‘Ny Vehivavy Dia Tokony Hanaiky’, Sy Tolo-hevitra Hafa Mivoaka Amin'ny Karoka Google

Nampiasa ny Google Autocomplete (tolo-kevitra mivoaka ho azy amin'ny karoka) ireo andianà dokambarotra avy amin'ny Vehivavin'ny Firenena Mikambana (ONU) [anglisy] izay nambara tamin'ny faran'ny volana oktobra mba hijerena ireo fihetsika tsy mampandroso sasany mihanaka eny amin'ny vehivavy. Nanaraka ireo fihetsika nandritra izany hetsiky ny Vehivavin'ny Firenena Mikambana izany ny Global Voices ary nitondra ny traikefany amin'ireo fiteny samihafa. Namoaka fiihetsika malaza, izay tsy mikasika ny andraikitra ara-piarahamonin'ny vehivavy ihany ireo vokatry ny karoka notontosaina nandritra ny fanentanan'ny Vehivavin'ny Firenena Mikambana sy ny Global Voices fa momba ny ara-nofo, ny toe-batana sy ny fifandraisana mbamin'ny fiarahana amin'ny lehilahy ihany koa.

UN Women ad featuring Google autocomplete suggestions for the phrase "women shouldn't"

Vehivavin'ny Firenena Mikambana mampiseho ny toro-hevitra  “Google autocomplete” amin'ny fehezan-teny hoe “ny vehivavy dia tsy tokony”

Ireo mpamorona ny dokambarotry ny Vehivavin'ny firenena mikambana dia nampiasa fehezanteny nokarohana tahaka ny hoe “ny vehivavy dia tsy mahazo”, “ny vehivavy dia tsy tokony” , “ny vehivavy dia tokony” ary ny hoe “ny vehivavy dia mila”, ary nofenoin'ireo toro-hevitra tena izy nokarohana tao amin'ny Google, mba hahitana mazava ireo fitsarana an-tendrony marobe tsy mampandroso, sy ireo fijery ara-nofo sy manavakavaka tafahoatra mihatra amin'ireo vehivavy avy amin'ny fiarahamonina manerantany. Nanjary lasa buzz [anglisy] vetivety izany dokambarotra izany ka niteraka adihevitra mafana tao amin'ny aterineto. Tamin'ny herinandro lasa teo, nanambara ireo mpamorona ny dokambarotra fa mikasa hanitatra ny hetsika izy ireo ho setrin'ireo fanehoan-kevitra marobe tao amin'ny aterineto.

Ny fiasan'ny auto-complete (fanangonana mandeha hoazy) rehefa mampiditra karoka, araka ny voalazan'ny Google dia mahafantatra mialoha izay tadiavin'ny mpiserasera, mifototra amin'ny asa fikarohana ataon'ireo mpampiasa ny habaka, sy ny votoatin'ireo pejy misy tovana koa. Mety misy ifandraisany amin'ireo fikarohana teo aloha nataon'ny mpiserasera tsirairay avy izany fahafantarana mialoha izany raha niditra tao amin'ny kaonty Google-ny izy ireo.

Nangataka tamin'ireo mpandray anjara manerantany ny Global Voices mba hanao karoka amin'ny Google, amin'ny fiteniny tsirairay, avy amin'ny fampiasana izany fehezan-teny izany na ny mitovitovy amin'izany tahaka ny ampiasain'ny hetsiky ny Vehivavin'ny Firenena Mikambana. Nampiseho fihetsika momba ny andraikitra izay heverina fa raisin'ny vehivavy eo amin'ny fiarahamonina ireo karoka natao tanelanelan'ny 19 sy 25 oktobra 2013, ary mampiseho matetika ireo fitsarana an-tendrony mahazatra amin'ny ankapobeny, saingy indraindray kosa mampiseho ny mifanohitra amin'izany arakarak'ireo firenena samihafa. Ireto ambany ireto fikarohana natao tamin'ny fiteny 12 avy amin'ny firenena sy kaontinanta samihafa:

Espaniola

Shily

"Women should not...". A screen shot by Silvia Viñas, October 21, 2013.

“Ny vehivavy dia tsy tokony…”. Pikantsary avy amin'i Silvia Viñas. 21 Oktobra 2013.

Ny vehivavy dia tsy tokony…
Ny vehivavy dia tsy tokony mitoriteny
Ny vehivavy dia tsy tokony miasa
Ny vehivavy dia tsy tokony mandray fitenenana mandritra ny fivoriana
Ny vehivavy dia tsy tokony mitondra fiara

Però

"Women cannot..." A screenshot by Juan Arellano. October 21, 2013.

“Ny vehivavy dia tsy mahazo…” Pikantsary avy amin'i Juan Arellano. 21 Oktobra 2013.

Ny vehivavy dia tsy mahazo…
Ny vehivavy dia tsy mahazo mitoriteny
Ny vehivavy dia tsy mahazo manao pasitera
Ny vehivavy dia tsy mahazo manome rà
Ny vehivavy dia tsy afaka mivelona raha tsy misy lehilahy

Poerto Riko

"Women should...". A screenshot by Firuzeh Shokooh Valle. October 21, 2013.

“Ny vehivavy dia tokony…”. Pikantsary avy amin'i Firuzeh Shokooh Valle. 21 Oktobra 2013.

Ny vehivavy dia tokony…
Ny vehivavy dia tokony hanaiky
Ny vehivavy dia tokony hisarom-boaly
Ny vehivavy dia tokony hitoriteny
Ny vehivavy dia tokony hiasa

Frantsay

Frantsa

"Women should...". A screenshot by Suzanne Lehn. October 21, 2013.

“Ny vehivavy dia tokony…”. Pikantsary avy amin'i Suzanne Lehn. 21 Oktobra 2013.

Ny vehivavy dia tokony…
Ny vehivavy dia tokony mijanona any an-trano
Ny vehivavy dia tokony miasa
Ny vehivavy dia tokony mitoriteny
Ny vehivavy dia tokony manao zipo
Ny vehivavy dia tokony ho mpanaiky
Ny vehivavy dia tokony mahafantatra
Ny vehivavy dia tokony mifidy
Ny vehivavy dia tokony mijanona any an-trano
Ny vehivavy dia tokony miasa
Ny vehivavy dia tokony mahandro sakafo

"Women don't know...". A screen shot by Rayna St. October 21, 2013.

“Ny vehivavy dia tsy mahay…”. Pikantsary avy amin'i Rayna St. 21 Oktobra, 2013.

Ny vehivavy dia tsy mahay…
Ny vehivavy dia tsy mahay mitondra fiara
Ny vehivavy dia tsy mahafantatra izay tadiaviny
Ny vehivavy dia tsy mahay mitia
Ny vehivavy dia tsy mahay mamaky sarintany

Arabo

Ejypta (mitovy ny voka-pikarohana tao Jordania)

"Woman cannot...". A screenshot by Tarek Amr. October 21, 2013.

“Ny vehivavy dia tsy mahazo…”. Pikantsary avy amin'i Tarek Amr. 21 Oktobra 2013.

Ny vehivavy dia tsy mahazo…
Ny vehivavy dia tsy afaka mivelona raha tsy atao mariazy
Ny vehivavy dia tsy afaka mivelona raha tsy misy lehilahy
Ny vehivavy dia tsy mahay mitàna tsiambaratelo
Ny vehivavy dia tsy mahatakatra ny fahanginan'ny lehilahy

Shinoa

"Women cannot...". A screenshot by Gloria Wang. October 21, 2013.

“Ny vehivavy dia tsy mahazo…”. Pikantsary avy amin'i Gloria Wang. 21 Oktobra 2013.

Ny vehivavy dia tsy mahazo…
Ny vehivavy dia tsy mahazo mahay be loatra
Ny vehivavy dia tsy mahazo mitondra fiara
Ny vehivavy dia tsy mahazo miteraka
Lohahevitra 10, ny vehivavy dia tsy mahazo miady hevitra amin'ny vadiny

Romaniana

"Women should not...". A screenshot by Diana Lungu. October 21, 2013.

“Ny vehivavy dia tsy tokony…”. Pikantsary avy amin'i Diana Lungu. 21 Oktobra 2013.

Ny vehivavy dia tsy tokony…
Ny vehivavy dia tokony hotiavina fa tsy
Ny vehivavy dia tsy tokony hohenoina
Ny vehivavy dia tsy tokony hanao pataloha
Ny vehivavy dia tsy tokony hanao zavatra eo ambony fandriana

 Italiana

Italy

"Women should...". A screenshot by Gaia Resta. October 22, 2013.

“Ny vehivavy dia tokony…”. Pikantsary avy amin'i Gaia Resta. 22 Okctobra 2013.

Ny vehivavy dia tokony…
Ny vehivavy dia tokony mijanona ao an-trano
Ny vehivavy dia tokony miasa mafy mba hahazo
Ny vehivavy dia tokony mijanona ao an-dakozia
Ny vehivavy dia tokony hoesorina

"Women should not...". A screenshot by Gaia Resta. October 22, 2013.

“Ny vehivavy dia tsy tokony…”. Pikantsary avy amin'i Gaia Resta. 22 Oktobra 2013.

Ny vehivavy dia tsy tokony…
Ny vehivavy dia tsy tokony omena rariny
tsy tokony hiasa
tsy tokony omena rariny fa tiavina
tsy tokony mamaky teny

 Alemàna

Alemàna

"Woman should not...". A screenshot by Katrin Zinoun. October 21, 2013.

“Ny vehivavy dia tsy tokony…”. Pikantsary avy amin'i Katrin Zinoun. 21 Oktobra 2013.

Ny vehivavy dia tsy tokony…
Ny vehivavy dia tsy tokony mampianatra
Ny  vadiko dia tsy tokony miasa

"Woman can...". A screenshot by Katrin Zinoun. October 21, 2013.

“Ny vehivavy dia mahazo…”. Pikantsary avy amin'i Katrin Zinoun. 21 Oktobra 2013.

Ny vehivavy dia mahazo….
Ny vehivavy dia tsy mahazo tonga
Ny vehivavy dia tsy mety bevohoka
Ny vehivavy dia tsy mahazo mahandro
Ny vehivavy dia tsy mety mahazo zazakely

 Hebreo

"Women don't...". A screenshot by  Gilad Lotan. October 21, 2013.

“Ny vehivavy dia tsy…”. Pikantsary avy amin'i
Gilad Lotan. 21 Oktobra 2013.

Ny vehivavy dia tsy…
Ny vehivavy dia tsy miasa
Ny vehivavy dia tsy maotina
Ny vehivavy dia tsy mahay mitondra fiara
Ny vehivavy dia tsy te-hanan-janaka

 Hongariana

"A woman should be...". A screenshot by Marietta Le. October 21, 2013.

“Ny vehivavy dia tokony ho…”. Pikantsary avy amin'i Marietta Le.
21 Oktobra 2013.

Ny vehivavy dia tokony ho…
ny vehivavy dia tokony ho lehibe ao an-dakozia
  ny vehivavy dia tokony ho mahafatifaty sy masiaka

 Danois

"Women cannot...". A screenshot by Solana Larsen. October 20, 2013.

“Ny vehivavy dia tsy mahazo…”. Pikantsary avy amin'i Solana Larsen. 20 Oktobra 2013.

Ny vehivavy dia tsy mahazo…
Ny vehivavy dia tsy mahazo mitondra fiara
Ny vehivavy dia tsy mahazo manara-maso ny  fivaviany
Ny vehivavy dia tsy tokony ho daltoniana (marary maso mampifanfaro loko jerena)
Ny vehivavy dia tsy mahazo manao “barbecue”

Amin'ny teny danoà, nanome vokatra mitovy ny “vehivavy dia tsy mahazo” sy ny “vehivavy dia mahazo”.

Rosiana
Rosia

"Women should not...". A screenshot by Veronica Khokhlova. October 19, 2013.

“Ny vehivavy dia tsy tokony…”. Pikantsary avy amin'i Veronica Khokhlova. 19 Oktobra 2013.

Ny vehivavy dia tsy tokony…
Ny vehivavy dia tsy tokony hino
Ny vehivavy dia tsy tokony hanainga zavatra mavesatra…
Ny vehivavy dia tsy tokony hisotro (toaka)
Ny vehivavy dia tsy tokony hinoana

 Anglisy

UK

"Women should...". A screenshot by Annie Zaman. October 25, 2013.

“Ny vehivavy dia tokony…”. Pikantsary avy amin'i Annie Zaman. 25 Oktobra, 2013.

Ny vehivavy dia tsy tokony…
Ny vehivavy dia tsy tokony hojerena sy hohenoina
Ny vehivavy dia tokony hijanona ao an-trano
Ny vehivavy dia tokony hahafantatra ny toerana misy azy

Tsy ny karoka rehetra nentin'ny mpikambana ato amin'ny Global Voices no mivadika ho voambolana miiba. Saingy, manamafy ny ahiahin'ny vehivavin'ny Firenena mikambana ny vokatry ny andrana, fa mbola be ireo ezaka tokony atao mba hampandrosoana ny zon'ny vehivavy manerana izao tontolo izao.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.