Vola Ho An'ny Omby No Misy Ao Espaina Fa Tsy Ho An'ny Olom-Pirenena

Ny Febroary teo, ny governemanta avy amin'ny antoko People's Party (PP) -Antokom-Bahoaka – dia nanaiky hiresaka ny fandraisan'andraikitry ny olom-pirenena hametrahana ny tolon'omby ho “Harena Iray Manana Lanja Ara-kolontsaina” manerana an'i Espaina, ka ny vaton'ny PP no tena singa lehibe ho amin'ny fanapahan-kevitra noho ny fanànany ny maro an'isa ao amin'ny Kaongresy. Efa nokajiana fa ao Espaina, maherin'ny 500 tapitrisa Euro no arotsaka isan-taona ho an'ny tolon'omby ao anatinà vanim-potoana fanakantsanana faran'izay henjana ny an'ny resaka sosialim-bahoaka.

Ao Espaina, ny Hetsika iray Avy amin'ny Vahoaka ho Fandrafetana Lalàna dia isan'ireo rafitra izay mamela ny olom-pirenena ho afaka mandray anjara amin'ny politika. Araka ny Lalàna Organika 3/1984, tokony hodinihana ny hetsika iray manontolo rehefa nahangona sonia 500.000 hanohana azy raha kely indrindra. Ny tena zava-misy ao Espaina dia hoe, hetsika valo monja avy amin'ny vahoaka no tonga teny amin'ny Lapan'ny Kaongresy ary iray monja tamin'ireny no nankatoavina [es] tao anatin'ny 30 taona, izay, araka ny fijerin'ny maro, dia azo itarafana ny tena terana marina raisin'ny olom-pirenena ao anatin'ny rafitra politika.

Graphic representation of the ILP (Popular Legislative Initiative)

Graphic representation of the ILP (Popular Legislative Initiative)

Ny safidin'ny PP tamin'izany fotoana, ho fandaniana (na tsia) ireny fanangonan-tsonia ireny dia tsy nazava tamin'ny 12 Febroary rehefa niatrika hetsika roa ry zareo: ny ILP (Hetsika Fandrafetana Lalàna Avy Amin'ny Vaoaka) mandàla ny tolon'omby ary iray hafa izay, na dia marobe aza ny olom-pirenena manohana azy, dia tsy nahazo fandraisana mitovy amin'itsy voalohany. Ny ILP manohitra ny fandroahana izy io, natolotry ny Vovonan'ireo Olona Niharan'ny Fangiazam-panànana natao anto-bola –   Platform of People Affected by Mortgages (PAH) [es], izay ny tanjony dia ny hisoroa toe-javatra tahaka ny hoe fianakaviana iray efa voaroaka niala ny tranony nefa mbola asaina mandoa trosa hatrany. Na dia nahazo tohana efa ho iray tapitrisa sy sasany aza, nolavina fotsiny izao ity ILP ity noho ny tsindry mavesatry ny olona (sa fanjakana). Etsy andaniny, ilay hetsika hametrahana ny tolon'omby ho “Harena Iray Manana Lanja Ara-kolontsaina” dia sonia 590.000 no nentiny ary, na dia niantehatra fotsiny tamin'ny fanohanan'ny PP, UPyD [Union of Progress and Democracy] sy ny UPN (Fikambanan'ny Tanana ao Navarro) tao amin'ny Kaongresy aza, dia lany tamin'ny vato 180, 40 nitsipaka, ary 107 tsy naneho hevitra.

An anti-bullfighting concentration in Las Ventas, 2012. Image from Diana Moreno for Demotix.

Fifamoriana hanoherana ny tolon'omby, tao Las Ventas, 2012. Sary avy amin'i Diana Moreno ho an'ny Demotix.

Ny PP, antoko iray mpandàla tolon'omby

Ankoatry ny zavatra hafa maro, dia fantatra hatrany amin'ny fanohanany ny tolon'omby ny PP. Tsy hoe fotsiny ny fandaniana avy hatrany an'ilay ILP, izay hitondra amin'ny fiverenan'ny tolon'omby ao Catalonia (toerana izay nandraràna azy ireny tanyamin'ny faran'ny Jolay 2010), sy, araka ny Vondrom-piarahamonina ao Madrid, hanitsakitsaka ireo “toerana nasiana fandraràna hetsika koltoraly.” Lava ny lisitra.

Hatrany amin'ny fampielezan-kevitr'izy ireo tamin'ny fifidianana, ny PP dia nampanantena fa hiaro ny fomba amam-panao amin'ny tolon'omby, izay angamba ny hany fanomezan-toky mba tanterak'izy ireo. Amin'ny ankapobeny ireo mpikambana ao aminy dia tsy manafina ny fahalinany izay azo adika avy hatrany amin'ny alàlan'ireo lalàna nolanian-dry zareo. Tahaka izany i Esperanza Aguirre, filoha teo tao amin'ny Vondrom-piarahamonin'i Madrid (olona izay nampiasa 2.197.407 euros ho an'ny resaka tolon'omby ao anatin'ny Tetibola Faobe 2012, araka ny nambaran'ny PACMA [es]), dia voampanga ho nandany 350.000 euros [es] tamin'ny 2012 ho fikarakaràna ny omby raha tokony ho nampiasa kosa izany vola izany ho amin'ny politika mavitrika ho amin'ny famoronana asa. Ignacio González, mpisolo toerana azy, dia nihevitra ny tolon'omby ho “ny fetim-pirenena manana ny lanjany indrindra ao Espaina.”

Mba hahafahana manao ny omby ho “ampahany amin'ny harena tsy azo tsapain-tànana,” José Ignacio Wert, Minisitry ny Kolontsaina, dia nanangana ny kaomisiona ho fiarovana [es] ilay fety. Tsy izay ihany, hatramin'ny nandraisan'ny governemanta ny fifehezana ny fahitalavi-panjakana, ny hazakazaka fanenjehana omby, izay efa voarara ny fandefasana azy tamin'ny 2006 mba hiarovana ny ankizy, dia miverina indray ao anaty fandaharana izao. Araka ny fanadihadiana iray nataon'ny  Altarribia foundation [es], 564 tapitrisa euros tamin'ny volam-bahoaka no arotsaka isan-taona hamatsiana ny hazakazaka fanenjehana omby… izany rehetra izany, na dia eo aza ny fanakianana avy amin'ny olom-pirenena manoloana ireo fandaniana mihoam-pampana ho an'ny tolon'omby ao anaty vanim-potoana nampihenàna ny ho an'ny fahasalamàna sy ny fanabeazana: tao Madrid, ohatra, 67% no tsy nankasitraka ieny famatsiam-bola ireny [es].

Cartoon by Ferrán Martín. Used with permission. (From top to bottom: "EXPEL THEM! EXPEL THEM! / Who? Those who say that neither the bulls nor any other animals have the right to liberty and life or those that are shouting demands for a change to the mortgage law? / What do you think, sir? / Ah, no...! I asked you first..."

Sariitatra nataon'i Ferrán Martín. Fampiasàna nahazoana alàlana. (Avy any antampony mankaty ambany: “ROAHY ZAREO! ROAHY ZAREO! / Iza?  Ireo izay milaza fa tsy manan-jo halàlaka sy hiaina ny omby sy ny biby hafa rehetra, sa ireo izay mikiakiaka mangataka ny hitondràna fanovàna amin'ny lalàna momba ny fitrosàna? / Ahoana ny hevitrao, ramose? / Ah, tsia an…! Ianao aloha no anontaniako voalohany ka…”

Fanehoan-kevitra

Na dia niteraka fanetsehana vahoaka nanamaloka ny resaka tolon'omby aza ilay ILP manohitra ny fandroahana, ny fandàvana ny hiantsoana ny omby ho  “Harena Nasionaly Manan-danja” koa dia niteraka hetsi-panoherana maro. Ity hetsika ity, izay raha ampiharina dia hanome làlana ho anà famatsiana vola bebe kokoa an'ilay fety, dia efa niteraka sahady fihetsiketsehana nanoherana azy, tahaka ilay fanangonan-tsonia tao amin'ny Change.org [es] (izay efa nahangona sonia 17.000 sahady), sy hetsika fanehoan-kery iray tamin'ny 28 Febroary [es] na fanehoam-pijery marobe tao amin'ny Twitter:

 @_issacrosa: Más cornás da el banco: PP se da prisa para que haya toros en Cataluña este verano. Los desahuciados pueden esperar.

@_issacrosa: Nahazo vely tandroka misimisy kokoa avy amin'ny banky: mihazakazaka manao izay hisian'ny omby eto Catalonia amin'ity lohataona ity ny PP. Afaka miandry ireo voaroaka tamin'ny tranony.

@bassileo: Receta PP para salir de la crisis: Más Toros, más Vaticano, menos Educación y Investigación Científica… Resultado: Un país en decadencia.

@bassileo: Ny ketrika avy amin'i PP mba hivoahana amin'ny krizy: Omby betsaka, Vatikàna betsaka, Fanabeazana sy Fikarohaa Siantifika tsizarizary… Vokany: Firenena iray mitontongana.

@jordi_fdez00: La gente del PP se pone como una moto por la subvención al cine español pero ven perfecta la enorme subvención a los toros…

@jordi_fdez00: Mipelipelika ery ny olon'ny PP momba ny famatsiam-bola ho an'ny orinasan-tsarimihetsika Espaniôla saingy hitan-dry zareo tsara mihitsy ny famatsiana vola goavana ho an'ny omby…

Mazava loatra, misy ireo fomba fijerin'ireo mpampiasa Twitter mankasitrka ny tolon'omby:

@JóvenesTaurinos: Hoy es un día Histórico. Puerta Grande para la Tauromaquia. La unión hace la fuerza. Enhorabuena a todos!!

@JóvenesTaurinos: Andro manan-tantara ny androany. Fandresena ho an'ny tolon'omby. Ny fitambarana no hery. Arahabaina ny isam-batan'olona !!

@6TOROS6: Cientos de aficionados y profesionales en el Congreso #ILPTAURINASÍ toreros, novilleros, banderilleros, ganaderos, apoderados, prensa

@6TOROS6: Anjatony amin'ireo mpankafy sy matianina ao amin'ny Kaongresy no  #ILPTAURINASÍ matadors, mpitolona omby, banderilleros, mpiompy, mpisolovava, mpanao gazety

@pabmontes: Prohibir es de leninistas como los son muchos en la izquierda radical “antitaurina”. Viva la libertad y vivan los toros #ILPesDemocracia

@pabmontes: Asan'ny Leninista ny fandraràna tahaka ireo maro avy amin'ny radikaly havia  “manohitra ny tolon'omby”.” Ho ela velona ny fahalalahana sy ny Omby #ILPesDemocracia (#ILPnoDemaokrasia)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.