy ireo mihevitra fa tsy mitombina mihitsy ilay fomba fijery hoe  “Japana Hafahafa”

Hiroko Tabuchi, mpanao gazety ao amin'ny The New York Times, izay zatra nandrakotra ireo vaovao avy any Japana, manan-kambara toy izao:

#BSAlert: Vehivavy taitram-pilàna aminà rajako tsara tarehy any Japana “toerana izay amoahan'ny tatitra fa maro ny tanora no tsy liana amin'ny fampiarahana”

Mety hanoratra/hino izany momba ny vehivavy ao amin'ny firenenao ve ianao? Mahatsikaiky ilay tantara hafahafa noforonina izay natao momba ny fitiavana/firaisana ara-nofo any Japana.

Indrisy anefa ho an'ireo mpankafy azy, efa vita resaka ny momba izany ho an'i Shabani

Izy no lahin'ny rajako vavy roa, Ai sy Nene, ao amin'ny valan-javaboaharin'i Higashiyama, sady rain'ireo zanany roa, lahy sy vavy

Ankoatra izany, toa tsy tonga saina tanteraka, na farafaharatsiny, tsy miraharaha ny làzany sy ny fitomboan'ny fahalinana aminy ilay rajako

Hmm… Ikeman iray? Manontany tena aho raha mba matsiro izany…?

2 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.