Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mitatitra amin'ny firenena 167 izahay. Mandika amin'ny fiteny 35 izahay. Izahay (Isika) no Global Voices.

Mihoatra ny 800 izahay manerantany no miasa miaraka hitondra vaovao tsy dia fahitanao loatra. Saingy tsy afa-manao izany samirery izahay. Fa na dia mpilatsaka an-tsitrapo aza ny ankamaroanay, dia mbola mila ny fanampianao hatrany hanohana ny tonia, ny mpahay teknolojia, ny tetikasa fanentanana sy fiarovana, ary ireo mpisahana lanonana (fivoriana) avy ato aminay.

Mandraisa anjara ary ankehitriny »
GlobalVoices anaty

Birmania Tamin'ny 1897: Saripika 10 Rakitry Ny Ela

Amin'ny alàlan'ny kaontiny Flickr, nosokafan'ny “British Library” ho an'ny daholobe ireo ahirintsariny samihafa ahitàna saripika manan-tantara, sarintany, ary fanaingoana maro hafa avy amin'ireo firenena manerana ny tany. Boky roa natonta tamin'ny 1897 no hitanay, izay nirakitra saripika taminà fitetezana an'i Birmania (Myanmar). Manome topimaso mahaliana mikasika ny fiainan'ny fiarahamonina Birmana nandritry taonjato faha-19 lasa teo izy ireny.

Ireto ambany ireto ny saripika dimy notsongainay tamin'ny boky ‘Mivenjivenjy ao Birmania’ nosoratan'i George W Bird:

Alguada Lighthouse

Fara Alguada

Sagaing Hills

Havoana Sagaing

A steamer at Irrawaddy River

Sambo mandeha amin'ny entona teo amin'ny renirano Irrawaddy

Cargo steamers

Sambo mahazaka betsaka, mandeha amin'ny entona

A pagoda in Rangoon

Pagoda iray tao Rangoon

Namoaka ny boky ‘Picturesque Burma’ koa i Alice Hart tamin'ny 1897. Ireto ambany ireto ny saripika sasany avy amin'io tahiry io :

burma carriage

Taming a wild elephant

mamolaka elefanta dia

Net fishing

Jono amin'ny harato

Bamboo houses

Trano volontsangana

burma women

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.


Renim-paritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny