Afaka Manapaka Ny Aterineton'i Rosia i Etazonia, Hoy ny Mpanao Lalàna Iray

Are Russian fears that the US can take the country offline unfounded? Images mixed by Tetyana Lokot.

Matahotra ve ny Rosiana fa afaka manaisotra ny aterineton'ny firenena tsy amin'ny antony i Etazonia? Sary namboarin'i Tetyana Lokot.

Mihevitra ny depiote iray ao amin'ny parlemanta Rosiana fa afaka manapaka ny aterineton'i Rosia i Etazonia ka manoro-hevitra amin'ny Rosiana izy mba handray fepetra hivonona amin'izay mety ho fanivanam-baovao.

Mihevitra i Ilya Kostunov, depiote voalaza eto aloha fa mety hanohintohina ny fidirana amin'ny aterineto ao Rosia i Etazonia mba hanakorontanana ny toekarena sy hanozongozonana ny fihetseham-po ara-tsosialy sy ara-politika ao amin'ny firenena. Nangataka tamin'ny minisiteran'ny Fifandraisana ihany koa izy mba hivonona amin'ny “drafitrasa fiarovana ny sivily” raha toa ka ho foana ny RuNet, araka ny filazan'ny TJournal.

Всё чаще из стран блока НАТО раздаются угрозы уничтожить экономику России. […] Учитывая, что за адресацию в интернете отвечает подконтрольная США ICANN, отключение интернета действительно возможно. Американцы могут отключить интернет, например, перед выборами и обвинить в этом российские власти.

Matetika isika mandre fandrahonana avy amin'ireo firenen'ny OTAN fa hanimba ny toekaren'i Rosia. […] Hatramin'ny nifehezan'ny ICANN ny zotran'ny aterineto, izay eo ambany fifehezan'i Etazonia, azo atao tokoa ny manapaka ny aterineto. Afaka manapaka ny aterineto alohan'ny fifidianana, ohatra, ny Amerikana ary hanome tsiny ireo manampahefana Rosiana vokatr'izany avy eo.

Tsara ny manamarika fa tamin'ny volana Martsa 2014, niala tamin'ny andraikiny amin'ny fitantanana ny ICANN, ny fitantanana tsy mitady tombontsoa ny adiresy sy ny sehatry ny IP i Etazonia, ka toa avy amin'izany no anton'ireo fanambaran'i Kostunov. Saingy tsy kivy amin'izany izy, satria nanoro-hevitra izy fa ilain'i Rosia ny aterineto mahaleotena kokoa afaka mandeha tsy miankina amin'izao tontolo izao. Izany, hoy i Kostunov dia mitaky fitambarana vahaolana rindrambaiko sy teknolojia. Vahaolana iray natolony ny flash USB miavaka manokana izay “tokony hananan'ny Rosiana tsirairay avy,” ary ahitana “rafi-dalana hafa” azo alefa raha sendra tapahin'ny Tandrefana ny aterineto. Tsy namaritra ny antsipirihan'ity rafitra “hafa” ity na koa izay teknolojia afaka hanatanterahina izany anefa ity depiote ity. 

Naneho hevitra mikasika ity fanambarana fanairana ity tao anatin'ny fisalasalana miharihary ireo mpisera RuNet. Feno esoeso tamin'ny fanambaran'i Kostunov ilay mpisera Twitter JosefK:

@tjournalru Tokony hanana flash USB manokana sy satroka firapotsy ny olom-pirenena Rosiana tsirairay hi-boot-ena.

Tranga farany amin'ny fitadiavan'i Rosia hifehy ny fidirana amin'ny aterineto sy ny mombamomba ny mpiserasera ity fanapariahana tahotra hanapahana aterineto ity. Tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity, nihetsika ny parlemanta Rosiana mba hampiharina mialoha kokoa ny lalàna fanangonana ango-tahiry. Hanankery manomboka amin'ny volana Janoary taona 2015, ny lalàna, izay manery ireo servisin'ny aterineto rehetra kirakirain'ny mpisera Rosiana mba hanangona ny tahirin'ireo mpiserasera ao amin'ny lohamilina ao Rosia, herintaona sy tapany mahery alohan'ny datin'ny Septambra 2016 niheverana hampiharana azy tany am-boalohany. Mihevitra i Evgueni Fedorov, iray amin'ireo depiote izay nanao fandresen-dahatra tamin'ny daty aloha kokoa fa mampidi-doza ireo mpiseraseran'ny RuNet ny sazin'ny tandrefana, ary hiaro azy ireo ny lalàna noho izany.

Мы понимаем, что развязывание оголтелой информационной атаки идет по разным направлениям, под угрозой находятся и личные данные наших граждан. […] Чтобы избежать разного рода провокаций и исключить эскалацию информационной войны было принято коллективное решение, что можно ускорить введение в действие закона.

Fantantsika fa nalefa tamin'ny toerana maro ny vaovao mampihoro-koditra, ka tandindomin-doza ny tahiry manokan'ny olom-pirenentsika. […] Mba hisorohana ireo fihantsiana marobe sy hialàna amin'ny firongatry ny adim-baovao, nandray fanapahan-kevitra iombonana izahay mba hanafainganana ny fampiharana ny lalàna.

Sahiran-tsaina manoloana ireo orinasan'ny aterineto tandrefana miray petsapetsa amin'ny firenen-kafa ihany koa ireo depiote. Vao tamin'ity herinandro ity, niampanga an'ny Google ho anti-Rosiana sy mitsikilo ho amin'ny tombontsoan'i Okraina izy ireo, taorian'ny fanambaran’i sampam-piarovam-panjakana Okraniana (SBU) fa miara-miasa amin'ny Google sy YouTube izy indrindra mba hanakanana ny ezaky ny Rosiana hanodina sy hanaisotra votoaty antserasera. Mihevitra ilay depiote, Yevgeny Fedorov fa ahafahan'ny Google hamatsy vaovao hoan'i Okraina mikasika ny mpiserasera aterineto Rosiana ilay fifampiraharahana, ary nangataka tamin'ny manampahefana Rosiana izy mba hanadihady izany raharaha izany, araka ny tatitra avy amin'i Izvestia.

Manjary miha-misavoritaka hatrany i Rosia mikasika ireo fandrahonana ny fiarovam-baovaony, mety hitohy hatrany anefa izany manoloana ny fitsinjarazarana ny aterineto manerantany, izay efa mibaribary ao amin'ireo firenena maro hafa manerana izao tontolo izao. Mety ho voakitikitika ny fiarovana, na dia sarotra idirana aza, ka hanimba ny fahalalaham-pitenenana sy ny fidirana malalaka amin'ny harenan'ny loharanom-baovao sy ny fifandraisana manerantany izay niha-maro ireo Rosiana nankafy izany.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.