Mpiandry Harato “Memo” Ochoa, Maherifo Meksikana

Ochoa

Ilay mpiandry harato Guillermo Ochoa ao anatin'ny asany. Saripika navoakan'ny mpisera Twitter @futbolperu.com.

Ny namirapiratra tamin'ny lalao mondialy nifanandrinan'i Brezila sy Meksika, izay nifarana tamin'ny ady sahala 0-0, dia ilay Meksikana mpiandry harato Guillermo Ochoa, izay nahatalanjona tamin'ny fanakanana ny tifitra breziliana, ka nahavotra ny ekipam-pireneny tsy hidiram-baolina. Samy tsy nisy nitoko moa no niafaran'ny lalao.

Nampitaintaina ny lalao na dia tsy nisy aza ny baolina tafiditra. “Tsy nitsahatra ny fanafihana Breziliana, na dia midona hatrany amin'ilay Ochoa mamirapiratra tsy manan-tahotra sy matoky tena tanteraka lasa rindrimbe manoloana ny tifitra avy amin'ny mpifaninana,” hoy ny nosoratan'ilay habaka miteny espaniola Apuntes de Fútbol.

Nampikoriana haingana dia haingana ny tambajotra sosialy tamin'ny saripika sy sary namboarina mampiseho ny zavabitany ny fitokisn-tena sy ny fahombiazan'ilay mpiandry harato Meksikana.

Ity sioka iray ity mampiseho ny fotoana namilian'i Ochoa ny dona amin'ny loha mahery vaika avy amin'i Neymar, ilay Breziliana mampitolefika:

Memo Ochoa nanakana ny tifitra avy amin'ny lohan'i Neymar.

Nanomboka tamin'io fotoana io, nanomboka nipongapongatra amin'izay ny sary amboarina tao amin'ny Twitter:

Tsy iny akory aza ny lalao tsara indrindra vitan'i Guillermo Ochoa – jereo ato anie ny nilalaovany tamin'ny PSG tamin'ny aogositra

Orita Ochoa. Kinova 2.

Anio i Ochoa afa-mijery The Matrix. Nahasakana ny zavatra rehetra izy.

Nisy sioka nampiseho ilay mpiandry harato meksikana miaraka amin'ilay charro nahazatra:

Misy ny kisarisary miampy soratsoratra (memes) momba ny lalao ato amin'ity lahatsoratra ity [es] ao amin'ny LifeBox. Mandritra izany fotoana izany, ao anatin'ireo diezy malaza tany Meksika momna ny fifaninanana, nalaza vetivety ilay #GraciasOchoa [misaotra Ochoa].

Avy any Colombia, Alfredo Carreño nanoratra [es] momba ny zava-bitan'ny ekipa breziliana ap amin'ny bilaoginy Cápsulas de fútbol [football kapisily]:

Fiado todo a Neymar sin demasiado, la ‘canarinha’ acabó sufriendo ante Chicharito, Guardado y compañía mientras el ‘canta y no llores resonaba entre una confundida ‘torcida’ brasileña. Primera lección que tiene que aprender un Neymar que se pasó de emociones en la previa y se apagó más de la cuenta en el momento de la verdad.

Niankina tanteraka tamin'i Neymar, ilay tsy tena mamiratra akory, nijalijaly ny ‘canarinha’ [noho ny fahafantarana ny ekipa breziliana amin'ny akanjo mavo] nanoloana an'i Chicharito, Guardado sy ny tariny. raha naredona tao amin'ny ‘torcida’ breziliana [amantarana ny Breziliana mpankasitraka] ny [tononkira malaza meksikana] ‘mihirà fa aza tomany’ . Lesona voalohany ho an'i Neymar izay lasa lavitra loatra tamin'ny fihetseham-po talohan'ny lalao nefa tsy nody ventiny ny rano natsakaina [nandoa be rehefa tonga ny fotoanan'ny marina].

Sehatra hafa malaza amin'ny tambajotra ihany koa ny vehivavy Meksikana iray tao amin'ny kianja:

Ny fihetsika ataontsika isaky ny manavotra i Ochoa…

3 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.