Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mitatitra amin'ny firenena 167 izahay. Mandika amin'ny fiteny 35 izahay. Izahay (Isika) no Global Voices.

Mihoatra ny 800 izahay manerantany no miasa miaraka hitondra vaovao tsy dia fahitanao loatra. Saingy tsy afa-manao izany samirery izahay. Fa na dia mpilatsaka an-tsitrapo aza ny ankamaroanay, dia mbola mila ny fanampianao hatrany hanohana ny tonia, ny mpahay teknolojia, ny tetikasa fanentanana sy fiarovana, ary ireo mpisahana lanonana (fivoriana) avy ato aminay.

Mandraisa anjara ary ankehitriny »
GlobalVoices anaty

Mikasa Mbola Hanohy Fe-potoam-piasana Fanindroany (Sa Fanintelony?) Ny Filohan'i Bolivia

Nanambara ny antokon'ny fitondrana MAS fa mikasa hofidiana fanindroany amin'ny fifaninana fifidianana filoha-pirenena hoavy atao amin'ny volana Desambra 2014 ny filoha Evo Morales. Manana tombontsoa noho ny fanohanana lehibe ao Bolivia, indrindra avy amin'ireo vahoaka teratany sy tambanivohitra i Morales, mpamboly coca teo aloha izay nanjary lehiben'ny sendikalista an'ny ankavia.

Saingy niteraka adihevitra izany fanambarana izany raha fe-potoam-piasana voalohany na faharoa ny fe-potoam-piasany ankehitriny, ary na koa mbola hamela azy hirotsaka hofidiana ny lalampanorenana nolaniana efa-taona lasa izay.

Tamin'ny taona 2005, taorian'ny taona maro nisian'ny olana ara-politika, voafidy filoham-pirenena i Evo Morales tamin'ny vato 54 isan-jato. Tamin'ny volana Janoary 2006 no nanombohan'ny fe-potoam-piasany voalohany, saingy mbola nitohy hatrany ny ady politika, indrindra teo amin'ireo faritra atsinanana sy ny governemanta ankavia an'i Morales, izay nahatonga fandaniana lalàm-panorenana vaovao.

Evo Morales image during presidential campaign. Photo by vocesbolivianas on Flickr, under Creative Commons license (CC BY-NC-SA 2.0)

Evo Morales, sary tamin'ny fampielezan-kevitra nandritra ny fifidianana filoham-pirenena. Sary avy amin'ny vocesbolivianas tao amin'ny Flickr, under Creative Commons license (CC BY-NC-SA 2.0)

Taorian'ny fifanekena ara-politika tamin'ny taona 2008 nataon'ny antokon'ny fitondrana sy ny mpanohitra, nisy ny fitsapan-kevi-bahoaka notontosaina tamin'ny Janoary 2009 handaniana ny lalàmpanorenana vaovao. Nahena ny fe-potoam-piasan'ny filoham-pirenena ary nisy indray ny fifidianana vaovao notontosaina ny Desambra 2009. Ka mbola nandresy tamin'izany fifidianana izany indray i Evo Morales tamin'ny salan'isa 64 isan-jaton'ny vato.

Hoy ny  voalaza ao amin'ny Lalàm-panorenana Boliviana 2009 [es] :

Artículo 168. El periodo de mandato de la Presidenta o del Presidente y de la Vicepresidenta o del Vicepresidente del Estado es de cinco años, y pueden ser reelectas o reelectos de manera continua por una sola vez.

Andininy faha-168. Dimy taona no fe-potoam-piasan'ny Filoha na ny Filoha Lefitra ary mbola azo fidiana indray mandeha ihany izy.

Ery ambany kosa, hoy ny voalaza ao amin'ny lalàmpanorenana:

Los mandatos anteriores a la vigencia de esta Constitución serán tomados en cuenta a los efectos del cómputo de los nuevos periodos de funciones.

Manomboka amin'ny fampiharana ity lalàmpanorenana ity, manan-kery ireo fe-potoam-piasana teo aloha  ho fanisana izay ho fe-potoam-piasana vaovao.

Mpanohana ny firotsahan'i Morales hofidiana fanintelony, tahaka ny Senatera Rene Martinez, nahita [es] fa ara-dalàna sy manaraka ny lalàmpanorenana ny firotsahan'i Morales hofidiana indray.

Hoy i Martinez naneho hevitra tao amin'ny kaonty Twitter-ny (@ReneMartinez_) [es]:

@ReneMartinez_: Disposición Transitoria Primera de la CPE, solo reguló la elecciones del 2009. no tiene mas aplicación en el tiempo.

@ReneMartinez_: Ny fifidianana tamin'ny 2009 ihany no  fehezin’ [ity] lalàmpanorenana tetezamita ity, tsy mihatra aty aoriana intsony izany.

Etsy andaniny, nilaza ny sasany fa fe-fotoam-piasan'i Morales fanindroany izao ka voaràran'ny lalàmpanorenana ny firotsahany hofidiana fanintelony.

Taorian'izany fanehoan-kevitra izany, mpikatroka ara-politika Julio Aliaga (@JulioAliagaL) [es] nisioka sary tamin'ny hajia-paositra ofisialy navoakan'ny governemantan'i Bolivia tamin'ny 2012 ho fankalazana ny fe-fotoam-piasana fanindroany ho an'ny filoha Evo Morales:

Image shared on Twitter by user

“Fe-potoam-piasana fanindroany. Filoha araka ny Lalàm-panorenana ao amin'ny Fanjakana Maro Firenena ao Bolivia.” Sary nozarain'ilay mpisera Twitter @JulioAliagaL tao amin'ny Twitter

Eo ampandinihana ny raharaha ankehitriny ny Fitsarana Misahana ny Lalàmpanorenana ao  Bolivia.

Na dia izany aza, nanazava [es] i Mario Duran, bilaogera monina ao El Alto,  fa mbola manan-tsafidy ny mpanohana an'i Morales raha manohitra azy tsy mahazo mirotsaka hofidiana ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana:

para habilitar al presidente Morales a una nueva re-eleccion se requiere un referéndum que apruebe cualquier modificación a la Constitución Política del Estado, ahora considerando el apoyo superior al 50% en votación que posee el Presidente Evo Morales, sus partidarios deberían optar por el referendum.

Mba ahafahan'ny filoha Morales hofidiana filoham-pirenena indray, takiana ny fanaovana fifidianana fitsapan-kevi-bahoaka mba handaniana  Lalàmpanorenana vaovao indray, satria fantatra fa maherin'ny 50 isan-jaton'ny mpifidy no mbola manohana ny filoha Evo Morales, tokony hitaky ny fanaovana fitsapan-kevi-bahoaka ireo mpanohana azy.

Eo an-dalana ny kajikajy rehetra mikasika ny fifidianana satria mbola ho atao fanandramana amin'ny volana manaraka avokoa ny fitaovana momba ny fifidianana ao Bolivia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.


Renim-paritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny