Zavatra Mahavariana 5 Hita Amin'ny Sokatra “luth”

El tinglar. Imagen tomada de Wikimedia Commons. CC-BY-2.0

Ny soka-dranomasina “luth”. Sary nalaina tamin'ny vohikala Wikimedia Commons. CC-BY-2.0

Ny Fetben'ny Soka-dranomasina “luth” [es], atao amin'ity taona ity ny andiany fahasivy aminy, dia manaitra ny sain'ny daholobe ny momba ity soka-dranomasina ity, izay miverina manatody eny amoron-dranomasin'i Porto Rico isan-taona. Araka ny bilaogin'i CoquíPR [es]:

En Puerto Rico, las áreas de anidaje han disminuido en número debido al desarrollo de las playas y áreas costeras. Esta pérdida de habitáculo se debe principalmente a la construcción de proyectos residenciales, turísticos e industriales y a la expansión de zonas urbanas en áreas costeras. Sin embargo, los reflejos de las luces en áreas desarrolladas (como el alumbrado directo de playas) producen desorientación tanto de tortugas adultas como de neonatos. Muchos neonatos cuando salen del nido, en vez de regresar al mar, se desorientan por las luces y van en dirección contraria al mar, donde son comidos por depredadores, matados por automóviles o mueren por exposición al sol. A esto se suman las adversidades que pueden enfrentar las tortuguitas recién nacidas en su carrera al mar. Las mismas pueden ser dañadas por animales domésticos (como perros) o depredadas por aves marinas o cangrejos.

El vandalismo de nidos, robo de huevos y matanza de las hembras cuando salen a anidar son graves problemas que afectan la especie. Los tinglares son especialmente susceptibles a la ingestión de plásticos en el mar, cuando confunden los mismos con aguavivas.

Ao Porto Rico, miha mihena ny isan'ny toerana fanatodizana noho ny fandrosoan'ny toerana amoron-dranomasina sy ny morontsiraka. Ny teikasa fanamboarana trano fonenana, toerana ho an'ny mpizahatany ary indostrialy no tena mahatonga indrindra io fihenan'ny toeram-ponenany io, eo koa ny fihitaran'ny tanàn-dehibe mankany amin'ny morontsiraka. Na dia izany aza, ny taratry ny jiro any amin'ny toerana mandroso ( ohatra : ny jiro mitodika mivantana any amoron-dranomasina) dia mahavery làlana ny sokatra na ny lehibe na ny vao teraka. Raha tokony hiverina any andranomasina izy ireo, maro amin'ireo vao teraka no very làlana noho ny hazavan'ireny jiro ireny ka mandeha any amin'ny làlana mifanohitra amin'ny tokony ho alehany, ary lanin'ny biby hafa any izy ireny, na voahitsaky ny fiara, na maty noho ny taratry ny hainandro. Manampy trotraka izany koa ny loza maro hafa izay atrehan'ny sokatra vao teraka mandritra ny diany ho any anaty ranomasina. Mety ho voaratran'ny biby hafa izy ireo ( ohatra : ny alika) na samborin'ny voron-dranomasina na drakaka. 

Ny fanapotehana ny toerana fanatodizany, ny fangalarana atody , ary ny famonoana ny sokatra vavy rehefa miala ny toerana fanatodizany izy dia olana lehibe mianjady amin'ireny karazam-biby ireny. Mora voasarika hihinana zavatra vita avy amin'ny plastika eny andranomasina ny sokatra “luth” rehefa afangarony amin'ny bibin-dranomasina “méduses” ireny. 

Mba hankalazana ny Fetinben'ny Sokatra “luth” ary hanampiana amin'ny fanaparitahana ny mombamomba azy, ireto misy zavatra dimy mahavariana momba ity biby ity: 

1. Ny sokatra “luth” no soka-dranomasina lehibe indrindra eran-tany. 

Ny boky nomerika Mi Puerto Rico Verde [es] dia manana loharanom-baovao maro momba ny endrika mampiavaka io sokatra io : 

El tinglar más grande documentado pesó 916 kilogramos, equivalente a poco más de 2,000 libras. […] El tinglar es de tonos oscuros con pequeñas manchas redondas blancas y rosadas.  Es fácilmente distinguible por sus siete estrías en forma de cordillera que corren a lo largo del carapacho y por las peculiares grandes aletas frontales.  Las hembras también tienen una mancha rosada característica en el tope de su cabeza.

Ny sokatra “luth” lehibe indrindra voarakitra dia milanja 916 kilao, izany oe mihoatra kely ny 2,000 lb. […] Matroka ny lokon'ny sokatra “luth” ary misy tasy boriborikely miloko mavokely sy fotsy. Mora fantatra be izy amin'ireo tsipika mivoitra miisa fito toy ny tendrombohitra mitandahatra eo amin'ny lamosiny, ary ireo tanàna fivoiny, lehibe anoloana izay mampiavaka azy. Misy tasy mavokely eo an-tampon'ny lohany mampiavaka azy koa ireo vavy. 

2. Ny sokatra “luth” no hany karazana soka-dranomasina tsy manana lamosina mafy. 

Araka ny Amigos de las Tortugas Marinas [es], misy ezaka iombonana atao amin'ny fiarovana ny sokatra “luth” : 

A diferencia de las demás especies de tortugas l tinglar] no tiene un caparazón duro o de concha si no más bien una cubierta de cuero que tiene siete aristas longitudinales la cual se siente al tacto con textura gomosa o de goma.  Esta forma de caparazón, más blando que el de las demás especies, es una adaptación para poder resistir las grandes presiones cuando se sumerge a profundidades considerables que pueden ser superiores a 3,000 pies, más profundo que cualquier otra especie de tortuga.  Si su caparazón fuera uno rígido y duro como el de las demás especies de tortugas se rompería o quebraría por efecto de la enorme presión del agua.

Mifanohitra amin'ny karazana sokatra hafa, [ny sokatra “luth”] tsy mba manana fonosana mafy, fa kosa fonosana hoditra izay misy tsipika mivoitra amin'ny halavàny miisa fito izay mitovy amin'ny fingotra tsy dia malama loatra rehefa tsapaina. Io endriky ny fonosany io, izay malefaka kokoa noho ny an'ny karazany hafa, dia natao hiatrehany ny tsindry mafy rehefa milomano midina any amin'ny lalina be izy izay mety mihoatra ny 3000 ft, lalina noho ny an'ny karazana sokatra hafa . 

3. Ny volana sy ny kintana no fitarikandron'ny sokatra “luth”. 

Olana lehibe ho an'ny sokatra “luth” ny fikorontanan'ny hazavana rehefa miverina any amin'ny toerana fanatodizany izy. Mitondra fanazavana ny antony ny boky niomerika momba ny tontolo iainana Corriente Verde [es] :

Las tortugas neonatas usan el reflejo del brillo de la luna y las estrellas en el mar como punto de referencia, para saber hacia dónde dirigirse para llegar al océano. Ésa es una de las razones por las cuales no se deben construir edificios u otras estructuras cerca del mar, ya que las luces o focos de los edificios pueden confundir o desorientar tanto a las crías neonatas como a las tinglares adultas, haciéndoles creer que el mar se encuentra en dirección de las bombillas.

Mampiasa ny taratra hazavan'ny volana ireo sokatra vao teraka mba entiny hijerena hoe aiza ny làlany andehanany hihazo ny ranomasim-be. Izany no antony iray tsy tokony hanorenana trano lehibe na fanorenana hafa manakaiky ny ranomasina, satria mampikorontana na mitondra ny sokatra “luth” na ny lehibe na ny vao teraka ho amin'ny làlan-diso ny hazavana na ny jiro mazava be avy amin'ny trano avo, mahatonga azy ireo hieritreritra fa any amin'ny hazavan'iny takamoa iny ny làlana mankany an-dranomasina. 

4. Ny sokatra vavy amin'io karazany io no mifindra toerana lavitra indrindra miohatra amin'ireo karazana soka-dranomasina hafa. 

Aboraky ny fikambanana Amigos de las Tortugas Marinas misimisy kokoa ny halavirana mampitolagaga vitan'ny sokatra ” luth ” vavy rehefa mandeha lavitra : 

Las hembras de tinglar realizan las más largas migraciones de todas las especies de tortugas marinas. Entre sus áreas de alimentación y playas para anidar, pueden realizar viajes de hasta más de 3,000 millas o 6,000 Km. Los tinglares son tortugas oceánicas que viven la mayor parte del tiempo alejadas de las costas con excepción de su temporada de anidación en las cuales regresan a las playas de los trópicos. Después de aparearse en el mar, las hembras regresan a las cálidas playas de arena de los trópicos para construir su nido y depositar entre 75 y 100 huevos.

Ireo sokatra vavy no manao fifindran-toerana lavitra indrindra amin'ny karazana soka-dranomasina rehetra. Amin'ireo toerana fihinanan-kaniny sy ireo moron-dranomasina fanatodizany, afaka mandeha lavitra mety hihoatra ny 3.000 miles na 6.000 km izy ireo. Sokatran'ny ranomasim-be ny sokatra “luth” izay miaina lavitry ny morontsiraka amin'ny ankapobeny afa-tsy rehefa amin'ny fotoana fanatodizany izay hiverenany eny amoron-dranomasina tropika. Rehefa avy miray any an-dranomasina izy, miverina eny amin'ny fasika mafana eny amoron-dranomasin'ny tropika ny vavy mba hanamboatra ny toerana fanatodizany ary mametraka atody manodidina ny 75 na 100 isa eo.  

5. Ny hafanan'ny fasika no mametra na ho lahy na ho vavy ilay sokatra “luth” . 

Mbola ny fikambanana Amigos de las Tortugas Marinas ihany no manazava bebe kokoa izany : 

La temperatura del nido determina el sexo de las tortuguitas, temperaturas más altas resultan en hembras y un poco más bajas resultan en machos. Por lo cual podemos pensar que los huevos del tope que estarán más caliente por la radiación solar sobre la arena deberán resultar en hembras y los que están más profundos deben resultar machos, pero no siempre es así, pues hay otros factores como las lluvias y el oleaje que pueden afectar las temperaturas en el nido.  La temperatura promedio del nido es de unos 29.5°C – 85°F.

Ny hafanan'ny toerana fanatodizana no mametra ny filahiana na fivavian'ireo sokatra kely, ny mafana kokoa dia mahavavy azy ary ny mangatsiaka kokoa mahalahy azy. Noho izany, afaka eritreretina hoe ireo atody amin'ny farany izay mafana kokoa noho ny taratry ny masoandro eo amin'ny fasika dia ho lasa vavy ary ireo any amin'ny lalina ho lasa lahy, fa tsy tahàka  izany foana anefa ilay izy, satria misy mpitondra fanovàna hafa koa toy ny orana mifafy sy ny onja maro izay mety hampiova ny hafanan'ny toerana fanatodizana. Manodidina ny 29.5°C na 85°F eo ho eo ny hafanan'ny toerana fanatodizana. 

Ireo ambany ireo misy fanadihadiana fohy fa tena tsara momba ny sokatra ” luth “:

Part 1

Part 2

Part 3

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.