Fitantaran'ny Gazaiana Iray Ny Fahafatesana Sy Ny Faharavàna Natrehany Maso Nandritry Ny Fanafihana An'i Khuza'a

Evacuation warning from Israeli army.

Fanairana hiala ny tanàna avy amin'ny tafika Israeliana.

Notafihana sy nobodoin'ny tafika Israeliana ny tanànan'i Khuza'a, atsinanan'i Khan Younis ao atsimon'i Gaza, nanomboka ny fiandohan'ny herinandron'ny 21 Jolay. Tsy mbola fantatra foana hatramin'izao ny isan'ireo Palestiniana maty na naratra, satria naharitra andro maro no voarara tsy nahazo niditra tao an-tanàna ny fiara mpamonjy voina ary tavela teny an-dalambe teny na tany ambany korontan'ny trano rava tany ny faty.

Sisam-paty tamin'ilay fanafihana i Mahmoud Ismail, mpianatra, ary nibitsika momba izay zavatra niainany. Vao avy namoaka ny fitantaràna feno momba izany ao amin'ny Facebook indrindra izy.

 Olona 1.100 eo no maty tao Gaza ary an'arivony no naratra hatramin'ny nanombohan'ny fanafihana nataon'i Israely tao efa ho telo herinandro mahery lasa izay. Satria mavesatra ny isan'ny olon-tsotra maty, milaza ny tafika Israeliana fa hoe nandefa fampitandremna ho an'ireo Gazaiana mipetraka amin'ireo faritra tafiditra ho lasibatra ry zareo mba handao ny faritra, saingy tsy mahita toerana haleha ireo Palestiniana. Ilay lemaka tery kely mirefy 40 km dia voahodidina fefy sy tamboho avo avy any amin'ny sisintany avaratra sy ny atsinanana iraisany amin'i Israely ary any atsimo iraisany amin'i Ejipta.

Ny 20 Jolay, niantso sy nandefa hafatra fohy hoan'ny ankamaroan'ireo mponina ao Khuza'a ny tafika Israeliana nibaiko azy ireo handao ny tanàna. Nopaingorin-dry zareo ihany koa ny fantsom-pahitalavitra Al Aqsa, namoahana fanairana handao ny tanàna.

Amin'ireo mponina 10.000 ao Khuza'a, manodidina ny 7.000 no nandositra. Nazavain'i Ismail ny antony nijanonan'ireo olona sasany:

كنّا ثلاثة آلاف شخص قرّر كل واحد فينا، وبشكل فردي، تجاهل كل التهديدات وأوامر الإخلاء والبقاء في بيوتنا. ليس في ذلك أي بطولة. كل ما في الأمر أن فينا من كان يمكن أن يصاب بانهيار عصبيّ لو نام في غير سريره، وآخر كان أكثر كسلاً ممّا تتطلبه عملية الإخلاء. وآخرين، مثلي، لم يرون في اسوأ خيالاتهم السيناريو الذي كان يترصّدهم بعد ساعات قليلة.

Nisy 3.000 taminay no nanapa-kevitra, tsy nifampierana, tsy hiraharaha ireo fandrahonana sy baiko mba handaozana ny tanàna, ary nijanona tao an-tranonay. Tsy misy idiran'ny resaka herimpo sy fahasahiana io; niharan'ny rarin-tsaina ny sasany taminay raha toa ka mety hoe niala tao, ary ny sasany indray tsy nànana tsotra izao ny hery ilaina mba hialàna tao. Ny hafa, toa ahy, tsy afaka nisaintsaina akory ny zavatra mety hiseho ora vitsy taorian'izay, na dia tany anatin'ny nofy ratsiny aza.

Akaikin'ny sisintany iraisana amin'i Israely i Khuza’a. Niharan'ny fanafihana mavesatra nataon'ny tafika Israeliana izy nandritry ny “Hetsika Cast Lead (Firaka Mitsonika) tamin'ny 2009, ary taoriana kelin'izay ny  Goldstone Report no nitatitra fa nitifitra olon-tsotra ireo Israeliana mpitily no sady tsy navela hiditra haka ireo naratra ny fiara mpamonjy voina.

Nandritry ny fanafihana farany teo, mbola nosakanan'ny  tafika Israeliana indray ireo fiara mpamonjy voina tsy hiditra tao am-bohitra ary nataony lasibatra ireo olon-tsotra, araka ny voalazan'ny ONG ao Gaza, Ivontoerana Palestiniana ho an'ny Zon'Olombelona.  Vavolombelona isan-karazany no mitatitra fa nampiasa Palestiniana ho  ampinga fiarovana ny tafika Israeliana.

Nosoritsoritan'i Ismail ny zavatra nitranga tamin'ny fotoana nanombohan'ny fanafihana :

الغارة الأولى قطعت الطريق التي توصل خزاعة بخانيونس. الثانية ضربت محولات الكهرباء. الثالثة أبراج شركة المحمول. الرابعة خطوط الهاتف الأرضي. نحن وحدنا وليل خزاعة حالك والقصف لا يتوقف. الطيران يعضّ كل شيء. زجاج الشبابيك يتساقط. الشظايا تغزّ بيتك وكل ما هو حولك. تحتمي في مكان تعتقد أنه أقل خطورة وتأخذ وضعيّة تعتقد أنها ستحميك. تحصي الغارات والاحتمالات: هل هذا الصوت لصاروخ في طريقه لنا؟ هل هذه القذيفة في البيت؟ لماذا لم تنفجر؟ هل استهدفت بيت فلان؟ المسجد الفلاني؟ هذه غارة إف 16، هذا قصف مدفعي. ليلة كاملة تحاول أن تحافظ فيها على عقلك وتمالك ما تبقى من أعصابك.

في الصباح قالوا اخرجوا. الصليب الأحمر على مدخل البلدة سيؤمن خروجكم، اخرجوا، الجيش لا يريد إلحاق الأذية بكم، العملية تستهدف بيوتكم وشوارعكم وأراضيكم وكل نواحي حياتكم، لكن حياتكم ليست هدفًا. خرجنا مع الثلاثة آلاف. مشينا في حشدٍ مهيب كما مشى سكان الشجاعيّة قبل أيام وكما مشى أجدادنا قبل 66 عامًا. نمشي، وعيوننا تفحص داهشة حجم الدمار الذي يمكن لقصف ليلة واحدة أن يتسبب به، نمشي كأننا نودّع كل ما تبقى. لكن هذا كلّه لا يهمّ، تجمّد مشاعرك وتركّز على قدميك. تصل إلى حيث قالوا. تجد رصًا من الدبابات ولا شيء آخر. لا تكاد تشعر بالفخ قبل أن يدوّي الرصاص في كل مكان.

ثم ماذا؟ ثم ضربٌ وصراخ ولغوٌ وجدل.

Tao amin'ny arabe mankany Khan Younis ny fanafihana voalohany, nanapaka ny fifandraisana tamin'i Khuza’a. Namely ny toby fampitomboana herinaratra ny faharoa. Ny andry natao ho an'ny fifandraisana finday ny fahatelo. Ny fifandraisana an-tariby ny fahefatra. Irery izahay, ary alina nikitroka no tao Khuza’a, tsy nitsahatra ny daroka baomba. Namely teny rehetra teny ny fiaramanidina. Niraraka avy eny am-baravarankely ny fitaratra, nisindintsidina eran'ny trano sy nanodidina anay. Nialoka tany aminà toerana iray noheverinay fa mba tsy dia tandindonin-doza loatra izahay, naka toerana noheverinay fa haha-aro anay. Nisainay ny fahafihana ary nokajiana ny mety hitranga: feonà bala afomanga ho aty aminay ve izany? Baomba ho aty an-trano? Naninona no tsy nipoaka ilay izy? Ny trano tatsy ny taroa ve no natao lasibatra? Maoske tary sy taroa ve? Fanafihana F16 ity,  ary ireo fandarohan'ireo fitaovana mavesatra. Nolanianay tamin'ny fiezahana nitàna ny saina hifantoka tsara sy hitoetra anaty fitaintainana ny alina manontolo.

Ny maraina dia nibaiko ny hivoahanay ry zareo, hoe ny Vokovoko Mena any ampidirana ny tanàna no hiantoka ny fivoahanay. Mivoaha, tsy haninona anareo ny miaramila; ny tranonareo sy ny arabe ary ny tany sy izay rehetra endriky ny fiainanareo no lasibatra, fa tsy ny ain-dehibenareo akory. Dia nivoaka ny teo arivo taminay. Niara-nizotra mbola marobe lavitra noho ilay iray natao andro vitsy talohany tao Shuja’iya,  tahaka ilay iray nataon'ireo ray aman-drenibentsika tamin'ny 66 taona lasa. Teny am-pandehanana, tamim-pahazendanana no nahitànay ny haben'ny faharavàna tao anatin'ny alina iray monja. Namindra toy ireny olona nanao veloma ny zava-drehetra sisa tavela ireny izahay. Saingy tsy izany no zava-dehibe; tsy maintsy nampitony ny fahatsapanao ianao ary nifantoka tamin'izay nametrahana ny tongotrao.

Tonga tany amin'ny teboka nasainy nalehanay izahay, ary nahita rindrinà fiara mifony vy, tsy nisy ankoatra izay. Tsapanay teo fa fandrika io rehefa nanomboka naneno avy amin'ny lafy rehetra ny tifitra.

Inona no tohiny? Avy eo, olona voatifittra, mikiakiaka, sahotaka tanteraka.

Niafina taminà trano teo akaiky teo i Ismail, ny reniny ary ny rahalahiny :

كنّا ثلاثة آلاف، صرنا خمسون شخصًا. تجمّعنا في بيتٍ واحد. نصفنا ليس من أهل البيت لكن هذا أيضًا لا يهمّ. توزعنا بين ثلاث غرف كي لا نموت معًا إن حانت اللحظة. (نعم، يراوغ الانسان عقله في لحظات كهذه ويقنعه أن حائطًا قديمًا يفصل بين غرفتين يمكن أن يحدّ من الخسائر التي سيتسبب بها صاروخ أطول من أطولنا وأثقل منّا مجتمعين).

في الغرفة معي كان عجوزان يهيّجان أزمتي النفسية: أحدهما بمفاضلته بين الحروب التي عاصرها في حياته والآخر بإلحاحه المستمر على شربة ماء قبل آذان الصيام متناسيًا للمرة الألف أن قطرة ماء واحدة لم تتبقى في البيت بعد استهداف الجيش لخزّانات المياه. الأطفال يمارسون دورهم الطبيعي في الحياة: البكاء خوفًا، البكاء مللاً، البكاء عطشًا. المهم أن يبكوا. الآخرين، وأنا منهم، نستمع إلى نثار حديث العجوزين بصمت وملل ونطالع الشبّاك والساعة في انتظار الصباح. (ثمّة، على ما يبدو، خرافة لا أدري مصدرها تقول أن احتمالات الموت تتضاءل وأن القصف تقل وتيرته مع أول خيط للضوء. لكنها، كما كل الخرافات، غير ملزمة بتوقعاتك منها وباسقاطاتك عليها).

3.000 no isanay teo; ankehitriny 50 sisa. Nivangongo tanaty trano iray izahay. Tsy avy amn'ny ankohonan'ny tompontrano ny antsasany, saingy tsy olana izany. Nizarazara tanaty efitrano telo izahay, mba tsy sanatria hiara-maty daholo raha tonga izay fotoana izay. (Eny, very hevitra ny olona rehefa tonga ny fotoana tahaka izao, ary mandresy lahatra ny tenany hoe afaka hampihena ny fahavoazana avy amin'ny tifitra bala afomanga lehibe noho izy ireo sy mavesatra lavitra noho izy rehetra mitambatra ilay rindrina antitra be manasaraka ireo efitrano.)

Nisy lahiantitra roa vao mainka nampitombo ny adintsaiko tao amin'ny efitrano nisy anay, ny iray nampitaha ny teo-draharaha tamin'ireo ady efa niainany, ary ilay iray hafa tamin'ny fisisihany hisotro rano alohan'ny fiantsoana hivavaka, tsy te-hahalala ny hoe efa zara raha misy rano tavela ao an-trano taorian'ny nanaovan'ny tafika ho lasibatra ny sinoben-drano. Nitàna ny anjara toerana nomen'ny natiora azy koa ireo ankizy: kiakiaka noho ny tahotra, tomany noho ny fahasorenana, mitoreo noho ny hetaheta. Ny zava-dehibe dia hoe mitomany ry zareo. Ny hafa, izaho anisany, dia nihaino tamim-pahanginana sy fahasorenana ny ampahan-dresak'ilay lahiantitra, sady nijery tany ivelan'ny varavarankely sy teny amin'ny famantaranora, niandry ny maraina. (Sahaka amin'ny hoe misy tantara fahagola, izay tsy fantatro ny fiandohàny, miteny hoe mihena ny mety hahafaty ary mihena ny daroka baomba rehefa tonga ny mangiran-dratsy. Saingy toy ny tantara fahagola rehetra, vetivety dia hirodana ireo zavatra andrasanao.)

Notantarain'i Ismail ny nahitàny tovolahy iray 20 taona niala aina nandritry ny ora vitsy, satria tsy nisy olona olona afaka nanavotra azy. Maty ny roa tamin'ireo mpirahalahy tsy omby kibo taminy, ny iray niezaka namonjy ilay rahalahiny.

طلع الضوء وسقط الصاروخ الأول على درج البيت. اسوأ من صوت الإنفجار؟ صمت ما بعد الانفجار. أو ما تخونك أذنيك به فتظنه صمتًا. تشظّى كل شيء. اللون الرمادي هو كل ما تراه. لحظات ليعود لك سمعك وينقشع الغبار. الخوف يتحوّل إلى جثث واللون الأحمر يفضّ الرمادي. أمّك وأخوك؟ لا زالوا أحياء. تعود لقدميك، بعد ستة عشر ساعة خمول، وظيفتهما الأولى: الركض. تبتعد عن المكان، يسقط الصاروخ الثاني. تصفّر شظاياه في أذنيك، تتأكد أنك بخير. تهرب إلى بيتك، دقائق ويقصف بيتك. تهرب مجددًا. الكثير من الناس تتحرّك في الكثير من الاتجاهات. ترسم المروحيّة في السماء لك بطلقاتها طريق المنفذ الوحيد. تركض إليه. تركض كأن حياتك تعتمد على ذلك، لأن حياتك بالفعل تعتمد على ذلك. تركض فوق الذين سقطوا، تركض بجانب الجثث، عينٌ على الدمار والطريق المفخّخة بالحفر وعين على عائلتك التي تذوب في السيل الجاري.

Niposaka ny hazavana ary dia nidofotra teo ampototry ny trano koa ny bala afomanga. Inona no ratsy indrindra noho ny feonà fipoahana? Ny fahanginan'ny fipoahana. Na izay mandiso fanantenana ny sofinao amin'ny famitahana anao hino fa efa milamina. Mikorotsaka ny zavatra rehetra. Volondavenona no hany loko hitanao. Fotoana elaela no ilaina mba hiverina ara-dalàna ny fihainoanao sy hialàn'ny vovoka. Mivadika ho faty olona ny tahotra, ary ny mena lasa volondavenona. Ny reny sy rahalahinao? Mbola velona izy ireo. Dia miverina mampiasa tongotra indray ianao, izay efa tsy nihetsika nandritry ny ora enina ambinifolo, ary ny asa voalohany hotanterahany dia ny mihazakazaka. Miala ilay toerana ianao alohan'ny hidabohan'ny tifitra bala afomanga faharoa. Misioka mandalo ny sofinao ny potiny avy amin'ny fipoahana, ary mijery ianao avy eo hoe tsy naninona ve. Mandositra ny tranonao ianao, ary minitra vitsy aoran'izay dia ny tranonao no voadaroka. Dia mandositra indray ianao. Feno olona mifanaretsaka mandositra miankavia miankavanana. Miaraka amin'ny tifitra ataony, ireo angidimby eny an-danitra eny no mamaritra ny làlana haleha sy handosirana. Mihazakazaka mankany ianao. Mihzakazaka toy ny hoe miankina amin'iny ny hahavelona anao, satria dia tena miankina amin'iny tokoa ny ainao. Mihazakazaka manitsaka ireo efa lavo ianao, mihazakazaka mitety ireo faty, miaraka amin'ny maso iray tsy miala amin'ny fianakavianao izay tafiditra any anatin'ny fifanjevoan'ny olona any.

Tsy fantatr'i Ismail izay tena nanjo marina ireo olona hafa tao amin'ilay trano nialokalofany — fa ny kirarony no vonton'ny ràn‘izy ireo. Taorian'ny nihazakazahany niala ilay trano, tafaverina tany an-tranony izy sy ny fianakaviany, izay voadaroky ny bala afomanga telo koa minitra vitsy taorian'izay. Naratra kely izy.

Avy eo niezaka ny nandao ny tanàna izy sy ny reniny ary ny rahalahiny. Nitifitra ny olona ireo angidimby, ary teny an-dàlana dia hitany ny vatana mangatsiaky ny dadatoany sy ilay rahalahy tsy omby kibo aminy teo akaikin'ny tranon'izy ireo. Mikendry ny tongotry ny olona ireo Israeliana mpitily mba tsy ho afaka mandositra .

خرجت وعائلتي والكثير من العائلات من خزاعة. كيف؟ حالفنا الحظ. لماذا؟ لا أملك أدنى فكرة. الأهم أن ثمة من بقيوا هناك، وأن الجثث لا زالت حتى هذه اللحظة في الشوارع وتحت الأنقاض. كم عددهم؟ قد يكون 20، 50، 100.. لا أحد يعرف بشكل أكيد، وهذا هو الأمر الوحيد الأكيد. الصور الوحيدة التي خرجت من خزاعة حتى اللحظة كانت مقتضبة ومصدرها الجيش الإسرائيلي وتظهر مشاهد دمار تحشي الصدر بالحقد وتدمي القلب وتنبئ بأن الأيام الهادئة لهذه القرية الوادعة ولأهلها الطيّبين لن تعود عمّا قريب.. وربما للأبد.

Niezaka izaho sy ny fianakaviako, miampy fianakaviana hafa, ny hivoaka an'i Khuza’a. Ahoana? Tsara vintana izahay. Nahoana? Tena tsy hitako izay hambara. Ny zava-dehibe, mbola eny an'arabe sy ambany korontana hatrany aloha ny fatin'ireo izay nifidy ny hijanona. Firy no isan'izy ireny? 20, 50, 100 angamba? Tsy misy tena mahfantatra. Ny sary vitsivitsy nivoaka hatreto avy ao Khuza'a dia izay avy amin'ny tafika Israeliana, ary mampiseho tontolom-paharavàna mahavaky fo mahatonga ny tratranao ho feno fankahalàna, ary mahatonga anao hieritreritra fa tsy ho ao anaty fotoana fohy no hiverina ny filaminan'io vohitra io sy ny vahoakany – na tsy hiverina velively.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.