‘Tsy Ao Tsara Isika !’ Afisy Mivezivezy Any Amin'ny Anjerimanontolo Koreana Tatsimo

Bodoy i Wall Street amin'ny endriny Koreana ve izao hitantsika izao ?

Afisy iray sora-tànana nataonà mpianatra iray eny amin'ny anjerimanontolo nanambara ny fahasahiranan-tsain'ireo mpianatra manoloana ny tsy rariny ara-tsosialy sy ny toe-draharaha politika ankehitriny no nivezivezy be, na izany tao  anaty serasera na teny ivelany, tao Korea Atsimo. Natosiky ny aingam-panahy avy amin'ilay afisy nantsoina hoe “Tsy salama isika”, izay mitanisa olana ara-tsosialy isankarazany toy ny antony mahatonga “antsika tsy ho salama”, nanomboka nanoratra ny afisiny manokana ireo Koreana tanora ary nandrakotra tamin'ny hafatr'izy ireo ny fàfana fametahana filazana tao amin'ny toeram-ponenan'ny mpianatra.

Tamin'ny herinandro lasa teo, Ju Hyun-woo, mpianatra iray ao amin'ny Anjerimanontolon'i Korea, dia nanoratra ity hafatra eto ambany ity natao tanaty taratasy roa lehibe ary nametaka izany tamin'ny fàfana fametahana filazana tao amin'ny sekoliny. Mitanisa ireo olana ara-tsosialy nandrehitra ireo hetsi-panoherana ny hafatr'i Ju, tafiditra amin'izany ny  tantara ratsin'ny fanodinkodinana ny fifidianana filoham-pirenena; fandroahana faobe ireo mpiasan'ny lalamby; ny tolon'ny zokiolona mponinan'ilay tanàna kely ao Milryang manohitra ny fanorenana andry lehibe iray hitaterana herinaratra avo dia avo; ny kolikoly ataon'ireo vondron'orinasa matanjaka; ary ny tsenan'asa tsy azo antoka mila fandraisana fepetra haingana.

Avy eo izy niantso ireo mpiara-mianatra aminy: “Te mba hanontany anareo fotsiny aho, ‘Ao tsara ve ianareo?’ Metimety ve ianareo amin'ny fodiana tsy mahita ireny olana ireny satria tsy olanareo izy ireny? Mba te-hanontany fotsiny aho raha toa ianareo mahatsiaro ho ao tsara amin'ny fiafenana ao ambadiky ny hoe leo politika mba hanamarinanareo ny tenanareo. Ary raha tsy ‘ao tsara’ àry ianareo taorian'ny nahitàna ireny olana rehetra ireny, dia lazao ny fomba fijerinareo – na inona izany na inona”

Ju's hand-written poster which sparked this movement

Nanainga ny fanahin'ireo Koreana maro mba hanao toy izany koa ilay afisy lehibe sora-tànan'i Ju manazava ny fiasàny loha amin'ireo olana ara-tsosialy isankarazany. Sary nakàrina tao amin'ny pejy Facebook ‘Tsy afaka ny ho ao tsara’. Fampiasàna nahazoana alàlana

Taorian'ny fanehoan-kevitra nipoapoaka mikasika ilay afisy tao amin'ny toeram-ponenan'ny mpianatra, niparitaka toy ny vanja mipoaka [ko] tany amin'ireo anjerimanontolo manerana ny firenena ilay izy. Mihoatra ny 20 ireo anjerimanontolo lehibe tao anatiny sy ivelan'i Seoul no nanatevina laharana hatreto, isan'ireny ny Anjerimanontolom-pirenena ao Seoul, Yonsei, Hanyang, Ewha, KAIST, ny Anjerimanontolo Pusan, sy ny maro hafa. Hatraminà mpianatra iray ao amin'ny Anjerimanontolon'ì California ao Berkley any Etazonia aza, sy ny sasany amin'ireo mpianatra amin'ny ambaratonga ambony no nanaraka ny diany (jereo ny sary etsy ambany)

Pejy Facebook iray mitondra anarana hoe “Tsy afaka ny ho ao tsara” [ko] no napetraka mba hizaràna ireo saripika mirarak'ompana. Tanaty herinandro iray dia nahazo mpitia 262.000 izy io, ary ny Afisin'i Ju, izay nanainga ilay hetsika dia nahazo mpitia maherin'ny 2.000 sy nozaraina efa ho in-440. Ireto ambany ireto misy saripika enina avy amin'ny pejy Facebook “Tsy afaka ny ho ao tsara”, naverina navoaka rehefa nahazoana alàlana: 

dsafa

Mpianatra iray mitàna soratra anaty fàfana eo anoloan'ny afisy iray. Mivaky toy izao ny soratra, “tsy ao tsara aho miaraka amin'ity demaokrasian'ny firenena izay mitambotsitra mihemotra ity.

dasdfa

Afisy “Tsy Ao Tsara Isika” marobe mandrakotra ireo fàfana fametrahana filazana tao amin'ny Anjerimanontolon'i Korea. Nivaky toy izao ny fanolorana ilay sary tao amin'ny Facebook, “Afisy efa ho 40 no naraikitra teo amin'ny fidirana tary ambadiky ny tranoben'ny Departemanta Fianarana Politika sy Toekarena ao amin'ny Anjerimanontolon'i Korea “

 

ddddddd

Afisy “Tsy Ao Tsara Isika” tao amin'ny Anjerimanontolom-Pirenen'i Seoul .

 

ddddd

Afisy “Tsy Ao Tsara Isika” tao amin'ny Anjerimanontolon'i Yonsei

sadfsa

Afisy “Tsy Ao Tsara Isika” tao amin'ny Anjerimanontolon'i Hanyang

sadf

Afisy “Tsy Ao Tsara Isika” tao amin'ny Anjerimanontolon'i Pusan

Marobe ny mpanao gazety nanadihady [ko] ny antony nahatonga ilay afisy ho nalaza be teny anivon'ny mpianatra, ary namintina fa noho ilay afisy tsy miaty fanambaràna politika avy aminà vondrona politika manana tombontsoa manokana, fa tonga dia “fanehoan-kevitr'olona manokana nosoratana tamin'ny endrika fifampiresahana aminà mpiara-mianatra” izay mizara ny hirifiry sy adin-tsain'ny tanora, fitoloman'ny Koreana.

Maro koa ny mpampiasa Twitter mizara saripika misy afisy natao sora-tànana :

Tao amin'ny Anjerimanontolo natao ho an'ny Vehivavy ao Sookmyung. Avy amin'ny ilany mankany amin'ny ilany iray dia “Tsy Ao Tsara Isika” no mameno tanàna. Nisy nanoratra teo hoe, “Tsy nahavita nahita tory mihitsy aho hatry ny halina, taorian'ny namakiako ireny afisy ireny”. Toy ny hoe nampanakoako zavatra tany anaty lalin'ireo mpianatra ireny afisy ireny.

Afisy sora-tànana iray “Tsy Ao Tsara Isika”, nosoratan'i Shin Eun-je sy Park Moo-young. Napetaka teo amin'ny fàfana famelàna hafatry ny [Anjerimanontolon'i California ao] Berkley. Nanomboka niparitaka erak'izao tontolo izao izy io.

Ity sary iray ahitàna afisy “Tsy Ao Tsara Isika” an'ny zokiolona ao amin'ny  Sekoly Ambony ao Hyosung

Taorian'ny nielezan'ilay fomba fanao, ny Anjerimanontolon'i Korea dia nanapa-kevitra hitahiry [ko] ny afisin'i Ju ho ao amin'ny fitahirizana vakoky ny anjerimanontolo, ary hampiditra azy io ho toy ny “antontan-taratasy iray momba ny hetsika demaokratika”.

Eo ambanin'ny sorabaventy hoe “Tsy Ao Tsara Isika”, nisy andianà mpianatra avy amin'ny Anjerimanontolon'i Korea nivoaka ivelan'ny aterineto ary nanao fihetsiketsehana tamin'ny 14 Desambra lasa teo

Tao amin'ny fiantsonan'ny fiarandalamby ao Seoul, ny 14 Desambra 2013

Fidirana ao an-damosin'ny Anjerimanontolon'i Korea, ny 14 Desambra 2013

Naneho hevitra mikasika ity afisy niparitaka be ity ilay mpanoratra ankamamian'ny maro sady mpandafo betsaka eo amin'ny firenena, Gong Ji-young :

Ny teny manamarika ny taona 2013 dia ny hoe “Tsy Ao Tsara Isika”. Fahatongavan-tsaina sy fahasahian'ny mpianatra iray dia nampihonjona ny firenena iray manontolo tamin'ity ririnina ity. Tsy misy olona na iray aza ka azo tsinontsinoavina

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.