Mihamafy Ny Tabataban'Ady Ao Syria

"The Revolutionaries of Manbij" - Aleppo. Photo by dona bozzi. Copyright Demotix, July 23, 2013.

“Ireo Revolisioneran'i Manbij” ao Aleppo, Syria. Sary avy amin'i Dona Bozzi. Copyright Demotix, 23 Jolay 2013.

Mihamafy hatrany ny akoran'ady noho ny fiomanan'i Etazonia amin'ny hetsika daroka baomba “hanasazy” an'i Syria. Tato amin'ny aterineto, nanjary manam-pahaizana momba an'i Syria tanatin'ny indray alina avokoa ny rehetra.

Ilay Palestiniana Iyad El-Baghdadi nanamarika hoe:

Tsy mahagaga va ny fifohazan'ny fahatsapan-tenan'ny tsirairay tampoka raha ny fijaliana mampivarahontsana mahazo ny vahoakan'i #Syria no resahina?

Nilaza ilay Syriana Mohja Khaf fa tsy mankasitraka ny ady izy. Izao no antony hoy izy:

Ny “miara-dalana amiko” dia ireo vehivavy sy lehilahin'ny revolisiona syriana any am-bava ady. Tsy manampy ny tolona ara-dalàna ataon'izy ireo ho amin'i Syria afaka sy demokratika ny daroka baomba ataon'ny Amerikana.

Tsy bala mahagaga handroaka ny mpivaro-kena [mpampandriaka ra na mpamono olona] ao #Syria sy hitondra vonjy ny fanafihana ataon'i USA.

Tsy valim-bavaka hamahana ny krizy maha-olona Syriana ny fanafihana Amerikana-midika ho fijalian'ny olom-pirenena ho mafy kokoa izany. #Syrie

Ary hoy izy nanampy:

Aoka tsy hisy olona handà ny fandripahana feno habibiana ataon'i assad amin'ireo olom-pirenena syriana, tsy maninona izay toerana misy ny tsirairay manoloana ny fanafihana Amerikana atsy ho atsy #Syrie

Kahf nampahatsiahy antsika hoe:

Tsy maninona izay fihevitrao momba ny fanafihana ataon'ny Amerikana #Syria, AZA LAVINA fa nidina an-dalambe ny tanora Syriana ho amin'ny REVOLISIONAM-bahoaka marina. Andriamanitra ô.

SyrianA Amal Hanano nanampy hoe:

Fampatsiahivina : Syriana an'arivony no namoy ny ainy noho ny fihiakiahana hoe: ny hanongana ny fitondrana no tadiavin'ny vahoaka”.

Gaga tamin'ny fepetra samihafa hampiharina arakaraky ny firenena ilay Syriana Maysaloon:

Nilaza i Saud al Faisal fa tsy azo leferina ny fampiasan'i Assad etona misy poizina. Hafahafa fa tsy niraharaha izy ireo raha nampiasa izany i Saddam #Pt #PotKettleBlack

Dima Khatib nilaza hoe [ar]:

Satria tsy hoe tsy matoky ny Amerikana ny sasany ka handeha hanohana ny fitondran'i Assad. Atsaharo ny fampihorohoroana ara-tsaina sy ny fanimbana ny hafa amin'ny anaran'ny tolona ho amin'ny fahalalahana

Araka ny hevitr'i Michael Hanna, mety hahatritra taona maro ny ady ao Syria:

Raha te hanao adihevitra matotra momba an'i Syria, dia tokony hahafantatra aloha fa ity ady ity, araka ny fisehoany ankehitriny, dia haharitra an-taonany maro.

Avy ao Bahrain, mpanoratra Ali Al Saeed nisioka hoe:

Ny hafatry #Obama ho an'ireo mpanao didy jadona mpanao ratsy manerantany: Tsara ny mamono ny vahoakanao raha mbola tsy nanao izany amin'ny fampiasana fitaova-piadiana simika ianao. #Syrie #Assad

Taminà sioka teo aloha, hoy izy nanontany:

Nahoana no tsara ny mamono olona 100.000 ary mamindra olona 2 tapitrisa, saingy mitaky fanafihana ara-miaramila ny fampiasana etona misy poizina amin'ny olona 1.000 ?

Tao Amman, renivohir'i Jordania i Ali Dahmash, nanatri-maso ny fihetsiketseham-panoheran'ady teo anoloan'ny ambasady Amerikana:

Vao avy nandalo tao amin'ny ambasady Amerikana ao #Amman, ka olona vitsy 100 teo no nanao fihetsiketsehana milamina manohitra ny fanapahan-kevitr'i Obama hidaroka baomba ao Syria

Mpaneho hevitra Marc Lynch nilaza hoe:

Ny tena mampalahelo amin'ny dingana mizotra ho amin'ny ady ataon'ny fitondran'i Obama ao Syria dia ny fampielezan'izy ireo ny hevitra fandresen-dahatra mitovy ihany tao anatin'ny roa taona

Ary manontany ilay mpilaza hevitra avy ao Emirà Arabo Mitambatra :

Nahoana ireo firenen'ny Helodrano [Golfa] (123 miliara dolara nividianana fitaova-piadiana tao Etazonia tamin'ny taona 2010) sy i Tiorka (firenena faharoa manerantany manana fitaovam-piadiana midadasika amin'ny Otan) no  mamindra andraikitra ny adin'izy ireo ao Syria amin'i Etazonia?

Tsy mahamenatra ny tsy mahafantatra, hoy Ms. Entropy, avy ao Ejipta:

Mifanohitra amin'ireo manam-pahaizana marobe tampoka ao Syria, ny kely hany fantatro mikasika ny zava-misy dia ampy hahalalako ny tsy fahafantarako – ampy anefa izany handratra ny foko.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.