Oscar López Rivera: Porto-Rikàna Nandany 33 Taona Tany Am-ponja Tao Etazonia, Miteny Hoe Tafahoatra Izay

El caricaturista Kike Estrada es uno de varios artistas que se ha solidarizado con la lucha por excarcelar a Oscar. Imagen tomada de su página, Planeta Kike. Utilizada con autorización.

Kike Estrada, mpanao sariitatra, isan'ny iray amin'ireo mpanakanto marobe naneho ny firaisankinany amin'ny tolona ho famotsorana an'i Oscar. Sary nalaina tao amin'ny pejiny, Planeta Kike, fampiasàna nahazoana alàlana. Mivaky hoe, “Aty an-trano no efa tianay sahady hisy azy!”

Mitohy mihamahazo vàhana sy mahazo mpanaraka ilay tolona ho famotsorana an'i Oscar López Rivera, ilay Portò-Rikàna mpikatroka mafàna fo mpitaky fahaleovantena.

Voafonja nandritry ny 33 taona any Etazonia i López Rivera, 71 taona, ary vesatra niampangàna azy ny  “fikotrehana fikomiana” sy ny “fikononkononana fandosirana” izay nahazoany sazy 70 taona. Mpitolona ho amin'ny fahaleovantenan'i Porto-Rikò izy, zanatany Amerikana. Miray feo ireo politisiana, mpanakanto, ary olona avy amin'ny firehana maro samihafa mba hitaky amin'i Barack Obama, filoha Amerkana, hamela heloka an'i López Rivera, izay voahosotra ho ny gadra politika voatàna ela indrindra tany am-ponja ho an'ny ilabolan-tany andrefana. 

Nisarika ny sain'ireo famoaham-baovao isan-karazany ary avy amin'ireo olona ao amin'ny Firenena Mikambana manohana ny famotsoana azy ny raharahany tato anatin'ny herinandro vitsivitsy.

Tao anaty taratasy iray ho anà gazetiboky dizitaly 80, i Guillermo Rebollo Gil, ilay bilaogera, poeta, sady mpahay fiarahamonina, dia naneho hevitra tao anatin'ny El Nuevo Día, gazety tena be mpoamaky indrindra ao Portò Rikò ho fanakianana ny fomba nentin'io gazety dizitaly 80 io hamadihana ny famonjàna an'i López Rivera tsy ho resaka politka, ho valin’ny lahatsoratra avy amin'ny tompon'ilay famoaham-baovao tamin'ny Jona. Ireto manaraka ireto ny teny tao anatin'ilay lahatsoratra izay hitan'i Rebollo Gil ho mitanila :

Porque Oscar López Rivera, al margen de su ideología y de sus aspiraciones, es un ciudadano que dedicó dos años de su vida al servicio militar activo, en la guerra de Vietnam, y que se sacrificó duramente por el mismo Estados Unidos que ahora se empeña en mantenerlo aislado, tratando de acallar los reclamos para que lo excarcelen e intentando mantenerlo fuera del foco de la atención mundial.

Satria olom-pirenena iray nandany taona roa tamin'ny androm-piainany nanao tamim-pahavitrihana ny raharaha miaramila tamin'ny ady tany Vietnam i Oscar López River, tsy ijerena izay firehany ara-potokevitra sy ny hetahetany, ary indrindra fa tena nanao sorona ny momba azy ho an'i Etazonia, izay misisika mitàna sy manoka-monina azy, amin'ny fiezahana mamoritra ireo fitakiana famotsorana azy sy fiezahana hanilika azy tsy ho ao anatin'ny fifantohan-tsain'izao tontolo izao. 

Nomarihan'i Rebollo Gil ny maha-mavesa-danja ny hoe tsy tokony fotsiny hojerena amin'ny resaka maha-olona ny raharaha López Rivera, ary nanainga ny olona izy mba hahatsiahy ny antony mahatonga an'i Oscar ho gadra politika. El Nuevo Día, gazety an'ny fianakaviana Ferré Rangel, mpifikitra amin'ny politika nentin-drazana, dia namoaka andian-taratasy nalefan'i López Rivera avy any am-ponja. 

Que el Grupo Ferré Rangel, “al margen” de su ideología y sus intereses económicos, interese unirse al reclamo por la excarcelación de Oscar López Rivera, no le da la potestad para despolitizar la figura de Oscar. Su excarcelación no es un mero issue de interés humanitario. Oscar López Rivera es un prisionero político. Preso—es decir, marginado brutalmente—por “su ideología y sus aspiraciones.” Oscar es padre y abuelo y hermano, y escribe cartas preciosas. Es cierto. Son las cartas de un independentista puertorriqueño, injustamente encarcelado cuando era joven y bigotudo y pelú. Hoy es viejo y hermoso. Pero igualmente revolucionario. Sépase.

Na ohatra aza ny vondrona Ferré Rangel , “ivelan'ny” firehana ara-potokevitra arahany sy ny tombontsoa ara-toekareny, liana amin'ny fanatevenana laharana ny antso ho famotsorana an'i Oscar López Rivera, tsy ananany ny fahefana hamadika ny endriky ny raharaha Oscar tsy ho resaka politka. Tsy resaka tombontsoa noho ny maha-olombelona fotsiny ny raharahany. Gadra politika i Oscar López River. Gadra— manana hevi-teny misetrasetra hoe voahilika — noho ny “fironany sy ny hetahetany.” Raim-pianakaviana, dadabe ary rahalahy i Oscar, ary manoratra taratasy mahafinarira izy. Marina io. Taratasy avy aminà Portò-Rikàna iray mpandala fahaleovantea izy ireny, nofonjaina tsy an-drariny fony izy mbola tanora, be volom-bava sr lava volo be. Antitra sy tsaratarehy izy ankehitriny. Saingy mbola ilay mpitaky fiovàna hatrany. Aleo ho fantatra ny amin'io.  

Manuel Martínez Maldonado, poeta, tao anaty lahatsoratra iray ho an'ny gazetiboky “Cruce” dia nandalina  ny tsy rariny amin'ny fihazonana am-ponja mandritry ny fotoana elabe noho ny “fikotrehana fikomiana”, fiampangàna iray izay zava-nahazatra an'i Etazonia hatrany teo amin'ny tantarany mba hanitsakitsahana ireo izay tsy manaiky ny kabarim-pahefany :  

Es difícil ver, cuando no hay una guerra que represente el famoso “clear and present danger”, cómo abogar por la autonomía o independencia de Puerto Rico puede representar un riesgo a la estabilidad de los Estados Unidos. En el caso particular de Oscar López Rivera, encarcelado en 1981, sin haber sido acusado o convicto de ningún delito de violencia, el cargo de conspiración sediciosa es particularmente difícil de entender. […] ¿Cómo puede ser una amenaza contra el gobierno y sus armas un hombre anónimo y envejecido, no importa lo que diga o lo que piense?

Tena sarotra be ny mahita, rehefa tsy misy ady, ny dikan'ilay teny malaza hoe “loza mihatra,” ahoana ny fomba fisoloana vava ny fizakantenan'i Portò-Rikò na ny fahaleovantenany no afaka hitondra risika ho an'ny fahamarinan-toeran'i Etazonia. Amin'ny raharaha Oscar López Rivera,  voafonja tamin'ny 1981, tsy nisy fiampangana na filazana azy ho nanao heloka bevava, sarotra takarina manokana ilay vesatra ho nikotrika fikomiana. […] Ahoana no ahafahan'ny lahiantitra iray tsy fantatra anarana, tsy ijerentsika izay lazainy sy heveriny àny, ho loza mitatao ho an'ny governemanta sy ireo fitaovam-piadiana am-pela-tànany? 

Teo ivelan'ny foiben'ny Firenena Mikambana indrindra, raha nanao ny fivoriany isan-taona ny Kaomity ho Fanafoanana ny Fanandevozana, nisy fihetsiketsehana ho fanohanana ny famotsorana an'i López Rivera. Tao anatiny indray, Eduardo Villanueva Muñoz, mpitondra tenin'ny Kaomity Portò-Rikàna Mpiaro ny Zon'Olombelona, nanolotra ny lahateniny ho an'i López Rivera talohan'ny kabariny nanoloana ilay Kaomity, izay isan-tana no nandinika ny olan'i Portò-Riò efa hatramin'ny 1972 : 

Oscar López ha cumplido ejemplarmente su rol de ser símbolo de resistencia y lucha para su pueblo. Por eso sus ideales se mantienen vigentes y en mi país hay lucha comunitaria, lucha ambiental, lucha contra el racismo y la discriminación, lucha por mejores empleos y salarios justos, lucha en defensa del idioma vernáculo (el español) y la cultura que nos distingue como nación. Mil años de encierro no pueden servir para destruir esos ideales que son consustanciales a la naturaleza de las naciones, que aunque no tengan soberanía, culturalmente son naciones claramente diferenciables en el concierto de naciones del mundo. Mantener a Oscar López preso no sirve para disuadir a los que creen en sus ideales, al contrario son un estímulo para continuar la lucha y mantener sus ideales vigentes.

Nahafeno ny zara-asany tamin'ny fanomezana ohatra mendrika ny maha endriky ny fanoherana sy ny tolona ho an'ny vahoakany i Oscar López. Satria mbola mitombina hatrany ireo fotokeviny ary eto amin'ny fireneko dia tolon'ny vondrom-piarahamonina ireny, tolona ho an'ny tontolo iainana, ady hanoherana ny fanavakavahana ara-poko sy ny fanilikilihana, ady hisian'ny asa sy karama mendrika kokoa, ady ho fiarovana ny teny ahalalàna ny firenena iray (Espaniola) ary ny kolontsaina izay mampiavaka azy amin'ny maha-firenena iray azy. Na fihazonana an'arivo taona aza tsy afaka hahavita hamotika ireny fotokevitra ireny izay efa natioran'ny firenena rehetra mihitsy, izay na tsy eo aza ny fiandrianam-pirenena dia firenena miavaka mazava tsara ara-kolontsaina eo anivon'ireo firenena marobe hafa erantany. Ny fanohizana mitàna an'i Oscar López ho gadra dia tsy ho tonga velively amin'ny fanangolena ireo mino ny fotokevitra ijoroany, fa ny mifanohitra amin'izay aza, mandrisika azy ireo hanohy ny tolona sy hitàna mandrakariva ny fotokeviny amin'ny hery rehetra. 

Azo eritreretina ny hitomboan'ny hetsika ho fanohanana ny famotsorana an'i López Rivera aorian'ny fifidianana izay ho mpikambana ao amin'ny kaongresy Amerikana hatao amin'ny Novambra, satria ho afaka ny handray fanapahankevitra bebe kokoa tsy hijereny izay ho fiantraikany amin'ny ara-politika ny Filoha Barack Obama, efa mamàrana ny fotoam-piasàna amin'izao fotoana izao. Mandritra izany fotoana izany, manohy hatrany manao izay tsy hanadinoana ny raharaha López Rivera ny vahoaka maneran-tany.  

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.