Mitolona Mba Ho Velona Ireo Mponina Nafindra Toerana Nohon'ny Toby Famokarana Herinaratra

Ity tantaran'i Ana Aranha ity tany ampiandohana dia nomena ny lohateny hoe Vidas em Trânsito (“Fiainana Vonjimaika”) ary anisan'ny fandrakofana manokan'ny masoivohom-baovao Breziliana Pública momba ny asan-gazety mpanadihady #AmazôniaPública, izay mitatitra ny vokatr'ilay fanorenana tetikasa goavambe any Amazonia manaraka ny halavan'ny renirano Madeira any amin'ny fanjakan'i Rondonia, ao Brezila. Ny tantara dia navoaka tanaty andiany dimy tao amin'ny Global Voices. 

Tamin'ny lahatsoratra voalohany tamin'io andiany io, mitatitra ny fikorontanan'ny fiarahamonin'ny tananan'ny mpanjono ao amin'ny faritry ny reniranon'i Madeira vokatr'ilay tetikasa fanorenana ny tohodranon'i Jirau Dam ny Agência Pública. Miala ireo làlana 15 km mamovoka be ao  Jaci Parana any amin’ny làlam-pirenena, misy fahasamihafana manaitra be miohatra amin'i Jaci ny tanàna vaovaon'i Mutum Parana.

Ny hany tokana hitoviany amin'i Jaci dia ny fisian'ny vondron'olona [miasa] manao fanamiana mitovy eo amin'ny fiantsonan'ny fiara mpitatitra amin'ny hariva [avy ao amin'ilay tetikasa fanorenana]. Saingy ao Mutum Parana vaovao, rarivato daholo ny arabe rehetra. Misy làlana ho an'ny mpandeha an-tongotra sy fihodinana boribory be misy bozaka novolena eo afovoany. Efa voakajy sy mifamaly avokoa ny zavatra rehetra. Misy toerana ara-barotra sy fonenana, izay ahitana trano 1.600 amina antokony isan-karazany. Isaky ny antokony, mitovy avokoa ny trano ary toy izay koa ireo bozaka manasaraka azy.

Deserted street at Nova Mutum Parana, a village built by Jirau power plant, which contrasts with Jaci's demographic explosion.  Photo: Marcelo Min

Làlana ngazana ao Mutum Parana vaovao, tànana naorin'ny toby mpamokatra herinaratra any Jirau, izay mifangarika amin'ny fipoahan'ny isan'ny mponina. Sary: Marcelo Min

Mutum Parana vaovao dia narafitra sy naorin'i Energia Sustentável (Angovo Azo Havaozina maharitra) mba hametrahana ireo enjeniera sy mpitarika ao amin'ny Jirau – ireo mpiasa izay mitondra ny fianakaviany miaraka aminy ho any amin'ilay fanjakan'i Brazila toerana hiasany. Ho solon'ny hira vako-drazana sy kibo kempaka, ny vehivavy bevohoka sy ny ankizy kely mivoaka eo ambaravaran'ny tranony satria ireo lehilahy lasa mamonjy ny làlany ho any amin'ny fiantsonan'ny fiara mpitatitra.

Ny faritra midadasika indrindra ao an-tànana no itoeran'ireo mpiasa. Eo amin'ny fidirana, misy toerana voatokana ho an'ny fianakaviana miisa 150 avy amin'ny Mutum Parana taloha, tànanan'ireo mponina nanamorona ny renirano izay nalàna mba hanondrahana ny faritra misy ny toby famokarana herinaratra. Misy fianakaviana 400 eo ho eo ilay vondron'olona, ary ny ankamaroan'ireo mponina ireo dia nifidy ny handray onitra.

Mutum vaovao no anakandriamason'ny dokambarotry ny orinasa Energia Sustentàvel. Ilay dokambarotra momba ny maha-maharitra dia naparitaka nanerana ny tanàna sy mipetaka mifanakaiky amin'ireo sary maneho ny mpiasa sy ny mponina nanamorona ny renirano, miaraka hatrany amin'ny fitomboky ny orinasa.

Saingy aorian'ny fandehanana mandritra ny minitra maromaro tsy ahitàna na iza na iza mifanena aminao, ny fanontaniana dia tsy azo ialàna : Aiza daholo izy rehetra ?

“Tena tsara ireo trano fonenana, saingy ahoana ny momba ny fiainanay?, hoy ny fanontanian'i Rovaldo Herculino Batista, mponina nanamorona ny renirano izay nivarotra ny trano azony tamin'ilay toby mpamokatra herinaratra satria tsy nahita asa tany amin'ny Mutum vaovao izy :”

Não adianta fazer a cidade maravilhosa, a Nova Jerusalém, se você tira a pessoa do seu lugar, onde tem seu trabalho e vida. Como vamos ganhar dinheiro?

Tsy ilaina ny manamboatra tanàna tsara tarehy, Jerosalema vaovao, raha toa ka esorinao amin'ny toerana tokony hisy azy ny olona, toerana iasàna sy onenan-dry zareo. Ahoana no hahazoanay vola?
Batista não se adaptou à vila construída pela usina e voltou para a beira do rio Foto: Marcelo Min

Tsy mety amin'i Batista ny tanàna namboarin'ilay orinasa mpamokatra herinaratra ary niverina any amin'ny fonenany any amoron-drano izy. Sary : Marcelo Min

Any amin'ny Mutum taloha – fomba ilazan'ireo mponina amoron-drano ny vondrom-piarahamonina nisy azy ireo fahiny – nanjono, nitrandraka ary nanao karazan'asa hafa ry zareo. Batista dia mpitrandraka harena ankibon'ny tany no asa nataony ary nanana toerana feno koratam-by nandravàny  ireny bildozera mba hivarotany ny piesiny. Nivarotra voankazo sy legioma ny vadiny, mitety ny vondrom-piarahamoniny amin'ny sarety sarihan-tànana. Tsy olana ny vola teo amin'ny fianakaviana.

Taorian'ny namindràna azy ireo, nahazo fivarotana kely izy, saingy tsy manana fahafaha-mividy intsony kosa ny manodidina azy mba hahafahana mividy [ao amin'ilay fivarotana]. Tsy hita intsony ilay toerana feno koratam-by, toy izany koa ny fahazoana manjono. Nohamafisin'i Batista ny diany mankany amin'ny faritra misy fitrandrahana, saingy nanjary sarotra ny fandanjalanjana ny faktiora tao amin'ny trano vaovao, miaraka amin'ny zaza enina sy zafikely telo. Ankoatry ny halafosan'ny vokatra rehetra ao amin'ny tsena anatiny, ny faktioran'ny herinaratra koa tena mampiteny ny moana. Tao anatin'ny telo volana nialoha ny namotsorany ny “Jerosalema vaovaony”, faktiora [herinaratra] 629, 671, ary 547 reais Braziliana (318, 339, ary 276 US dolara) no voarain'i Batista.

Maneso izany. Ireo mponina tena voakasiky ny fanorenana ny iray amin'ireo tobim-pamokarana herinaratra lehibe indrindra ao amin'ny firenena dia tsy maintsy mandoa ny iray amin'ireo lafo be indrindra amin'ny vidin'ny herinaratra. Fanampin'izany, ny fandoavana isam-bolana ny 19 reais (manodidina ny 9,5 dolara amerikana) ho an'ny fanazavana ny tanàna.

Ny Project Amazônia Pública dia ahitàna fikambanana mpanangom-baovao telo: ny Agência Pública de Reportagem e Jornalismo Investigativo izay nitety  faritra telo tany Amazona ny volana Jolay hatramin'ny Oktobra 2012 – isan'izany ny tobim-pamokarana herinaratra manamorona ny reniranon'i Madeira, any amin'ny fanjakana Rondonia. Ny tanjon'ny tantara rehetra dia ny handinihana ny fahasarotana amin'ny famatsiam-bola anatiny misy ankehitriny any Amazona, anisan'izany ny fandresen-dahatra sy ny famolavolana ara-politika, ary mba hihainoana ireo mpisehatra rehetra voakasik'izany – governemanta, orinasa, fiarahamonin'olon-tsotra – mba hahafahana mifehy tsara ny zavatra rehetra manodidina ny antony nananganana ilay tetikasa. Ny lakilen'ny fijerena ny tantara tsirairay, ary koa ny vokatry ny Pública manontolo, dia ny tombotsoam-bahoaka : ahoana no fiantraikan'ny asa sy ny fandresen-dahatra ary  ny fifampiraharahàna ara-politika sy toekarena any amin'ny fiainan'ny vahoaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.