Nobahanan'ireo mpanome tolotra aterineto ao amin'ny Repoblika Islamika tsy hidirana ny WeChat hoy ireo tatitra any amin'ireo tranonkalam-baovao sy bilaogy marobe [fa]. Ny WeChat dia fampiasa iray anaty finday ahafahan'ireo manana smartphone miditra anaty tambajotran-tserasera ety anaty aterineto. Raha toa ny filoha Iraniana izy tenany mihitsy, ary farafahakeliny roa amin'ny ministra ao aminy no mampiasa sehatra media sosialy isankarazany mba hifandraisana amin'ireo mpanjohy an-dry zareo, ny olom-pirenene Iraniana kosa voaràra tsy ho afa-miditra amin'ny tranonkala toy ny Facebook.
Nibitsika mikasika ilay vaovao i “Iran Vatan Dust” [fa] :
خسته نباشن.. در مرحله بعدی تو فکرن چطوری افکار ملت رو هم فیلتر کنن #ویچت
— ایران وطن دوست Iran (@vattandoost) December 19, 2013
Ny zavatra manaraka hitranga dia ny eritreritry ny olona mihitsy no andraman-dry zareo tatavanina.
Nibitsa i Faaar Ranak [fa]:
اگه از #ویچت استفاده میکنین یا نه اصلا مهم نیست! مگه نمیفهمین این که #فیلتر میکنن مشکل اصلیه!
— Faaar Rannak (@FaaaRRannak) December 19, 2013
Tsy olana loatra na mampiasa ny WeChat ianao na tsia. Ny tena olana fototra dia ny fanivànan-dry zareo azy io.
Manoratra i Gilboygreen, Iraniana bilaogera, [fa]:
Nahoana no nosivanin'ny Repoblika Islamika ny WeChat? Satria matahotra ry zareo rehefa injay mifampiresaka ny olona samy olona. Androany, mety hitranga ny hoe ho voasivana izay [fampiasa iray] manana endrika fifampiresahana. Inona no antony mahatonga ny olona tsy hahazo alàlana hifampiresaka? Tokony hovalian'ireo manampahefana io fanontaniana io. Rehefa voabahana ny fantsona iray hifampiresahana, hifanakalozana hevitra ary hiseraserana, ahoana no iandrasanao ny olona hamaha ireo olana ao anaty fiarahamonina amin'ny alàlan'ny fifampiresahana?… Aza atahoranao ny teny hoe “chat”. Tsotra ny Chat, hetsik'olombelona, eken'ny fiarahamonina samihafa.
Bilaogera iray hafa i “1ironi” no manoratra hoe [fa]:
Araka ny lalàna tsy voasoratra [nentin-drazana], na inona na inona vokatra avy any ivelany, tafiditra amin'izany ny sakafo, izay sambany miditra ao Iran dia voaràra avokoa… Betsaka ny ohatra azo raisina amin'ity karazam-bokatra kinendry ity, tahaka ny fihinanana voatabia, ny fijerena fahitalavitra [nopetahana marika ho heloka Haram avokoa ireny]. Betsaka ireo Parlemantera no nampakatra ny tsindrin'izy ireo mba handraràna ny WeChat, saingy mbola azontsika ampiasaina izany amin'ny alàlan'ny psiphon [rindrambaiko fandinganana]
Mibilaogy amin-keso ny “Iran-man-massoud” amin'ny fanondroana ny filoha vaovao ao Iran [fa]:
Misaotra anao ry Rouhani.