Mameno Ny Kihon-Dalan'i San Juan Tranainy Ny Fetiben'Ny Lalana Masindahy Sebastian Poertorikana

Calle San Sebastián

San Sebastián Street, Old San Juan, Puerto Rico.

Ankalazaina isaky ny faran'ny herinandro fahatelo amin'ny volana janoary ilay fetibe an-dalambe malaza fanao ao amin'ny Lalana San Sebastián (Saint Sebastian) amin'ny faritra tranainin'i San Juan, renivohitr'i Puerto Rico. Ho an'ny olona maro, dia io no mamarana tanteraka ny fiafaran'ny vanim-potoanan'ny Krismasy. Ireo izay tsy zatra ny fomba nentim-paharazana PoertoRikana dia mety hieritreritra fa ao amin'ny Lalamben'i San Sebastián ihany no ankalazana azy. Ny zavamisy dia nisy fitomboana be araka ny fandehan'ny fotoana ilay fankalazana ka lasa nihoatra ny fetran'ny arabe, dia lasa mahazo an'i San Juan tranainy iray manontolo, araka ny porofoin'ny video [lahatsary]:

Tamin'ny voalohany ny Fetibe dia natao hanomezam-boninahitra an'i Masindahy Sebastian, teraka tany Narbonne, Frantsa, izay lasa maritiora noho ny tsy fihemorana tamin'ny finoana kristiana nandritra ny taonjato fahatelo CE. Eo amin'ny fanehoana an-tsary Katolika, dia aseho amin'ny alalan'ny tsipika maro sy mifatotra amin'ny hazo iray izy.

Nandritra ny taompolo 1950, ny fankalazana nentin-drazan'ny fetibe ho fankalazana an'i Masindahy Sebastian no fomba fanangonam-bola hanamboaran-trano tao amin'ny fiangonan'i San José tao amin'ny San Juan Tranainy. Tsy nitohy ilay fomba hatramin'ny 1970 taona maromaro taty aoriana, rehefa nanolo-kevitra tamin'i Rafaela Balladares, a resident of San Sebastián Street hanohy ilay fomba ilay arkeology, mpahay tantara, ary anthropology Ricardo Alegría. Izany no fomba nahaterahan'ilay Fetibe, ary ny andiany faha-44 no ankalazaina amin'ity taona ity.

Amin'izao fotoana izao moa ny fetibe dia tsy ahitana intsony ilay marika maha-fivavahana azy, sy ny niofoany ho fetiben'ny tanàna izay mahazo olona mihoatra ny 300.000 isan-taona.

Eto aho no mizara ny sasantsasany amin'ny sary nopihako nandritra ny fitsidihako ny fetiben'ny tamin'ity taona ity:

Mirada a la Calle del Cristo, por donde subían muchas personas a la Calle San Sebastián.

Ity no Calle del Cristo (Lalan'i Kristy), izay andalovan'ny olona maro hankanesana ho any amin'ny Lalana San Sebastián.

Fachada del Centro de Estudios Avanzados, sede del Comité Organizador de las Fiestas de la Calle San Sebastián y donde se podían encontrar libros, artesanías, comida y diferentes actividades.

Manoloana ny Ivontoeran'ny Fianarana Ambony ao Puerto Rico sy Karaiba ao Calle del Cristo, foiben-toeran'ny Komity Mpanomana ny Fetiben'ny Lalana San Sebastián, sy ahitana ny boky, asa tanana ary asa maro hafa.

Los cabezudos son un tipo de máscara utilizada en las procesiones tradicionales de las Fiestas de la Calle San Sebastián. Estos cabezudos fueron hechos por el colectivo de teatro Agua, Sol y Sereno.

Cabezudos (Loha Goavana) karazana sarontava ampiasaina amin'ny filaharambe nentim-paharazana amin'ny Lalamben'i San Sebastián. Cabezudos vita amin'ny tahiry fanao amin'ny tantara tsangana iraisana Agua, Sol y Sereno (Rano, Masoandro ary Fanginana), izay atao tolotra ao amin'ny Plaza de la Barandilla.

Estos son pedazos de caña de azúcar recién cortados. De aquí se saca...

Fary vao notapahina hita ao amin'ny kioska hita ao amin'ny Ivontoeran'ny Fianarana Ambony ao Puerto Rico sy Karaiba.

El guarapo es una bebida refrescante hecha del jugo de la caña de azúcar. Es difícil de conseguir, ya que exprimir las cañas de azúcar cuesta mucho trabajo.

Ny Guarapo dia fanalanahetaheta vita amin'ny fary. Sarotra tanehina satria maka fotoana be dia be ny manindry azy.

En las Fiestas también se estaban recogiendo firmas solicitando la excarcelación del prisionero político Oscar López Rivera.

La Plaza Colón (Kianjan'i Columbus) iray amin'ny toerana ivondronan'ny olona hanangonan-tsonia hamoahana ilay gadra politika Oscar López Rivera.

All images were taken by the author.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.