Mponin'i Tbilisi, Zeorzia : Mivoaka Mitaky Ny Sisin-dàlana Amin'ireo Mpamily Tia Tena

Cars frequently infringe on pavement space in Tbilisi, Georgia. Photo from the Erekle Urushadze/Transparency International Georgia)

Fiara manitsakitsaka matetika ny làlan'ny mpandeha an-tongotra ao Tbilisi, Zeorzia.Sary avy amin'ny bilaogin'ny “Transparency International Georgia”.

Nanao fanentanana tety anaty aterineto ireo mponina ao Tbilisi, renivohitra Zeorziana, mba hanesorana ireo fiara amin'ny sisin-dàlan-dry zareo, ho setrin'ny toe-draharaha manahirana manjo ny mpandeha an-tongotra ao an-tanàna.

Vao haingana, tao anaty lahatsoratra iray tanaty bilaogy, nofintinin'ny “Transparency International Georgia” toy izao ny olana tao an-tanàna :

Matetika ny olona tsirairay ao Tbilisi no mifanehatra aminà toe-draharaha iray izay azo lazaina ho manakaiky ny tsy fahafahana mampiasa mihitsy ny sisin-dàlana ao an-tànana noho ny fiantsonan'ny fiara eny. Raha toa io toe-draharaha io ka mahatonga tsy fahazoana aina ho an'ny tsirairay mivezivezy ao Tbilisi, dia miteraka olana manokana kosa ho an'ireo olona manana tsy fahatomombanana izay mikorisa aminà seza ka hatramin'ireo olona manosika zaza anaty kalesy kely.

Araka ny lazain'i Gela Kvashilava, Filohan'ny Filankevi-pitantànan'ilay ONG Zeorziana ‘”Partnership for Road Safety” (fiaraha-miombon'antoka hisian'ny fitoniana eny an-dalàm-be), izay niresaka tamin'ny mpanoratra ny volana Jolay tamin'ity taona ity, fa vao mainka hamafisin'ny tsy fahalavorarian'ny faminavinàna ny drafitry ny tanàna ilay toe-draharaha:

Olana iray goavana ao Zeorzia ny resaka drafitra. Na ny faminavinàna tanàna vaovao ao Zeorzia aza dia mihodinkodina amin'ny resaka fiara. Zara raha mànana kianja maitso isika, rafitra fitateram-bahoaka tsizarizary ary tsy misy faritra natao ho an'ny kodiaran-droa.

C.T. Park, orinasa iray tsy miankina, no mitantana ny toeram-piantsonana ao Tbilisi ankehitriny, izay nifanaraka tamin'ny governemanta monisipaly fa hampihatra ny artikla 37 amin'ny Lalànan'ny Fifamoivoizana ao Zeorzia ary hamoaka sazy ho an'ireo mandika lalàna. Araka ny voalazan'ny lalàna, voaràra ny fiantsonana eny amin'ny sisin-dàlana ho an'ny mpandeha an-tongotra  raha tsy efa faritra natao ho amin'izany na misy loko fotsiy manamarika sy mifanaraka amin'izany mazava tsara.

Kanefa, marobe ireo vondrona Facebook napetraka hiresahana io olana io no nampakatra saripika mampiseho ireo fanitsakitsahana mibaribary an'ireny fepetra ireny. Sary iray vao haingana no nakarin'ny vondrona iray tahaka izany, Gaitsanit Samartskhvino Mdzgholebi (‘Fanoloroana ireo Mpamily Lany Henatra’), no mampiseho fiara iray miantsona eo afovoan'ny sisin-dàlana natao ho an'ny mpandeha an-tongotra, nahatonga ireto fifanakalozan-dresaka manaraka ireto :

Batoni Kacho:

gzaze ar gaacheros trotuarzec ar daayenos aba sad waiyvano.

 Raha tsy afaka manajanona ny fiaranao eny an'arabe ianao ary tsy afaka mametraka azy koa eo amin'ny sisin-dàlana, aiza no heverina fa hitondrànao [ny fiaranao]?

Introducing Shameless Drivers:

რამოდენიმე წრე დაარტყას და მოძებნოს, ან ცოტა მოშორებით გააჩეროს – სიარული რომ ეზარება ყველას. და თუ ეჩქარება – ცოტა ადრე უნდა გამოვიდეს. მაგრამ თუ დანიშნულების ადგილთან უშუალოდ 5 მეტრში ცარიელი ადგილი არ არის – ითვლება რომ ადგილი არ არის და მივაგდოთ მანქანა სადაც მოგვიხერხდება

Batoni Kacho, mba mihodina kely aloha ary mijery, na any lavidavitra kokoa no mijanona, [eny e] kamo handeha an-tongotra ny maro.ary raha maika ianao, miainga alohaloha kokoa [any an-trano]… Raha tsy misy toerana malalaka eo amin'ny 5 metatra manodidina ny toerana halehanao farany, dia mba misaina re rey olona hoe tsy misy toerana a, dia mba azontsika ajanona any an-kafa amin'izay tiantsika any ny fiarantsika.

Satria tsy misy ny fanentanana tsara rafitra sy iraisana, ny sasany amin'ireo mpampiasa Facebook dia naka tamin'ny fombany manokana ireo olana ireo, namokatra soratra fandraikitra hapetraka amin'ireo fiara mandika lalàna nasiana soratra hoe “nametraka ny fiarako teny amin'ny sisin-dàlana ho an'ny mpandeha an-tongotra aho” ary ity iray ity, izay manome ny laharana ho an'ny “C.T. Park” sy ny polisy, mivaky hoe :

“Bahanako ny làlana ka voatery mitady làlana hihodinana ahy ireo ankizy, zokiolona, ireo olona manana tsy fahatomombanana sy ny olona rehetra mandeha an-tongotra mihitsy!”

Misy mihitsy aza tranonkala iray, Ruli.ge, izay manao angon-drakitra mikasika ireo fandikàna goavana amin'ny resaka fametrahana fiara sy ny fifamoivoizana ary dia omeny henatra sy tononiny ao anaty lahatsoratra ety anaty aterineto ny anaran'ireo mpametrapekatra fahatany ny fiarany eny rehetra eny. Amafisin'ny lehibe mpitantana io tranonkala io amin'ny mpanoratra fa momba ireo fanitsakitsahana lalàna dia tsy manaitra/mifandray amin'ny polisy izy ireo.

Hatreto, tsy nisy aloha ny valinkafatra avy amin'ny Ben'ny Tànanan'i Tbilisi momba ny olan'ny fiantsonana tsy ara-dalàna, na teo aza ny hoe fanambaràna amapahibemaso nataon'ity vao voafidy tsy ela akory ity, Davit Narmania, momba ny hamerenana mandinika ny fifanarahana tamin'ny C.T. Park. Na dia toy ny mihevitra aza amin'izao fotoana izao ny “hampirina” ny raharaha ireo manampahefana ao an-tanàna, mazava be fa tsy toy izany kosa ireo mpandeha an-tongotra sorena ao Tbilisi.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.