[Lahatsary] Ny Fomba Fampiasana Ny Rindrambaiko StoryMaker

Vao haingana izay dia namoaka lahatsary Youtube ireo namantsika ao amin'ny Small World News, mampiseho torolàlana maneho miandalana ny fomba fampiasàna ny rindrambaiko StoryMaker ho an'ny fitantaràna tantara anatin'ny tontolo dizitaly.

Ity rindrambaiko misokatra ity dia fitaovana natao ho an'ireo mpanao gazety hamoronany ireo tatitrany manokana mikasika ny vaovao amin'ny alalan'ny fampiasana ny finday Android, amin'ny fomba azo antoka sy voaaro tanteraka. Ho fanampin'ireo torolàlana fanofanana ao anatin'io rindrambaiko io, afaka mamorona ny lahatsariny manokana, sary, feo, na vondron-tsary avoakany ao anaty aterineto ireo mpampiasa. Afaka mijery ohatranà tantara iray noforonina ianao amin'ny lahatsary etsy ambany.

Mandray anjara anatinà fanofanana maro mikasika ny fampiasana ilay rindrambaiko ny Rising Voices, miaraka amin'ireo mpanao gazety anatin'ny firenena efatra: Iraka, Ejipta, Maraoka, ary Tonizia, miaraka amin'ireo toby fanofanana ao an-toerana mpiara-miasa aminay. Azonao atao ny mamaky tatitra iray momba ny iray tamin'ireo fanofanana natao niaraka tamin'ny Tobin'ny Media Mahaleotena any Kurdistan tany Erbil, Kurdistan any Avaratr'Iraka ny Aprily 2013.

Afaka misintona dika BETA an'ilay rindrambaiko ianao ao amin'ny Google Play store.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.