Faly Tamin'ny Faharesen'i Brezila Tamin'ny Fiadiana Amboara Erantany Ny Arabo

 On Twitter, Saudi Hamad Alarify shares this cartoon, drawing attention to the failure of his country's team in international football championships. The comment should read: "I know that feeling bro"


Ao amin'ny Twitter, i Saudi Hamad Alarify no mizara ity sariitatra ity, hisarihana ny saina amin'ny tsy fahombiazan'ny ekipam-pireneny tamin'ilay lalao baolina kitra iraisampirenena . Tokony ho izao no vakin'ilay fanehoankevitra: ” Tsapako izay fihetsehampo izay, rahalahy”

Toy ny tamim-piravoravoana no nijeren'ireo Arabo ny fandresen'i Alemaina an'i Brezila 7-1 tamin'ny manasa-dàlan'ny fiadiana izay ho tompondaka erantany.

Taorian'ny faharesena mahamenatra azon'i Brezila, mivazivazy ilay Ejiptiana @kazakhelo ho an'ireo olona 13.600 mpanjohy azy ao amin'ny Twitter hoe [ar]:

Aza miraharaha an'izany. Mbola afaka manarina ianareo. Ho an'ny Fiadiana izay ho tompondaka manaraka, tafakatra i Ejipta, ary ianareo no handresy.

Mibaribary be fa tsy manana fitokiana ny ekipam-pireneny ity mpisera ity.

Ary mitohy ny vazivazy.

Ilay Ejiptiana , Hazem Youssef, milaza hoe :

Ity no lalao tsy ho averina ato anatin'ny 100 taona.
Hatreto dia baolina fito no matin'ny Alemàna tao anatin'ny andràna enina azony

Ary ho an'ilay Bahraini, Nader AbdulEman, midika zavatra betsaka ankoatry ny resaka baolina kitra fotsiny ny faharesen'ny ekipa Breziliana. Mibitsika izy [ar]:

Tamin'ny fomba mahatezitra no nialàn'ny ekipan'ny baomba mandatsa-dranomaso an'ilay Fiadiana Amboara Erantany.

Voalaza ho mpanondrana baomba mandatsa-dranomaso mankany Bahrain i Brezila, ampiasaina hamongorana ireo mpanao hetsi-panoherana nanomboka tamin'ny nisian'ny hetsi-panoherana ny fitondràna ao amin'io firenena io tamin'ny 14 Febroary 2011.

Tanaty lahatsoratra iray matomatotra kokoa, ilay Siriana Faisal Alkasim, mpanolotra fandaharana ao amin'ny Al Jazeera, manana mpanjohy 1.5 tapitrisa, manontany tena hoe :

Marobe ny Breziliana no nanao fihettsiketsehana nanohitra ny Amboara Erantany na dia mbola tsy nanomboka akory aza izy io. Inona izao no hataon-dry zareo taorian'iny fihaonana tamin'i Alemaina iny??

Mibitsika nitovitovy tamin'izay ho an'ireo 2,13 tapitrisa mpanjohy azy i Waled Alfarraj, ilay Saodiana mpanolotra fandaharana amin'ny fahitalavitra :

Dia hanapoaka ny hatezerany amin'ny governemanta ry zareo Breziliana taorian'ny nahavotsotra ny lalao famaranana.
Nirehitra ny tontolo, minitra vitsy lasa izay. Tena tantara ratsy mihitsy

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.