Mampiverina Ny Resaka Mangarahara, Filaminana, Asa-gazety Ary Fananahana Ny Raharaha Chelsea Manning

Chelsea Manning, na Bradley Manning* teo aloha, dia miaramila tao Etazonia namoaka dosie efa ho 700.000 milaza fa mandika ny fifanarahana tao Geneva ny governemanta Amerikana, toy ny famonoana olona feno habibiana nataon'ny miaramila Amerikana tao Iraka sy Afghanistan, ary an-jatony koa ny telegrama diplomatika amerikanina navoakany.

Noho io, Voasazy 35 taona an-tranomaizaina izy, izay sazy lava indrindra ho an'olona mpamoaka dosie tsy tokony atao ampahibemaso, ary lava noho ny sazy ho any mpampihorohoro gaigilahy. tsara ny manamarika fa 60 taona ny sazy nandrasan'ny mpiampaga azy, na dia tsy voamarina aza fa tena nisy fiatraikany ity ampamoaka ny Manning ity satria mbola tsy nisy na iray aza ny miaramila na mpitsikilom-panjakana Amerikana US no namoy ny ainy. Fanamelohana ho faty moa ny sazy tokony miandry azy noho ny “fanampiana ny fahavalo” fa nolavin'ny mpitsara nitarika ny fotoana.

Na i Manning aza dia niaiky fa mifanohitra amin'ny lalàna ny zavatra nataony, afa-tsy ny fanampiana ny fahavalo. Hoy izy ao amin'ny taratasy nosoratany ho an'i Prezida Obama nangatahany famotsoran-keloka:

I understand that my actions violated the law; I regret if my actions hurt anyone or harmed the United States. It was never my intent to hurt anyone. I only wanted to help people. When I chose to disclose classified information, I did so out of a love for my country and a sense of duty to others.

If you deny my request for a pardon, I will serve my time knowing that sometimes you have to pay a heavy price to live in a free society. I will gladly pay that price if it means we could have a country that is truly conceived in liberty and dedicated to the proposition that all women and men are created equal.

Azoko nandika lalàna ny zavatra nataoko; Miala tsiny aho raha nandratra olona sy Etazonia ny nataoko. Tsy izany fandratrana ny hafa izany no tena fikasako. Te hanampy ny olona fotsiny aho. Rehefa nifidy ny hanao ampamoaka aho, nataoko izany noho ny fitiavana ny fireneko sy ho fanampiako ny manodidina.

Raha ho lavinao ny fangatahako havelanao heloka, ho ampiasaiko ny androko amin'ny fahafantarana fa indraindray tsy maintsy mizaka ny mafy ahahafahana miaina aminà fiaraha-monina afaka. Zakaiko am-pifaliana ny sandany raha afa-manana firenena novolavolaina ao amin'ny fahafahana isika ary manokana ny tolo-kevitra fa noforonina hitovy ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra.

Izay tena nampalaza ny afera Chelsea Manning dia tsy dia noho ny hamaroan'ireo dosie navoakany nilaza ny zava-tsy mety ataon'ny governemanta [amerikana] ihany, fa ny fomba nikirakiran'ny mpanao gazety, blaogera, mpamoaka fanairana ary ny olom-pirenena amin'ny ankapobeny, ny fomba nandraisan'ny rafi-pitsarana ny raharaha momba azy. Ny raharaham-pitsarana momba azy no nahitana vesatra indrindra nandritra ny fitondran'i Obama nanenjika ho an'ireo izay mpamoaka tsiambaratelo. Hita tokoa fa nandritra ny fitondrana Obama no nahitana fanamelohana ireo mpamoaka dosie tsy tokony ho hitam-bahoaka indrindra mihoatra noho ny hafa rehetra. Mahita i Josh Stearns (@jcstearns), manoratra ao amin'ny Boing Boing, fa ity tranga ity no iray amin'ny tranga farany indrindra ahitana ny fijotson'ny fahafahana mamoaka vaovao:

We should see the Manning verdict in the context of a mounting press freedom crisis that impacts all of us. As Dan Gillmor wrote in the Guardian, “the public needs to awaken to the threat to its own freedoms from the Obama crackdown on leaks and, by extension, journalism and free speech itself.”

We live in a time when anyone may commit an act of journalism. The person who sets up a Facebook page to cover the hurricane hitting her community. The person who uses her smartphone to record police officers killing an unarmed teen on a train platform.The person who live-blogs a court case from start to finish. Each of these people is participating in journalism in ways we should protect and celebrate.

[…]

We should be glad that this military court did not equate Manning’s actions to aiding the enemy, but this case is part of a much bigger debate, and one the public has largely been left out of. That needs to change.

Tsy maintsy jerentsika eo amin'ny lafiny fiakaran'ny krizin'ny fahalalahan-gazety izay miantraika aty amintsika rehetra ny didim-pitsarana an'i Manning. Hoy i Dan Gillmor nanoratra tao amin'ny the Guardian hoe “Mila mahatsapa ny fandrahonana atao amin'ny fahalalahana avy amin'ny fanenjehana ataon'i Obama amin'ireo mpamoaka tsiambaratelo ny vahoaka, sy ny fiitatr'izany, ny fanaovan-gazety sy ny fahalahana miteny mihitsy.”

Miaina ao amin'ny vanim-potoana mety ahavitan'ny rehetra manao asana mpanao gazety isika izao. Ny olona manokatra pejy ao amin'ny facebook mba handrakofana ny rivo-doza mianjady ny fiaraha-monina misy azy. Ny mpampiasa [smartphone] handraiketana ny famonoan'ny polisy tanora tsy manana fitaovam-piadina eo amin'ny fiantsonan-dalamby. Ny miblaogy mitantara mivantana ny fizotry ny fitsarana hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany. Ireo olona rehetra ireo dia mandray anjara amin'ny asana mpanao gazety izay tokony arovana sy deraina.

[…]

Tena tokony ho faly isika raha tsy nametraka ny fihetsika nataon'i Manning ho nanampy fahavalo ny tribonaly miaramila, saingy natao anjorom-bala ihany ny vahoaka ao anatin'ny adihevitra lehibebe kokoa momba ity raharaha ity. Mila ovaina izany.

Namoaka lahatsoratra tao amin'ny [Fikambanana Mpanohana ny Fahahahalan'ny Fanaovan-gazety], i Trevor Timm (@trevortimm) fa manahy ihany koa amin'ny fahazotoan'ny fitondrana Obama mitory ireo mpamoaka tsiambaratelo. Nanambara izy fa ny iray amin'ny lalàna nampiasaina hanenjehana an'i Manning, ny lalàna momba ny fitsikilovana, dia atao mba ilazana ny mpamoaka tsiambaratelo ho mpamadika:

The Espionage Act, a draconian statute written in 1917 as a way to punish non-violent opponents of World War I, has unfortunately been used in recent years to equate leakers and whistleblowers with spies and traitors. Facilitating that warped view in Manning's trial, the judge ruled early on that the defense was not allowed to put forth evidence of Manning’s sole intent to inform the American public, or evidence showing that none of the information materially harmed national security.

Ny lalana momba ny fitsikilovana, tsangambato lehibe nosoratana tamin'ny taona 1917 ho fanasazina ireo mpitolona ampilaminana ny ady lehibe voalohany, no lasa nampiasaina tao anatin'ny taona vitsivitsy izao hampitoviana  ireo mpamoaka tsiambaratelo sy ireo mpanaitra vahoaka amin'ny mpitsikilo ary ireo mpamadika. Nanamora izany fomba fijery mivilana izany ny mpitsara nandritra ny fotoa-pitsarana an'i Manning, tamin'ny fametrahana dieny ety am-boalohany izay tsy ahafahan'ny fiarovana mandroso porofo fa ny hampafantatra ny vahoaka amerikana ihany no fikasany, na porofo mampiseho fa tsy nisy nanohintohina hita maso ny fiarovam-pirenena ny vaovao navoaka

Na dia teo aza ny filazan'ny fitondrana Obama mametraka an'i Chelsea Manning ho mpamadika, dia nampiseho fanohanana ireo olona avy amin'ny lafivalo, manamarina izany ny resaka miely amin'ny aterineto. Nivondrona ireo mpanohana an'i Chelsea Manning hanangana fanairana amin'ny maha-zava-dehibe ny ampamoaka nataony. Mivezivezy amin'ny aterineto amin'izao fotoana izao ny  fanangona-tsonia niraisan'ny Amnesty International sy ny Tambajotra Mpanohana an'i Bradley Manning hangatahana famindrampo amin'ny filoha. Maro koa ireo manambara ny fanohanana azy ao amin'ny twitter:

Ny fanaborahan'i Bradley Manning maimai-poana ny marina no milaza fa tsy mpamadika izy/na hoe manao izay hampalaza azy/sns.

“Nahatonga hetsika vaovao ho amin'ny zo sivily i Manning. Mendrika azy kokoa ny loka Nobel an'i Obama fa tsy tokony ho an'ny filoha.” @jricole #Manning

Nandray anjara mavitrika amin'ny ady hevitra momba an'i Bradley/Chelsea Manning aho tamin'ity herinandro ity. Mahery fo amerikanina, izay ihany. #FreeBrad

Amin'ity horonan-tsary ity,no iresahan'i The Young Turks ny taratasin'ny Chelsea Manning nalefa any amin'ny Prezida hangatahana famelana. Samy naneho haja sy niondrika teo anatrehany avokoa izy efa-dahy:

Ny mpanao gazety Norman Solomon (@normansolomon) naneho fitiavana manokana an'i Chelsea Manning tamin'ny nataony ary ny fahasahiany nanoratra tany amin'ny prezida Obama navoaka gazety an-tserasera [Nation of Change]:

Imagine. After more than three years in prison, undergoing methodical abuse and then the ordeal of a long military trial followed by the pronouncement of a 35-year prison sentence, Bradley Manning has emerged with his solid humanistic voice not only intact, but actually stronger than ever!

Vinanio, Tao aorian'ny telo taona tany am-ponja , niaritra fihoara-pahefana tsy mitsahatra ary narahin'ny fitsarana miaramila dia nahazo sazy 35 taona an-tranomaizina, Nisongadina i Bradley Manning tao amin'ny feo hentitra mandala ny mahaolona tsy vitan'ny hoe tsy nisy nanombinana, fa mbola matanjaka aoka izany!

Fanondroana niova fananahana

Imgage of Chelsea Manning with a wig shared extensively on the web. Taken from Wikipedia

sarin'i Chelsea Manning manao solovolo miparitaka tokoa eto amin'ny aterineto. Nalaina tao amin'ny Wikipedia.

Nanambara ampahibemaso i Manning tamin'ny 21 Aogositra fa sady lahy izy no vavy, nolazainy fa manomboka izao dia aleony antsoina hoe Chelsea Manning ary maniry ny hanomboka fitsaboana hormonaly haingana araka izay azo atao. Nidera ny fahasahiany tamin'ny zava-nambarany ny mpikatroka trans, izay mampalaza sy manome rariny ny tolona ataon'ny mpitaky ny zon'ny LGBTT amin'izao fotoana. Niteraka adihevitra vaovao momba an'i Manning indray izany satria ho alefa any amin'ny fonjan'ny lehilahy izy ary tsy nanaiky ny hitsabo azy ankoatra ny fanomezana mpitsabo saina azy ny Tafika U.S.. Nanao fanambarana ny Sendikan'ny Fahafahana Sivily Amerikana fa ny tsy fanekena ny fitsabona ara-hormonaly an'i Manning dia mety hanohintohina ny lalampanorenanana:

[P]ublic statements by military officials that the Army does not provide hormone therapy to treat gender dysphoria raise serious constitutional concerns. Gender dysphoria is a serious medical condition in which a person's gender identity does not correspond to his or her assigned sex at birth, and hormone therapy is part of the accepted standards of care for this condition. Without the necessary treatment, gender dysphoria can cause severe psychological distress, including anxiety and suicide. When the government holds individuals in its custody, it must provide them with medically necessary care.

Ny Filazana ampahibemaso tamin'ny vahoaka nataon'ny manampahefana miaramila manambara fa tsy manome alalana ny fitsabona ara-hormonaly ny mararin'ny tsy mahalala ny tenany ho lahy na vavy dia mety hiteraka fanohintohinana lalina ny lalam-panorenana. Ny [gender dysphoria] tsy fahalalana izay mahalahy na vavy azy dia aretina ara-pitsaboana sarotra noho ny marika ara-pananahana napetraka taminy teo am-piterahana tsy mifanaraka amin'ny fanondroana azy ho lahy na ho vavy, ary ao anatin'ny fitsaboana nahazoana alalana ny fitsaboana ara-hormonaly. Raha tsy misy ny fitsaboana ilaina dia mety hiteraka fahakiviana lalina ka ao anatin'izany ny tebiteby lalandava sy ny famonoantena. Rehefa mitazona azy ny mpitondra, dia tsy maintsy manome azy ny fitsaboana ilaina.

Tsy isalasalana fa hisy fiantraikany lalina tokoa amin'ny hoavin'ireo mpanaitra ny vahoaka rahatrizay sy ny asa-gazety amin'ny ankapobeny ny toe-draharaha tato anatiny andro vitsy izay – raha tsy lazaina ny fiarahamonina trans. Na mety hanokatra ny fangaraharana sy filazana ny andraikitra (vitan'ny) governemanta izay na vao maika manafinafin-javatra ka tsy ekena hojerena intsony ny zon'ny olompirenena hahalala vaovao.

*Nampiasa anaram-behivavy izahay tamin'i Manning, izay nilaza ampahibemaso sy niangavy tamin'ny vahoaka ny hanaovana azy ho tahaka izay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.