Mpianatry ny kolejy folo no maty ary 105 no naratra tamin'ny fidarabohan'ny tranobe iray tany Korea Atsimo tamin'ny 17 Febroary 2014. Ao amin'ny firenena izay mbola haingana loatra ny tsiaron'ny voina mahatsiravina tao Sampoong, izay nahafatesan'olona mihoatra ny 500, sy ireo fidarabohan'ny trano hafa mbola tadidin'ny olondehibe loatra, tondraky ny ahiahy amin'izao fiverimberenan'ny loza izao ny habaka an-tserasera sy ny adihevitra amin'ny hoe iza na inona no mila ampangaina rehefa misy ny tahaka izao.
Nitranga izao voina izao rehefa nisy ranomandry mavesatra nirodona teo amin'ny tafon'ny tranobe ahitana mpianatry ny taona voalohany avy amin'ny Oniversiten'i Pusan mianatra ny raharaham-bahiny nitoetra tao hanatontosa ny roa andron'ny fanoroana ny lalam-piofanana tokony arahina mialoha ny hirotsahana amin'ny enimbolana voalohany any.
Misy tatitra navoakan'ny gazety voalohany nanondro ny vaomieran'ny mpianatra nanomana ny lanonana [ko] tsy misy fanarahamason'ny oniversite ary indrindra indrindra, noho ny nisafidinana io toerana io, na any amin'ny Reny Natiora (lasy ankalamanjana). Nisy orampanala mavesatra [ko] tsy fahita mahazatra tao an-toerana sady nihoatra lavitra ny taham-pirotsahana ao amin'ny faritra nahazo ny tanànan'i Gyeongju nandritra ny andro maromaro misesy, ary ny vesatry ny ranomandry fotsiny, araka ny tatitra, dia efa nanery mafy andrim-by ka nampiongotra azy ireny.
Na izany aza, rehefa nandroso ny famotorana, dia maromaro ihany no tonga tamin'ny tsoa-kevitra fa voina vokatry ny nataon'olombelona azo sorohina ihany iny. Ilay fanorenana Manua Ocean Resort izay nirodana ohatra dia toa novitaina maimaika tao anatin'ny roa volana sy tapany monja [ko], ary hatramin'ny nahavitan'ny fanorenana tamin'ny 2009, dia tsy nisy fanaraha-maso fanao isam-potoana natao taminy [ko].
폭격도 아니고 눈이 쌓인 걸로 건물이 무너졌으니 1차적으로는 해당 건축물을 설계, 시공한 자들과 관리 운영해온 자들이 책임을 져야하지 대체 TL엔 부산외대가 돈이 없어서 총학생회가 부실한 곳으로 OT를 갔다니 하는 이야기가 왜 나오는건지..
— 박예나 (@epistazo2) February 17, 2014
Tsy tahaka ny tranobe nisy nidaroka baomba io, fa nirodana noho ny havesatry ny ranomandry fotsiny. Ny voalohany indrindra mendrika hotezerana dia ireo izay nanangana ny fanorenana sy ny manatontosa ny fikolokoloana azy. Fa maninona no misy olona sasantsasany ato amin'ny randram-baovaoko ato no mbola miresaka fa tsy ampy vola ny kolejy ka nanapa-kevitra ny vaomieran'ny mpianatra ny hisafidy toerana moramora kokoa hanaovana ny fanoroana ny lalam-piofanana tokony arahina?
백화점에 다리까지 붕괴되어보고도 이런 일이 생겨야하나.. 여태 토건에 풀린 돈이 얼만데..
— TERrY (@leetj20) February 17, 2014
Ahoana ny nahatongavan'izao toe-javatra izao, na dia eo aza ny vola nolaniana [hanamafisana] ny sokajin'asam-panorenana taozava-baventy, ary na dia nisy aza izany dia mbola mahita toera-pivarotana na tetezana mirodana isika?
삼풍백화점 붕괴, 성수대교 붕괴, 화성 씨랜드 참사, 인천 라이브호프집 참사, 태안 공주사대부고 해안 사설 병영캠프 참사.. 그 많은 ‘인재’ 참사에도 배운게 없나요? 경주 마우나리조트 대학생 OT 폭설 참사, 부모 마음으로 너무 참담하고 화납니다
— 표창원 (Changwon Pyo) (@DrPyo) February 18, 2014
Firodanan'ny Tsenambarotra Sampoong, Voinan'ny Hwaseong Sealand, Haitranon'ny Baran'i Incheon [ko], voinan'ny fanaovan-dasin'i Taean Manamoron-dranomasin… ireo rehetra ireo dia voina noho ny nataon'olombelona, mba efa nandray lesona avy amin'izy ireo ve isika? Tamin'ity fandraisam-bahinin'i Gyeongju Mauna ity dia mahatsiaro fadiranovana sy tezitra tokoa aho – noho ny fananako zanaka.
경주 리조트 붕괴와 신용카드 고객정보 유출 사건에는 공통점이 있습니다. 우리 사회에 만연된 위험감수(risk taking)의 문화입니다. 새로 일을 벌이는데만 관심이 있고, 세심하게 관리하거나 일어날 수 있는 위험에 대해서는 생각하지 않는 것입니다.
— 안철수 (@cheolsoo0919) February 18, 2014
Misy zavatra itovitovizana ihany eo amin'ny firodanan'ny toerana fandraisam-bahinin'i Gyeongju sy ny fisovohana tany amin'ny angon'ny karatry ny fananambola nitranga vao haingana: ny kolontsaina “tia mandray risika” ao amin'ny fiarahamonintsika. Samy mifantoka amin'ny fanangana-java-baovao avokoa izy rehetra ireo, saingy tsy mitandrina amin'izay voina mety hitranga na tsy miraharaha ny amin'ny tokony hanaovana fikolokoloana.
경주 마우나리조트 붕괴 현장 사진 http://t.co/QDu3UJJYOa by @nanamjmj 커뮤니티 사이트 ‘아이러브사커’ 한 회원이 올린 것입니다 pic.twitter.com/GbHDuHcYxP
— 위키트리 (@wikitree) February 17, 2014
Sary tamin'ny tatitry ny firodanana tao Gyeongju Mauna io, izay nozarain'ny mpiseraseran'ny vondro-piarahamonina an-tserasera ‘Tiako ny baolina fandaka’.