Mitady Mpitarika Hisahana Ny Fitantaram-baovao Amin'ny Teny Portiogey ny Global Voice

A typical rabelo boat from Porto carrying the open data flag for the #OpenDataDay. Banner by Ana Carvalho / Transparência Hackday.

Sambo rabelo manavaka an'i Pôrtô mitatitra ny sainan'ny “tahiry misokatra” hoan'ny #OpenDataDay. Sora-baventy avy amin'i Ana Carvalho / Transparência Hackday.

Mpamoaka vaovao amin'ny teny anglisy sy Portiogey ve ianao izay manome lanja ny fahamarinana, ny fitoviana, ny finamanana mihoatra sisintany ary tsy mba leo aterineto? Manam-potoana hiasana mandritra ny 10 ora isa-kerinandro ve ianao? Ianao no tadiavin'ny Global Voices!

Tokamanantany ny efitra fanoratana sy famoahanay vaovao – virtoaly tanteraka, mpilatsaka an-tsitrapo avokoa ireo mpanoratra, amin'ny teny marobe ny loharanom-baovao ary mivantana amin'ny aterineto. Ny ifantohan'ny fanangonam-baovao dia mikasika ny vaovao malaza, ny olan'ny fahalalaham-pitenenana, ny sivana amin'ny aterineto, ny fikatrohana sy ny vaovao izay zara raha voatatitra na taterina diso avy amin'ny ireo fampahalalam-baovao mahazatra.

Misahana ny fanangonam-baovao isan'andro avy ao Portigaly, Angola, Mozambika, Cap-Vert, Guine-Bissau, Sao Tomé & Principe ary Timor-Leste ny ampaha-potoan'ny mpanitsy lahatsoratra amin'ny teny Portiogey. Hanoratra sy handrindra ireo lahatsoratra avy amin'ireo mpanoratra sy mpandika teny ny mpanitsy lahatsoratra, ary mikirakira ireo andian-doharanom-baovao goavana mba hijanonana ho loha-laharana amin'ny vaovao malaza ara-tsosialy, politika sy ny fikatrohana ao amin'ny faritra.

Andraikitra voalohany indrindra:

Tompon'andraikitra amin'ny fitantarana vaovao avy ao Portugal, Angola, Mozambika, Cap-Vert, Guinea-Bissau, Sao Tomé & Principe ary Timor-Leste.
Manoratra, manamarina ny zava-misy, ary mamoaka ireo vaovao maharesy lahatra sy lehibe indrindra avy amin'ireo loharanom-baovao antserasera ao amin'ny faritra.
Manazava ny zavamisin'ireo vaovao hahatakaran'ny mpihaino manerantany azy.
Mitazona ny laharana voalohany amin'ny fivoaran'ny tantara, izay malaza haingana sy ironana ao amin'ny media sosialy sy ny fampahalalam-baovao an'olo-tsotra ao amin'ny faritra misy azy ireo.
Mampivelatra ireo lasitry ny loharanom-baovao antserasera azo antoka sy voamarina ao amin'ny faritra misy azy ireo.
Mitantana ireo mpanoratra mpilatsaka an-tsitrapo.
Manaja ireo fe-potoana sy mampahafantatra ireo fepetra.
Mivonona hiara-hiasa amin'ny vondrom-paritra virtoaly, efitra fanoratam-baovao sy ny fiarahamonina lehibe kokoa.
Manatontosa asa mifanaraka amin'ny fikambanana, tari-dalana famoaha-dahatsoratra, andraikitra sy ny kolontsain'ny Global Voices.

Ny kandida mahomby dia :

Mahay miteny Anglisy sy Portiogey tsy miambahamba.
Manana fahaizana mafonja momba ny asa fanaovan-gazety sy/na ny fikatrohana ny zo nomerika.
Manana fahaizana mamoaka lahatsoratra mikasika ny olana ao amin'ny faritra.
Mahafantatra hoe iza no feon'olom-pirenena sy ny sosialy azo antoka ao amin'ny faritra misy azy ireo.
Mahafantatra ny fampahalalam-baovao mahazatra, gazetim-paritra, sy ny fahavitrihan'ny media sosialy ao amin'ny faritra misy azy ireo.
Mahafantatra ny zo nomerika, ny fahalalaham-pitenenana, sy ny olana mikasika ny fikatrohana ary ny fahavitrihana ao amin'ny faritra misy azy ireo.
Manana traikefa amin'ny fikarohana loharanom-baovao sy fanoratam-baovao.
Manana toetra mafonja amin'ny fitarihana.
Manana fifandraisana aterineto matanjaka sy azo antoka.
Afaka miasa ao anatin'ny 10 ora isak'herinandro.

Raha handefa fangatahana: 

Alefaso azafady ny mombamomba anao (CV) sy taratasy famantarana izay manasongadina ny asanao ary manazava ny antony mahatonga anao ho sahaza tanteraka hoan'ny Global Voices. Alefaso ao amin'ny adminjob@globalvoicesonline.org ny fangatahanao ahitana ny anaranao sy ny lohateny “Mpanitsy lahatsoratra amin'ny teny Portiogey”.

Vakio ato ireo Antony Lehibe 8 raha hiasa ato amin'ny Global Voices

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.