Mitohy Mandrak'Ankehitriny Ny Asa Ao Amin'ny Lakandranon'i Panama

Foto de Phil Parsons en Flickr, bajo licencia Creative Commons (CC BY-NC-SA 2.0)

Sary avy amin'i Phil Parsons tao amin'ny Flickr, Zon'ny mpamorona Commons license (CC BY-NC-SA 2.0)

[Mankany amin'ny pejjy miteny Espaniola avokoa ny rohy rehetra raha tsy misy fanamarihana hafa.]

Rehefa tonga ny fe-potoana farany, milaza ankehitriny ny vondron'orinasa mpanamboatra ny lakandrano GUPC ( Grupo Unidos por el Canal ) fa tsy hampihato ny asa izy izay mety hampihitsoka ny tetikasam-panitarana ny Lakandranon'i Panama.

Tapitra tamin'ny Alatsinainy 20 Janoary 2014 ny fe-potoana nitakian'ny GUPC vola fanampiny 1,6 miliara dolara avy amin'ny Manampahefanan'ny Lakandranon'i Panama hamenoana ny vola lazainy ho fandaniana mihoatra. Nandrahona hampiato tanteraka ny asa fananganana vavahadin-drano fahatelo ny GUPC, raha toa ka tsy misy ny fifanekena mikasika ny fandoavam-bola amin'io daty io.

Nandà handoa ilay vola fanampiny sy fifampiraharahana hafa ivelan'izay voalazan'ny fifanekena voalohany efa nosoniavin'ny GUPC ny Tompon'andraikitry ny Lakandranon'i Panama. Namoaka lahatsoratra tao amin'ny habakany Mi Canal ny Tompon'andrakitry ny Lakandrano izay nanazavany fa tsy mari-pototra ny fandrahonana ataon'ny GUPC ary mifanohitra amin'izay voalazan'ny fifanekena.

Niezaka nanao izay fomba rehetra azo heverina ny GUPC mba hisian'ny fifampiraharahana ivelan'ny fifanekena, saingy nolavin'ny Tompon'andraikitry ny Lakandrano hatrany ny fitadiavana fomba hafa tsy manaja amin'ny fomba mazava izay voalazan'ny fifanekena. Satria ahitana orinasa Eoropeana telo ilay vondron'orinasa, dia naroso ny hanelanelanan'ny Vondrona Eoropeana amin'ny disadisa, azo atao saingy nolavin'ny Tompon'andraikitry ny Lakandrano an-kitsirano, izay nanantitrantitra fa tokony hanaja izay voalazan'ny fifanekena ny roa tonta.

Na dia eo aza izany, nilaza ny GUPC fa tsy hampiato ny asa manomboka amin'ny 20 Janoary, tamin'ny filazana fa ny fampitandremana fe-potoana farany dia milaza fotsiny ny hametrahana daty fampitsaharana asa raha tsy misy ny fifanarahana vita. Na dia izany aza, nitatitra ny mpitantana ny Lakandrano, Jorge Quijano fa tratra aoriana 30% noho ny fizotry ny fanamboarana mahazatra ny asa vita, ka mety hiteraka fanemora-potoana izay tsy azo hamarinina sy fanitsakitsahana ny fifanarahana.

Nandiso fanantenana ireo Panameana, izay manasokajy ny Lakandrano ho lovam-pirenen-dry zareo, izao fahasarotana sy tsy fisian'ny mangarahara avy amin'ny vondron'orinasa izao. Nisy mihitsy vondrona nikarakara fihetsiketsehana ho amin'ny Alarobia 22 Febroary.

La protesta ante embajada de España VA! Miércoles 22 al mediodía LLEvar espejitos, bandera Panameña y DIGNIDAD. Basta de chantajes de GUPC!

— Miguel A. Bernal V. (@MiguelABernalV) January 20, 2014

Fihetsiketsehana eo anoloan'ny masoivoho Espaniola. Tongava daholo! Alarobia 22 atoandro, mitondrà fitaratra kely, sainam-pirenena Panamaniana sy ny AMBO-PONAO. Ampy izay ny kenda roroky ny GUPC!

Mpisera Twitter “Vía Noticias y Más’ niombo-kevitra tamin'ireo Panameana maro izay matoky sy manantena fa horaisin'ny Manampahefana misahana ny Lakandrano (ACP) an-tanana ny asa fanamboarana.

Fotoana izao handraisan'ny ACP ny asa fanitarana ny Lakandranon'i Panama sy hialana amin'ny GUPC.

Mpanao politika, José Blandon kosa nihevitra fa miezaka maneritery an'i Panama mba handoa vola betsaka tsy araka izay nifanarahana ireo orinasa Eoropeana:

Aza miditra amin'ny lalao maloton'ireo olon'ny GUPC ireo! Fantatr'izy ireo fa miankina amin'ny ain-dehiben'i Panama ny fotoana ary izay no anton'ny fanaovana kendaroroka.

Ho an'i Rubén Córdoba kosa, ny fomba atao dia ny anesorana an-keriny ny ekipa amin'ny GUPC ary manao fifanarahana amin'ny orinasa hafa mba hamita ny asa:

Tokony hanala ny GUPC tsy hisahana ny Lakandrano intsony ny ACP, gadraina ny ekipa ary mifampiraharaha amin'ny orinasa Amerikana/Japoney amin'ny fahaiza-manaony.

Diso fanantenana i Mirla Maria ary mangataka mba hialan'izy ireo amin'ilay vondron'orinasa ary tsy hamela azy ireo hanohy ny asam-panitarana intsony:

Maninona raha dakan'izy ireo any ireto Espaniola tsy menatra ireto ary tsy avela hiverina intsony.

Raha mbola mijoro ny fampitandremana ny fe-potoana farany omen'ny GUPC, dia mety hiato amin'ny fotoana rehetra ny asa. Ary na dia tsy nahitana fiatoana asa tanteraka aza ny 20 Janoary, mihisatra ny asam-panamboarana ka mihevitra ny olona fa hiafara amin'ny fandraisan'ny Manampahefan'ny Lakandranon'i Panama fepetra izany

2 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.