‘Ny Fomba Fitantara sy ny Media Ho Amin'ny Tontolo Tsara Kokoa': Zaikaben'ny Media Manova 2014 Ao DC

A scene from the first TMSummit in London in 2013. Image used with permission.

Seho tamin'ny TMSummit voalohany tao Londra tamin'ny 2013. Sary nahazoan-dalana.

Hanatontosa zaikabe hiarahan'ireo mpitondra fanovana, mpitantara, sy matihanina amin'ny fampitam-baovao avy amin'izao tontolo izao ny Ivon-toeran'ny Fampahalalam-baovao Mpanova olona mandritra ity herinandro ity ao Washington DC “mba hiara-hiasa ho amin'ny tsara”.  Ny TMSummit amin'ity taona ity no fivoriana faharoa fanaon'ny Ivontoerana isan-taona, manomboka amin'ny 26 Oktobra hatramin'ny 2 Novambra 2014. Mandritra ny herinandro, tontosaina manerana ny tanàna ny hetsika mifandraika amin'izany, izay hitarika hetsika malaza, anisan'izany ny atrikasa ao amin'ny “Fondation”-n'ny Firenena Mikambana amin'ny 31 Oktobra sy ny faratampon'ny zaikabe amin'ny 1 Novambra ao amin'ny Oniversite George Washington.

Hiresaka momba ny filazantantara, fiaraha-mamorona, teknolojia vaovao, fandraharahana sy fiainana lovainjafy, ny mahasoa sy ny mahasalama, ny saripika, horonantsari-mihetsika sy ny mozika, ary ny asa fanoratan-gazety, ankoatra ny zavatra hafa, ireo mpandray anjara amin'ny TMSummit. Araka ny filazan'ny mpikarakara:

The TMSummit will focus on how stories and media can create positive change by changing attitudes, bringing new technology solutions, awareness raising, inspiring action, or simply spreading happiness. It brings together leading experts in their fields drawing people from a diverse range of organizations such as: the UN Foundation, Discovery Channel, MTV, and the Jane Goodall Institute.

Hifantoka amin'ny fanovana tsara mety hoentin'ny tantara sy ny fampitam-baovao amin'ny alalan'ny fanovana fomba fihetsika, fitondrana vahaolana vaovao ara-teknolojia, fanaitairana, hetsika mampisy aingam-panahy, na koa fizarana hafaliana tsotra izao ny TMSummit. Ny zaikabe dia hitarika ireo manampahaizana manokana any amin'ny sehatra misy azy avy tahaka ny: Fondation-n'ny Firenena Mikambana, ny Discovery Channel, MTV, ary ny Ivon-toerana Jane Goodall.

Niresaka tamin'i Jeremy Wickremer, mpitantana ny TMSummit ny Global Voices, mba hahafantarana bebe kokoa momba ny fivoriana. «Miresaka ny famoronana tontolo tsara kokoa izany», hoy izy. “Mifampiankina avokoa ireto rehetra ireto : ny fitoviana, ny fananana, ny tontolo iainana, ny fahasalamana sy ny mahasoa: mifandray avokoa izy rehetra ireo. Tsy afaka manao zavatra ao anaty fitehirizam-bokatra [sompitra] ianao “, hoy izy nampitandrina.

Manantena hahasarika mpihaino marobe araka izay tratra ny Ivon-toeran'ny Media Mpanova amin'ity zaikabe 2014 tontosaina ao Washington ity. Manantena i Wickremer fa vondrona isan-karazany no hanatrika izany, manomboka amin'ny mpianatry ny lisea hatramin'ny mpanakanto sy ny mpandraharaha ambony. «Resaka fijerena sary goavana no atao, ka tokony hahafahanay mahita vondrona isan-karazany.”

The TMSummit's theme for 2014.

Ny lohahevitry ny TMSummit tamin'ity taona 2014 ity.

Iray amin'ireo tanjona lehiben'ny zaikabe ny hampifankahita ireo olona izay mety tsy mbola nihaona mihitsy, mba hampiroborobo vinavina vaovao sy hanangana fifandraisana mitarika mankany amin'ny fiarahamiasa ” “mba hampakarana ny fiantraika ara-tsosialin'ny zavatra ataon'ireo olona ireo.”

Ireo mpamaky izay maniry te-hahafantatra bebe kokoa momba ny TMSummit sy ny Ivon-toeran'ny Media Manova [olona] dia afaka mitsidika ny habaky ny zaikabe sy ny habaka, pejy Facebook, ary ny kaonty Twitter an'ny Ivon-toerana.

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.